Mihirà ho An’i Jehovah—Hira Vaovao

Misy hira vaovao natao hiderana an’i Jehovah sy hanomezana voninahitra azy ato. Adikao ilay hira sy ny tonony, ary ianaro.

HIRA 136

Efa Mitondra Ilay Fanjakana

Natao hiderana an’i Jehovah Andriamanitra ity hira mampientanentana ity, satria efa mitondra ilay Fanjakana tarihin’i Kristy Jesosy.

HIRA 137

Omeo Fahasahiana Izahay

Ataovy ity hiran’ilay fanjakana ity, raha tianao ny ho sahy hitory ny anaran’i Jehovah.

HIRA 138

Jehovah no Anaranao

Derao ny anaran’i Jehovah ary ampahafantaro ny olona rehetra fa izy no Avo Indrindra.

HIRA 139

Ampianaro Izy Ireo mba Hiorina Tsara

Fangatahana amin’i Jehovah mba hiarovany an’ireo mpianatra, hanampiany azy ireo tsy hivadika rehefa misy fitsapana.

HIRA 140

Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana

Asehoy fa tia an’i Jehovah ianao, ary tena tianao ny asany sady sambatra ianao manompo azy.

HIRA 141

Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

Hita amin’ity hira mahafinaritra ity hoe tiantsika ny ondrin’i Jehovah, ka miezaka mafy isika mikaroka azy ireny. Alaivo ato ilay hira sy ny tonony.

HIRA 142

Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

Tena tsara fanahy i Jehovah, ka tiany ho lasa namany ny karazan’olona rehetra.

HIRA 143

Mamiratra ao Anaty Haizina

Tara-pahazavana anaty haizina izao no ento sy zarao.

HIRA 144

Iankinan’ny Aina io Asa Io

Mila mitory ny hafatr’Andriamanitra isika, dieny mbola misy ny fotoana.

HIRA 145

Miomàna Handeha Hitory

Tsy diso ianao raha mba malaina, te haka aina. Misy vahaolana anefa.

HIRA 146

Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

Hitan’i Jesosy izay rehetra ataontsika amin’ireny voahosotra ireny. Raha tia sy manampy azy ireny isika, dia raisin’i Jesosy hoe izy mihitsy no tiantsika sy ampiantsika.

HIRA 147

Fanananao Manokana Izy Ireo

Tena tian’i Jehovah ireo zanany voahosotry ny fanahy, ary faly izy ireo manao ny sitrapony.

HIRA 148

Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

Misaora an’​i Jehovah satria ny fanomezana sarobidy indrindra no nomeny antsika. Lasa manana fanantenana isika tsirairay, noho izy io.

HIRA 149

Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

Tokony hisaotra an’i Jehovah mandrakizay isika, satria tena tia antsika izy matoa nanao sorona an’i Jesosy, izay vonona ho faty ho antsika.

HIRA 150

Vonona Aho!

Asehoy hoe tena te hanompo an’​i Jehovah ianao, ka ekeo izay karazana fanompoana asainy ataonao.

HIRA 151

Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

Hatsangan’i Jehovah ho any an-danitra ny rahalahin’i Kristy, ka hiara-mandresy sy hahazo valisoa aminy. Tena tsy andrintsika izany!

HIRA 152

Ianao no Tokinay

Rehefa tototry ny olana isika, dia mampahery sy manome fanantenana antsika Andriamanitra, ary azo ianteherana tsara.

HIRA 153

Hoatran’ny Ahoana Moa?

Hoatran’ny ahoana ny fihetseham-ponao rehefa manao izay vitanao ianao mba hahitana olona liana?

HIRA 154

Miareta fa Aza Kivy

Hira manampy antsika hiaritra fahoriana sy tsy hivadika amin’i Jehovah, na inon-kitranga na inon-kidona.