Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Genesisy 1:1: “Tany Am-piandohana, dia Namorona ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra”

Genesisy 1:1: “Tany Am-piandohana, dia Namorona ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra”

 “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”—Genesisy 1:1, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.”—Genesisy 1:1, Fandikan-teny Katolika.

Inona no tian’ny Genesisy 1:1 holazaina?

 Misy hevi-dehibe roa resahin’io andinin-teny voalohany ao amin’ny Baiboly io. Voalohany, nanam-piandohana ny “lanitra sy ny tany”, izany hoe izao rehetra izao hita maso. Faharoa, Andriamanitra no namorona azy ireo.—Apokalypsy 4:11.

 Tsy resahin’ny Baiboly hoe oviana Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao, na hoe ahoana no fomba nanaovany an’izany. Hazavainy kosa hoe nampiasa ny ‘tanjany sy ny heriny lehibe’ Andriamanitra rehefa namorona an’izao rehetra izao.—Isaia 40:26.

 I Jehovah a Andriamanitra irery no antsoina hoe Mpamorona, ao amin’ny Baiboly. (Isaia 42:5; 45:18) Nadika avy amin’ny matoanteny hebreo ilay hoe “namorona” na “nahary”, ary tsy ampiasaina izy io raha tsy rehefa miresaka momba an’izay ataon’Andriamanitra. b

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Genesisy 1:1?

 Miresaka ny tantaran’ny famoronana ny Genesisy toko voalohany sy faharoa, ary io andininy voalohany ao amin’ny bokin’ny Genesisy io no teny fampidirana an’ilay izy. Voafintina ao amin’ny Genesisy 1:1 ka hatramin’ny 2:4 hoe ahoana no nataon’Andriamanitra tamin’izy namorona ny tany sy ny zavamananaina etỳ, anisan’izany ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Tantaraina ao amin’ny an-tsipiriany kokoa avy eo ny fomba namoronana ny lehilahy sy vehivavy voalohany.—Genesisy 2:7-25.

 Milaza ny Genesisy fa tao anatin’ny enina “andro” Andriamanitra no namorona. Tsy andro ara-bakiteny misy 24 ora ireo “andro” ireo, fa vanim-potoana ary tsy voafaritra ny halavany. Tsy voatery hidika hoe fotoana maharitra 24 ora foana mantsy ilay teny hoe “andro.” Izany, ohatra, no hita ao amin’ny Genesisy 2:4. Mitovy hevitra ilay teny hoe “andro” sy “fotoana” ao. Voalaza ao fa toy ny hoe iray “andro” ireo andro enina namoronan’Andriamanitra.

Hevi-diso momba ny Genesisy 1:1

 Hevi-diso: Vao an’arivony taona lasa izay Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao.

 Ny marina: Tsy lazain’ny Baiboly hoe oviana no noforonina izao rehetra izao. Tombanan’ny mpahay siansa hoe efa an’arivony tapitrisa taona izy io no nisy, ary tsy mifanipaka amin’izay voalazan’ny Genesisy 1:1 izany. c

 Hevi-diso: Telo izay iray Andriamanitra rehefa jerena ny Genesisy 1:1, satria amin’ny endriny milaza maro ilay teny hebreo nadika hoe “Andriamanitra” ao amin’io andininy io.

 Ny marina: Ilay anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra” dia avy amin’ny teny hebreo hoe ʼElôhim, izay amin’ny endriny milaza maro. Ilazana fahamboniana na fahatsarana izy io fa tsy habetsahan’olona. Milaza ny rakipahalalana New Catholic Encyclopedia fa “miaraka amin’ny matoanteny milaza tokana foana” ilay teny hoe ʼElôhim, hoatran’io ao amin’ny Genesisy 1:1 io, ka hita avy amin’izany hoe “fahatsarana no tiany holazaina fa tsy isa.”—Fanontana Faharoa, Boky Faha-6, pejy 272.

Vakio ny Genesisy toko 1, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.

b Avy amin’ny matoanteny hebreo hoe bara’ ilay teny nadika hoe “namorona” na “nahary.” Milaza ny HCSB Study Bible hoe: “Rehefa matoantenin’ny mpanao izy io dia tsy asa ataon’olombelona mihitsy no tiana holazaina. Noho izany, dia asa ataon’Andriamanitra ihany no tiana horesahina rehefa mampiasa an’ilay hoe bara’.”—Pejy 7.

c Izao no lazain’ny boky iray momba an’ilay teny hebreo nadika hoe “tany am-piandohana”: “Tsy voafaritr’io teny io hoe hafiriana ny halavan’ilay fotoana.”—The Expositor’s Bible Commentary Nohavaozina, Boky I, pejy 51.