Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Romanina 6:23: “Fahafatesana no Tambin’ny Ota; ary Fiainana Mandrakizay no Fanomezam-pahasoavana avy Amin’Andriamanitra”

Romanina 6:23: “Fahafatesana no Tambin’ny Ota; ary Fiainana Mandrakizay no Fanomezam-pahasoavana avy Amin’Andriamanitra”

 “Fahafatesana no tambin’ny ota, fa fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.”​—Romanina 6:23, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.”​—Romanina 6:23, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Romanina 6:23 holazaina?

 Nanazava i Paoly eo amin’io andininy io fa maty ny olombelona satria mpanota. Mampanantena zavatra tsara be ho an’ny mpanompony tsy mivadika anefa Andriamanitra. Homeny fiainana mandrakizay mantsy ry zareo.

 “Fahafatesana no tambin’ny ota.” Vao teraka ny olona dia efa tsy lavorary, ka lasa mora manota. a (Salamo 51:5; Mpitoriteny 7:20) Izay no mahatonga an-dry zareo tsy afa-miala fa tsy maintsy mihantitra sy maty.​—Romanina 5:12.

 Mba hanazavana an’izany, dia noharin’i Paoly tamin’ny mpampiasa mandoa ny karaman’ny mpiasany ny ota. Fantatr’ilay mpiasa fa hahazo karama amin’ny asa vitany izy, dia hoatr’izay koa fa efa ampoizin’ny olombelona hoe ho faty ry zareo satria manota.

 Nilaza koa anefa i Paoly hoe “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” (Romanina 6:7) Midika izany hoe rehefa maty ny olona iray, dia afaka amin’ny fahotana rehetra vitany izy. Tsy mitombina àry ilay hoe mbola mijalijaly any ho any ny maty satria hoe nanao ratsy izy tamin’ny mbola velona. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe tsy afaka mieritreritra na manao zavatra ry zareo sady tsy mahatsapa na inona na inona intsony.​—Mpitoriteny 9:5.

 “Fa fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy ... kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra fa tsy hoatran’ny “tambin’ny ota” na ny karama omen’ny ota. Azo adika hoe “fanomezana maimaim-poana” na “fanomezana amin-katsaram-panahy” ilay teny hoe “fanomezana” eto. Midika izany fa tsy mendrika ny hahazo an’ilay fanomezana mihitsy ilay olona omena azy. Tsy misy azon’ny olombelona mpanota atao mba hahazoana famonjena sy fiainana mandrakizay. (Salamo 49:7, 8) Na izany aza, dia omen’Andriamanitra fiainana mandrakizay maimaim-poana daholo izay rehetra maneho finoana an’i Jesosy.​—Jaona 3:16; Romanina 5:15, 18.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 6:23?

 Tamin’ny taona 56 tany ho any i Paoly no nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Roma. Nanana hevi-diso momba ny famindram-pon’Andriamanitra ny sasany tamin-dry zareo tamin’izany. Nino ny filozofia grika, ohatra, ny sasany dia nieritreritra hoe raha manao fahotana be dia be izy dia vao mainka hamindran’Andriamanitra fo. (Romanina 6:1) Ny hafa indray niteny hoe tsy ho voasazy ry zareo raha nanota satria efa tsy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony. (Romanina 6:15) Nohamafisin’i Paoly tao amin’ny taratasiny anefa hoe raha manaiky hofehezin’ny ota ny Kristianina dia tsy hamindra fo aminy mihitsy Andriamanitra.​—Romanina 6:12-14, 16.

 Manome toky ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao koa ireo tenin’i Paoly ireo fa tsy hoe tsy misy azo antenaina intsony ny aminy satria hoe efa mpanota izy hatramin’izy vao teraka. Mampanantena Andriamanitra fa homeny fiainana mandrakizay izay olona manaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena sy tsy manaiky hofehezin’ny ota.​—Romanina 6:22.

 Jereo ity video fohy ity raha tianao ho hita ny mombamomba ny bokin’ny Romanina.

a Araka ny Baiboly, dia “manota” ny olona iray rehefa manana toe-tsaina na manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra. (1 Jaona 3:4) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Ota?