Hijery ny anatiny

Ny Anaran’iza no Misoratra ao Amin’ny “Bokin’ny Fiainana”?

Ny Anaran’iza no Misoratra ao Amin’ny “Bokin’ny Fiainana”?

Valiny ara-baiboly

 “Ny bokin’ny fiainana”, izay antsoina koa hoe “horonam-bokin’ny fiainana” na “boky fahatsiarovana”, no mirakitra ny anaran’ny olona afaka mahazo fiainana mandrakizay. (Apokalypsy 3:5; 20:12; Malakia 3:16) Soratan’Andriamanitra ao ny anaran’ny olona mankatò azy sy tsy mivadika aminy.—Jaona 3:16; 1 Jaona 5:3.

 Tadidin’Andriamanitra daholo ireo olona tsy mivadika aminy, ka toy ny hoe soratany ao amin’ny boky iray ny anaran’izy ireo. Efa hatramin’ny “nanorenana izao tontolo izao” no nanaovany an’izany. (Apokalypsy 17:8) Ny anaran’ilay lehilahy nanam-pinoana atao hoe Abela, angamba, no voasoratra ao voalohany. (Hebreo 11:4) Tsy lisitra be fotsiny anefa izy io. Hita amin’io bokin’ny fiainana io kosa hoe Andriamanitra be fitiavana i Jehovah, ary ‘fantany’ ny olona manompo azy.—2 Timoty 2:19; 1 Jaona 4:8.

Azo fafana ao amin’ilay “bokin’ny fiainana” ve ireo anarana?

 Eny. Izao no nolazain’Andriamanitra, tamin’ireo Israelita tsy nankatò fahiny: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hovonoiko ao amin’ny bokiko.” (Eksodosy 32:33) Hijanona ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” foana anefa ny anarantsika raha tsy mivadika isika.—Apokalypsy 20:12.