Hijery ny anatiny

Iza moa i Jehovah?

Iza moa i Jehovah?

Valiny ara-baiboly

 Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Izy no namorona ny zava-drehetra. (Apokalypsy 4:11) Nanompo azy i Abrahama sy Mosesy, izay samy mpaminany. Nanompo azy koa i Jesosy. (Genesisy 24:27; Eksodosy 15:1, 2; Jaona 20:17) Andriamanitry ny “tany manontolo” i Jehovah, fa tsy Andriamanitry ny firenena iray fotsiny.—Salamo 47:2.

 Milaza ny Baiboly fa Jehovah no tena anaran’Andriamanitra. (Eksodosy 3:15; Salamo 83:18) Avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “tonga ho” izy io. Maromaro ny manam-pahaizana milaza fa midika izy io hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Mety tsara amin’i Jehovah izany satria Mpamorona izy sady Mpanatanteraka ny fikasany. (Isaia 55:10, 11) Manampy antsika koa ny Baiboly mba hahalala ny toetran’i Jehovah, indrindra fa ny fitiavana. Io no toetrany tena miavaka.—Eksodosy 34:5-7; Lioka 6:35; 1 Jaona 4:8.

 Ilay anarana amin’ny teny malagasy hoe Jehovah dia avy amin’ilay anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo hoe יהוה (YHWH). Tsy fantatra hoe ahoana no tena nanononana an’ilay anaran’Andriamanitra, tamin’ny teny hebreo fahiny. Efa ela be anefa no nampiasaina tamin’ny teny malagasy ny hoe “Jehovah.”

Nahoana no tsy fantatra ny fomba nanononana an’ilay anarana tamin’ny teny hebreo fahiny?

 Tsy nisy zanatsoratra ny soratra hebreo fahiny, fa renisoratra ihany. Tsy sarotra tamin’ny Jiosy fahiny ny nameno an’izay zanatsoratra nilaina tamin’ireo teny novakiny. Rehefa vita anefa ny Soratra Hebreo (“Testamenta Taloha”), dia nisy Jiosy lasa nihevitra hoe tsy mety ny manonona ny anaran’Andriamanitra. Nosoloany hoe “Tompo” na “Andriamanitra” ilay hoe Jehovah, rehefa namaky andinin-teny tamin’ny feo avo izy. Niely io finoanoam-poana io tatỳ aoriana, ka tsy fantatra intsony ny fomba nanononana an’ilay anarana. a

 Misy mihevitra fa tokony hoe “Iaveh” no hanononana an’ilay anarana. Misy anefa mihevitra fa hafa no tokony ho fanononana azy. Lazain’ny mpanoratra grika fahiny, ohatra, fa Iae, Iabe, ary Iaoe no tokony hanononana azy io. Iao kosa no hita ao amin’ny ampahany amin’ny Levitikosy amin’ny teny grika, ao amin’ny iray amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Tsy misy porofo hoe ireo no fomba nanononana an’ilay anarana tamin’ny teny hebreo fahiny. b

Hevi-diso momba ny anaran’Andriamanitra

 Hevi-diso: Tsy nisy hoe “Jehovah” tao amin’ny Baiboly tamin’ny voalohany, fa ireo nandika azy io tamin’ny fiteny hafa no nampiditra an’ilay hoe “Jehovah” tao.

 Ny tena marina: Efa tao amin’ny Baiboly ilay anaran’Andriamanitra tamin’ny teny hebreo. Im-7000 teo ho eo mihitsy aza ilay izy no niverimberina tao. c Fanahy iniana nesorina tao amin’ny ankamaroan’ireo Baiboly nadika ilay anarana, ary nosoloana anaram-boninahitra, toy ny hoe “Tompo.”

 Hevi-diso: Tsy manana anarana manokana ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

 Ny tena marina: Andriamanitra mihitsy no nampanoratra ny anarany ao amin’ny Baiboly, ary nasainy naverina ao inarivony izy io. Mandidy ny mpivavaka aminy koa izy mba hampiasa ny anarany. (Isaia 42:8; Joela 2:32; Malakia 3:16; Romanina 10:13) Nomelohiny mihitsy aza ireo mpaminany sandoka, rehefa nanao izay hahatonga ny olona hanadino ny anarany.—Jeremia 23:27.

 Hevi-diso: Tokony harahina ny fomban’ny Jiosy, ka hesorina tsy ho ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra.

 Ny tena marina: Marina fa nisy mpanora-dalàna jiosy tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra. Tsy nesorin’izy ireo anefa izy io rehefa nandika Baiboly izy ireo. Tsy tian’Andriamanitra koa raha manaraka fomban’olombelona isika, nefa mandika ny didiny ilay izy.—Matio 15:1-3.

 Hevi-diso: Tsy tokony hatao ao anaty Baiboly ilay anarana, satria tsy tena fantatra ny fanononana an’ilay izy tamin’ny teny hebreo.

 Ny tena marina: Raha izany no izy, dia hoatran’ny te hilaza isika hoe tian’Andriamanitra hitovy ny fomba fanononan’ny olona ny anarany, na dia tsy mitovy fiteny aza izy ireo. Rehefa jerena anefa ny Baiboly, dia hita hoe samy hafa ny fomba nanononan’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ny anaran’ny olona iray, arakaraka ny fiteniny.

 Eritrereto, ohatra, ny anaran’ilay mpitsara israelita atao hoe Josoa. Yehôhshoaʽ no nanononan’ny Kristianina niteny hebreo azy io, tamin’ny taonjato voalohany. Iesos kosa no nanononan’ireo niteny grika azy io. Ilay anarana hebreo hoe Josoa nadika tamin’ny teny grika no hita ao amin’ny Baiboly. Midika izany fa izay fomba fanononana anarana nahazatra sy nety tamin’ny fitenin’izy ireo no nampiasain’ny Kristianina.—Asan’ny Apostoly 7:45; Hebreo 4:8.

 Hoatr’izany koa ny anaran’Andriamanitra. Tsy ny tena fanononana azy io no zava-dehibe, fa ny hoe hita ao amin’ny toerana tokony hisy azy ao amin’ny Baiboly izy io.

a Hoy ny New Catholic Encyclopedia, Fanontana Faharoa, Boky Faha-14, pejy 883-​884: ‘Taoriana kelin’ny niverenan’ny Jiosy avy tany an-tsesitany, dia noheverina fa masina loatra ilay anarana hoe Iaveh, ka nosoloana hoe ADÔNAI na ELÔHIM.’

b Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo”, ao amin’ny Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra.

c Jereo ny Theological Lexicon of the Old Testament, Boky Faha-2, pejy 523-​524.