Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hikaroka ao Amin’ny Baiboly sy Ireo Zavatra Misy: iOS

Hikaroka ao Amin’ny Baiboly sy Ireo Zavatra Misy: iOS

Afaka mikaroka teny na fehezanteny ao amin’ny Baiboly na ireo zavatra misy ianao, ao amin’ny JW Library.

Araho ireto toromarika ireto raha hanao fikarohana:

 Hikaroka ao amin’ny Baiboly

Azonao atao ny mitady teny na fehezan-teny ao amin’izay Baiboly vakinao.

Tsindrio ilay hoe Hikaroka rehefa mamaky Baiboly ianao, ary soraty eo izay teny tianao hokarohina. Misy soso-kevitra omeny anao rehefa manoratra ianao. Tsindrio ny soso-kevitra iray na ilay hoe Hikaroka amin’ny klavie mba hahitanao izay teny tadiavinao.

Azonao fidina ny fomba isehoan’ilay teny tadiavinao. Ilay hoe Fampiasa dia ahitanao ireo andinin-teny fampiasa matetika. Ilay hoe Andininy Rehetra kosa dia ahitanao ireo andinin-teny rehetra manaraka ny filaharan’ny boky ao amin’ny Baiboly. Ilay hoe Lahatsoratra dia ahitanao izay lahatsoratra misy an’ilay teny ao amin’ny teny fampidirana sy ny fanazavana fanampiny.

Raha teny maromaro no soratanao, dia asio marika ilay hoe Teny tena karohina mba ho ny teny tena tadiavinao ihany no ho hitanao.

 Hikaroka ao amin’ireo zavatra misy

Afaka mikaroka teny na fehezanteny ao amin’ny zavatra vakinao ianao.

Tsindrio ilay hoe Hikaroka eo am-pamakianao an’ilay izy, ary soraty eo izay teny tianao hokarohina. Misy soso-kevitra omeny anao rehefa manoratra ianao. Tsindrio ny soso-kevitra iray na ilay hoe Hikaroka amin’ny klavie mba hahitanao izay teny tadiavinao.

Raha teny maromaro no soratanao, dia asio marika ilay hoe Teny tena karohina mba ho ny teny tena tadiavinao ihany no ho hitanao.

 Hikaroka loha hevitra

Afaka mikaroka loha hevitra ao amin’ny Fandalinana ny Soratra Masina ianao, raha nadikanao io boky io. Azonao atao izany rehefa mamaky Baiboly na zavatra ao amin’ilay programa ianao.

Tsindrio ilay hoe Hikaroka, ary soraty avy eo izay loha hevitra tianao hotadiavina. Misy soso-kevitra avy ao amin’ny Fandalinana ny Soratra Masina koa omeny eo. Tsindrio ny loha hevitra iray raha tianao hosokafana.

Tao amin’ilay JW Library 1.3.4, nivoaka tamin’ny Oktobra 2014 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 6.0 na taorian’izay izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.