Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (Windows)

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (Windows)

Mandeha amin’izay fitaovana misy ny iray amin’ireto rafitra fikirakirana (systèmes d’exploitation) ireto ny JW Library:

  • Android 7.0 na ny taorian’izay

  • iOS 15.0 na ny taorian’izay

  • macOS M1 na macOS misy puce nivoaka farany

  • Windows 10 version 1903 na ny taorian’izay

Tsy maintsy ampiakarina indraindray ny fepetra takina amin’ny fampiasana an’ilay programa, raha tiana handeha tsara ilay izy mba ho voaro sy ho azo antoka foana ny JW Library. Mampirisika anao àry izahay mba hanao fanavaozana (mise à jour) ny fitaovana ampiasainao, mba hahatonga azy hanana ny rafitra fikirakirana farany indrindra. Raha tsy azo havaozina intsony ny fitaovanao, dia mbola mety handeha ny JW Library fa tsy hahazo an’ireo fanavaozana farany indrindra.

 

Mitombo foana ny fiteny ampiasana ny JW Library. Tsindrio ilay sary kely hoe Fiteny mba hahitana ny lisitry ny fiteny ahafahanao maka boky iray.

Ireo loko ireo dia mifandray amin’ireo fizarana valo, izay hazavaina ao amin’ny Fanontaniana 19 amin’ny Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra.

 

Mitovy ihany ny fomba fiasan’ny JW Library amin’izay fitaovana ampiasainao, amin’ny ankapobeny. Mety tsy hitovy anefa ny fotoana hivoahan’ny fanavaozana ny zavatra ao, arakaraka ny OS ampiasainao.

 

Tsia. Ao amin’izay fitaovana nasianao azy ihany no ahitanao ny mari-pitadidiana sy izay nosoritanao.

 

Olana: Rehefa manavao ny JW Library ampiasainao ianao, dia mety hahita hafatra hoe very ny naoty nosoratanao sy izay nosoritanao. Tsy hitanao ao amin’ilay izy intsony ny naoty, ny marika, ny tahiry, ary ny mari-pitadidiana.

Vahaolana: Mety mila manavao ny JW Library ampiasainao indray ianao. Alaivo ny JW Library nivoaka farany, ary araho ireo toromarika mipoitra eo amin’ilay izy mba hamerenana ny naoty nosoratanao sy izay nosoritanao.

 

Raha sahirana ianao rehefa maka raki-peo na video, dia araho ireo dingana eo ambany ireo mba ho azo antoka hoe mety tsara ny mombamomba ny video sy mozika ao amin’ny Windows sy ao amin’ny JW Library.

  1. Sokafy ny Explorateur de fichiers dia tsindrio ilay hoe Affichage. Tsindrio avy eo ilay hoe Volet de navigation ary fidio ilay hoe Afficher les bibliothèques.

  2. Tadiavo eo amin’ny ankavia ilay hoe Bibliothèques ary ataovy mipoitra ilay lisitra kely eo ambaniny.

  3. Tokony hahita hoe Musique sy Vidéos ianao. Raha tsy mahita an’ireo ianao, dia tsindrio ny ankavanan’ny souris eo amin’ilay hoe Bibliothèques, ary tsindrio avy eo ilay hoe Restaurer les bibliothèques par défaut.

  4. Tsindrio ny ankavanan’ny souris eo amin’ilay hoe Vidéos, dia tsindrio ilay hoe Propriétés ary raiso naoty izay toerana misoratra eo ambanin’ilay hoe Emplacement des bibliothèques. Hohamarininao ao amin’ny JW Library iny toerana iny avy eo. Tsindrio avy eo ilay hoe Rétablir les paramètres par défaut.

  5. Tsindrio ny ankavanan’ny souris eo amin’ilay hoe Musique, dia tsindrio ilay hoe Propriétés ary raiso naoty izay toerana misoratra eo ambanin’ilay hoe Emplacement des bibliothèques. Hohamarininao ao amin’ny JW Library iny toerana iny avy eo. Tsindrio avy eo ilay hoe Rétablir les paramètres par défaut.

Farany, dia araho ireto dingana ireto mba ho azo antoka hoe mety tsara koa ny mombamomba ny video sy mozika ao amin’ny JW Library:

  1. Sokafy ny JW Library, dia tsindrio ilay hoe Paramètres.

  2. Rehefa ao amin’ny Paramètres, dia hamarino hoe ilay toerana noraisinao naoty tao amin’ny Explorateur de fichiers no misoratra eo ambanin’ilay hoe Télécharger les fichiers audio dans ary toy izany koa ny eo ambanin’ilay hoe Télécharger les fichiers vidéo dans.

Raha mbola sahirana ihany ianao avy eo rehefa maka raki-peo na video, dia manandrama mamorona rakitra vaovao ao anatin’ilay hoe Musique sy Vidéos mba hahitana hoe manana alalana hitahiry rakitra ao amin’ireo ve ianao. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay fizarana hoe fanampiana (support) ao amin’ny Microsoft na manontania namana efa zatra mampiasa Windows.

 

Mety ho afaka hanampy anao ny olona iray mahay tsara ny JW Library. Raha tsy izany dia antsoy ny biraon’ny sampana akaiky anao.