Asan’ny Apostoly 19:1-41

  • Paoly tany Efesosy; nisy natao batisa indray (1-7)

  • Ny fampianarana nataon’i Paoly (8-10)

  • Nandroso ny fitoriana na dia betsaka aza no nifandray tamin’ny demonia (11-20)

  • Rotaka tany Efesosy (21-41)

19  Tamin’i Apolosy+ mbola tany Korinto, dia nitety ny afovoan-tany i Paoly ary nidina tany Efesosy.+ Nahita mpianatra vitsivitsy tao izy,  ka hoy izy: “Nahazo fanahy masina ve ianareo rehefa lasa mpino?”+ Dia namaly izy ireo hoe: “Izahay aza mbola tsy naheno mihitsy hoe misy an’izany fanahy masina izany.”  Hoy àry izy: “Fa inona no batisa nanaovana batisa anareo?” Dia namaly izy ireo hoe: “Ny batisan’i Jaona.”+  Ary hoy i Paoly: “Nanao batisa i Jaona mba hampisehoan’ny olona fa efa nibebaka izy ireo.+ Nilaza tamin’ny olona izy mba hino an’ilay ho tonga ao aorianany,+ dia i Jesosy.”  Rehefa naheno an’izany izy ireo, dia natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo.  Dia nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina rehefa nametra-tanana+ taminy i Paoly. Koa niteny tamin’ny fiteny samihafa izy ireo sady naminany.+  Nisy 12 lahy teo ho eo izy ireo tamin’ny fitambarany.  Dia niditra tao amin’ny synagoga+ i Paoly ary sahy nitory tao nandritra ny telo volana. Nandaha-teny sy nandresy lahatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra+ izy.  Tsy nety nino azy mihitsy anefa ny sasany,* fa nanaratsy Ny Lalana*+ teo anatrehan’ny vahoaka. Niala teo amin’izy ireo àry izy,+ dia nentiny ny mpianatra, ary nandaha-teny isan’andro tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano izy. 10  Naharitra roa taona izany, ka nandre ny tenin’ny Tompo daholo izay nipetraka tany amin’ny faritanin’i Azia, na Jiosy na Grika. 11  Ary mbola nanao fahagagana miavaka tamin’ny alalan’i Paoly foana Andriamanitra.+ 12  Koa na ny lamba sy ny aron’akanjo nikasika tamin’ny vatany aza no nentina tany amin’ny marary,+ dia sitrana ny aretina ary nivoaka ny fanahy ratsy.+ 13  Nisy Jiosy nandehandeha namoaka demonia anefa mba niezaka niantso ny anaran’i Jesosy Tompo koa, rehefa nahita olona nisy fanahy ratsy. Hoy izy ireo: “Mandidy mafy anareo amin’ny alalan’i Jesosy, ilay torin’i Paoly, aho mba hivoaka!”+ 14  Nisy fito mirahalahy, zanaky ny lehiben’ny mpisorona jiosy atao hoe Skeva, nanao hoatr’izany. 15  Namaly azy ireo anefa ny fanahy ratsy hoe: “Fantatro i Jesosy,+ ary fantatro koa i Paoly,+ fa mba iza kosa ianareo?” 16  Dia niantoraka teny amin’izy ireo ilay lehilahy nisy fanahy ratsy ka niady tamin’izy ireo, dia naharesy azy ireo tsirairay. Koa lasa nandositra niala tao amin’izany trano izany izy ireo, sady nitanjaka no naratra. 17  Lasa fantatry ny olona rehetra nipetraka tao Efesosy izany, na Jiosy na Grika. Dia natahotra daholo ny rehetra ka vao mainka nomem-boninahitra ny anaran’i Jesosy Tompo. 18  Ary maro tamin’ireo lasa mpino no tonga ka niaiky ampahibemaso an’izay nataony sy nitantara an’izany tamim-pahatsorana. 19  Betsaka tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina koa no nanangona ny bokiny, dia nandoro an’izany teo anatrehan’ny rehetra.+ Ary nataon’izy ireo kajikajy ny mety ho vidiny, ka hitany fa nitentina 50 000 izany.* 20  Noho ny herin’i Jehovah* àry, dia mbola niely be foana ny teniny sady vao mainka nisy heriny be tamin’ny olona.+ 21  Taorian’ny nitrangan’izany rehetra izany, dia tapa-kevitra ny ho any Jerosalema+ i Paoly, rehefa avy namakivaky an’i Makedonia+ sy Akaia. Hoy izy: “Tsy maintsy mankany Roma+ koa aho rehefa avy any Jerosalema.” 22  Koa nirahiny ho any Makedonia ny roa tamin’ireo nikarakara azy, dia i Timoty+ sy Erasto.+ Izy kosa mbola nijanona kelikely tany amin’ny faritanin’i Azia. 23  Nisy korontana be+ momba Ny Lalana,*+ tamin’izay fotoana izay. 24  Nanamboatra tempoly kelin’i Artemisy tamin’ny volafotsy mantsy ny lehilahy atao hoe Demetrio, izay mpanefy volafotsy, ka nahatonga ny mpanao asa tanana hahazo vola be.+ 25  Dia novorin’i Demetrio izy ireo sy ny mpanao asa tanana hafa, ka hoy izy: “Fantatrareo tsara fa ity asa ity no mampanan-karena antsika. 26  Hitanareo sy henonareo anefa izao fa tsy teto Efesosy+ ihany, fa saika eran’ny faritanin’i Azia mihitsy ilay Paoly iny no nandresy lahatra vahoaka maro sy nampiova hevitra azy ireo. Tsy tena andriamanitra, hono, ny andriamanitra nataon-tanana.+ 27  Koa tsy ity asantsika ity ihany no atahorana ho ratsy laza, fa hoheverin’ny olona ho tsy misy dikany koa ny tempolin’i Artemisy andriamanibavy lehibe. Dia ho very hasina ilay andriamanibavy, izay ivavahana eran’ny faritanin’i Azia sy ny tany misy mponina.” 28  Tezitra be ny olona rehefa naheno an’izany ka niantsoantso hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” 29  Koa nisahotaka ny iray tanàna, ary indray nirohotra niditra tao an-kianja filalaovana tantara an-tsehatra izy rehetra. Dia notaritaritiny ho any koa i Gaio sy Aristarko,+ Makedonianina roa lahy niara-dia tamin’i Paoly. 30  Te hiditra tao amin’ilay kianja i Paoly mba hiresaka amin’ilay vahoaka, fa tsy navelan’ny mpianatra. 31  Na ny sasany tamin’ireo mpikarakara fety sy lalao, izay tsara fanahy tamin’i Paoly, aza dia nandefa hafatra ho any aminy ka niangavy azy mba tsy hiditra ao amin’ilay kianja sao hahita loza. 32  Niantsoantso mantsy ny olona tao, ka hafa no nolazain’ny sasany, ary hafa no nolazain’ny sasany. Fa nisahotaka ny vahoaka tafavory tao, ary tsy fantatry ny ankamaroany akory izay antony nahatongavany teo. 33  Dia natositosiky ny Jiosy ho any aloha i Aleksandra, ka nentin’ny olona niala teo amin’ny vahoaka. Ary nanao fihetsika tamin’ny tanany i Aleksandra mba hampanginana ny vahoaka, satria te hilaza ny fiarovan-tenany. 34  Vao fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy, dia niara-niantsoantso mafy izy rehetra nandritra ny adiny roa teo ho eo hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” 35  Nahavita nampangina ny vahoaka ihany ny ben’ny tanàna tamin’ny farany, ka hoy izy: “Ry Efesianina, iza tokoa moa no tsy mahalala hoe ny tanànan’ny Efesianina no mpiambina ny tempolin’i Artemisy lehibe sy ilay sary latsaka avy any an-danitra? 36  Koa satria tsy azo iadian-kevitra izany, dia tokony ho tony ianareo ka tsy ho maimaika hanao zavatra. 37  Fa ireo lehilahy nentinareo eto ireo, dia sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpanevateva ny andriamanibavintsika. 38  Raha te hitory olona àry i Demetrio+ sy ny mpanao asa tanana namany, dia eo ny andro fitsarana ary eo koa ny governoram-paritra.* Dia any ry zareo no tokony hifampitory. 39  Raha mitady zavatra hafa ankoatra izany kosa ianareo, dia amin’ny fivoriana mahazatra no tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ny amin’izany. 40  Fa raha izay niseho androany izay dia tena mety hampangaina ho mampirisika olona hikomy amin’ny fanjakana isika. Tsy misy antony marim-pototra azontsika omena mantsy mba hanazavana hoe inona no nahatonga an’izao savorovoro izao.” 41  Rehefa avy nilaza an’izany izy, dia noravany ny vahoaka.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “Mbola nanamafy ny fony ihany anefa ny sasany sady tsy nino.”
Vola vita tamin’ny volafotsy ilay resahina eto.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.T.
Jereo F.T.