Asan’ny Apostoly 28:1-31

  • Tonga teny an-tanety tao Malta (1-6)

  • Nositranina ny rain’i Poplio (7-10)

  • Handeha ho any Roma (11-16)

  • Niresaka tamin’ny Jiosy tany Roma i Paoly (17-29)

  • Nitory nandritra ny roa taona i Paoly ary tena sahy izy (30, 31)

28  Rehefa tonga soa aman-tsara teny an-tanety izahay vao nahafantatra fa Malta+ no anaran’ilay nosy.  Hafa ny fitenin’ireo mponina tao, ary tsara fanahy be* taminay izy ireo. Nandrehitra afo izy ireo ary nandray tsara anay rehetra, satria avy ny orana sady nangatsiaka ny andro.  Rehefa nanangona kitay sy nisorona afo anefa i Paoly, dia nisy bibilava misy poizina nivoaka avy tao, noho ny hafanana, ka niraikitra tamin’ny tanany.  Vao hitan’ireo olona ireo ilay bibilava nikirazorazo teo amin’ny tanany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na tonga soa aman-tsara avy teny an-dranomasina aza izy, dia tsy namela azy ho velona ny Rariny.”*  Nakifik’i Paoly tao anaty afo anefa ilay bibilava, ary tsy naninon-tsy naninona izy.  Fa ny olona kosa niandriandry hoe hivontovonto izy na hiankarapoka ho faty tampoka. Rehefa niandry ela anefa izy ireo ary nahita fa tsy naninona izy, dia niova hevitra ka nilaza fa andriamanitra i Paoly.  Ary nanana tany maromaro teo amin’ny manodidina an’izany toerana izany ny lehiben’ilay nosy. Poplio no anarany, ary nandray tsara anay izy ka nampiantrano anay nandritra ny telo andro.  Nandamaka teo am-pandriana ny rain’i Poplio fa nanavy sady nivalan-dra. Dia nankao aminy i Paoly ary nivavaka sy nametra-tanana taminy ka nanasitrana azy.+  Tonga teo amin’i Paoly koa ny marary hafa tao amin’ilay nosy taorian’izay, ka nositraniny.+ 10  Nanome voninahitra anay koa izy ireo ka nanolotra fanomezana be dia be. Ary rehefa hanainga ilay sambo handehananay, dia nataon’izy ireo tao anaty sambo izay rehetra nilainay. 11  Telo volana tatỳ aoriana, dia nandray sambo izahay ary nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy” teo amin’ny lohan’izy io. Avy tany Aleksandria ilay sambo ary nijanona tao amin’ilay nosy nandritra ny ririnina. 12  Tonga tao amin’ny seranan’i Syrakosa izahay ka nijanona telo andro tao. 13  Lasa izahay avy eo ka tonga tao Regioma. Ary nifofofofo ny rivotra avy any atsimo ny ampitson’iny, ka ny afakampitso izahay dia efa tonga tao Potioly. 14  Nahita rahalahy izahay tao, ary niangavy anay izy ireo mba hijanona fito andro teo amin’izy ireo. Nankany Roma izahay avy eo. 15  Rehefa naheno ny momba anay ny rahalahy tany, dia nitsena anay hatrany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo. Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vao nahita an’ireo, ary nahazo hery.+ 16  Ela ny ela ka niditra tao Roma ihany izahay. Dia navela hitokan-trano i Paoly, ary nisy miaramila iray nasaina niambina azy. 17  Telo andro taorian’izay anefa, dia nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy izy. Rehefa tafavory izy ireo, dia hoy izy: “Ry rahalahy, gadra avy any Jerosalema aho ary natolotra teo an-tanan’ny Romanina,+ na dia tsy nanao zavatra tsy nety tamin’olona sy nifanohitra tamin’ny fanaon’ny razambentsika+ aza. 18  Te hanafaka ahy ihany ny Romanina rehefa avy nanao famotorana,+ satria tsy nisy antony tokony hamonoana ahy ho faty.+ 19  Tsy nanaiky an’izany mihitsy anefa ny Jiosy, ka voatery nampakatra an’ilay raharaha any amin’i Kaisara aho,+ fa tsy hoe misy zavatra iampangako ny fireneko akory. 20  Koa izany no nahatonga ahy hangataka ny hihaona sy hiresaka aminareo, satria noho ny fanantenan’ny Israely no mahatonga ahy ho voafatotr’ity rojo vy ity.”+ 21  Dia hoy izy ireo: “Tsy naharay taratasy avy tany Jodia momba anao izahay, sady tsy nisy rahalahy tonga avy any nitantara na nilaza zava-dratsy momba anao. 22  Tianay anefa ny haheno ny hevitrao, satria raha ny amin’io sekta*+ io, dia fantatray fa haratsiratsin’ny olona hatraiza hatraiza izy io.”+ 23  Koa nanao fotoana tamin’i Paoly izy ireo, ary vao mainka maro kokoa no tonga tao an-tranony. Dia nohazavain’i Paoly tsara* tamin’izy ireo ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny maraina mandra-paharivan’ny andro. Te handresy lahatra azy ireo momba an’i Jesosy+ mantsy izy, ka nampiasa ny Lalàn’i Mosesy+ sy izay noresahin’ny Mpaminany.+ 24  Ary nino an’izay nolazainy ny sasany, fa ny sasany kosa tsy nino. 25  Dia tsy nifanara-kevitra izy ireo ka niala tsikelikely, fa i Paoly kosa niteny fotsiny hoe: “Marina mihitsy ny tenin’ny fanahy masina tamin’ny razambenareo, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, 26  hoe: ‘Mandehana any amin’ity vahoaka ity ka lazao hoe: “Haheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+ 27  Fa efa lasa donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa naheno ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, amin’izay ny masony tsy hahita mihitsy, ary ny sofiny tsy haheno mihitsy. Amin’izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan’izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.”’+ 28  Aoka àry ho fantatrareo fa hambara any amin’ny hafa firenena izany famonjena avy amin’Andriamanitra izany.+ Azo antoka fa hihaino ny fitoriana momba an’izany izy ireny.”+ 29  *—— 30  Koa nipetraka roa taona katroka tao amin’ny trano nohofany+ i Paoly, ary nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy. 31  Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo izy ary nampianatra momba an’i Jesosy Kristy Tompo. Tena sahy+ izy rehefa nanao an’izany sady tsy nisy nanakantsakana.

Fanamarihana

Na: “ary tia olona ka tsara fanahy.”
Grika: Dike, mety ho ilay andriamanibavin’ny rariny izay mpamaly ny ratsy natao, na ilazana ny rariny amin’ny ankapobeny.
Jereo F.T.
Na: “notorin’i Paoly tamin’ny fomba feno.”
Jereo F.F. A3.