Nosoratan’i Lioka 11:1-54

  • Fomba fivavaka (1-13)

    • Vavaka modely (2-4)

  • Rantsantanan’Andriamanitra no amoahana demonia (14-23)

  • Fanahy maloto niverina (24-26)

  • Ny tena mahasambatra (27, 28)

  • Famantarana ny amin’i Jona (29-32)

  • Jiron’ny vatana (33-36)

  • Hahita loza ny mpivavaka mihatsaravelatsihy (37-54)

11  Nivavaka tao amin’ny toerana iray i Jesosy, indray mandeha. Ary rehefa avy nivavaka izy, dia hoy ny mpianany anankiray: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay, hoatran’ny nampianaran’i Jaona ny mpianany.”  Koa niteny tamin’izy ireo izy hoe: “Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô, hohamasinina* anie ny anaranao!+ Ho tonga anie ny Fanjakanao!+  Omeo anay isan’andro izay sakafo* ilainay isan’andro.+  Ary mamelà ny helokay,+ fa izahay koa mba mamela an’izay nanota* taminay.+ Ary aza avela ho resin’ny fakam-panahy+ izahay.’”*  Hoy izy avy eo: “Andao hatao hoe mana-namana ny iray aminareo, ary mandeha mankany amin’ilay namany amin’ny misasakalina, dia miteny aminy hoe: ‘Mba ampisambory mofo telo aho,  fa misy namako vao tonga avy nanao dia lavitra ao amiko, nefa tsy manana haroso azy aho.’  Mamaly avy ao an-trano anefa ilay iray hoe: ‘Aza helingelenina intsony aho! Efa mihidy ny varavarana, sady efa miaraka amiko eto am-pandriana ny zanako kely, dia tsy afaka mitsangana manome zavatra anao aho.’  Lazaiko aminareo fa na tsy hitsangana hanome zavatra azy aza izy, amin’ny maha mpinamana azy ireo, dia hitsangana ihany ka hanome an’izay ilainy, satria be fikirizana+ ilay namany.  Izao àry ny teniko aminareo: Mangataha foana,+ dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.+ 10  Fa izay mangataka no mahazo,+ ary izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana. 11  Fa ray iza eo aminareo moa raha angatahan’ny zanany trondro, no hanome azy bibilava fa tsy trondro?+ 12  Na raha angatahan’ny zanany atody no hanome azy maingoka? 13  Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala manome zavatra tsara ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy izy.”+ 14  Taoriana kelin’izay, dia namoaka demonia nahatonga ny lehilahy iray ho moana+ izy. Rehefa nivoaka ilay demonia dia lasa afaka niteny ilay lehilahy moana, ka gaga ny vahoaka.+ 15  Hoy anefa ny olona sasany: “I Belzeboba* lehiben’ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.”+ 16  Ny hafa kosa nangataka famantarana+ taminy avy tany an-danitra, mba hitsapana azy. 17  Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo,+ ka hoy izy: “Hirodana izay fanjakana miady an-trano, ary ho rava izay fianakaviana miady an-trano. 18  Hoatr’izany koa fa raha miady an-trano i Satana, dia ahoana no haharetan’ny fanjakany? Milaza mantsy ianareo hoe i Belzeboba no ahavitako mamoaka demonia. 19  Raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, dia amin’ny alalan’iza àry no amoahan’ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo. 20  Fa raha ny rantsantanan’Andriamanitra+ kosa no amoahako demonia, dia efa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo akory.*+ 21  Raha matanjaka sy mirongo fiadiana ny lehilahy iray miambina ny lapany, dia ho voaro ny fananany. 22  Raha tonga manafika azy anefa ny olona iray matanjaka noho izy ka mandresy azy, dia ho lasan’io daholo ny fitaovam-piadiana rehetra nitokisany, ka hozarazarain’io izay zavatra nalainy teny aminy. 23  Izay tsy manohana ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko dia manaparitaka.+ 24  “Rehefa mivoaka avy ao amin’ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina mba hitady toerana hialana sasatra. Ary rehefa tsy mahita izy, dia miteny hoe: ‘Andeha hiverina any amin’ilay trano nialako aho.’+ 25  Rehefa tonga izy, dia hitany fa efa voafafa madio sady voaravaka ilay trano. 26  Dia lasa izy maka fanahy fito hafa ratsy noho izy. Dia miditra izy ireo ka mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hiafaran’ilay olona.” 27  Raha mbola niteny an’izany izy, dia nisy vehivavy avy tao amin’ny vahoaka niteny mafy hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao, sy ny nono izay ninonoanao!”+ 28  Fa hoy izy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!”+ 29  Ary nihamaro ny vahoaka nitangorona, ka nanomboka niteny izy hoe: “Taranaka ratsy fanahy ity taranaka ity. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona.+ 30  Lasa famantarana ho an’ny mponin’i Ninive mantsy i Jona,+ ka ho toy izany koa ny Zanak’olona ho an’ity taranaka ity. 31  Hiaraka hatsangana amin’ny olona anisan’ity taranaka ity ny mpanjakavavin’ny atsimo+ amin’ny Andro Fitsarana ka hanameloka an’ireo. Avy any amin’ny faran’ny tany mantsy izy no tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona. Misy lehibe noho i Solomona anefa eto.+ 32  Hiaraka hitsangana amin’ity taranaka ity ny mponin’i Ninive amin’ny Andro Fitsarana ka hanameloka azy. Nibebaka mantsy izy ireo rehefa nitory taminy i Jona.+ Misy lehibe noho i Jona anefa eto. 33  Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka an’ilay izy any amin’ny takona na ao ambany sobika,* fa eo amin’ny fitoeran-jiro,+ mba hahita hazavana ny olona miditra ao amin’ilay efitra. 34  Ny masonao no jiron’ny vatanao. Koa raha mifantoka tsara* ny masonao, dia hazava tsara* ny tenanao manontolo. Fa raha mitsiriritra* kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao.+ 35  Mitandrema àry sao dia lasa haizina ny hazavana ao anatinao. 36  Koa raha mazava ny tenanao manontolo ka tsy misy maizina mihitsy, dia hazava toy ny hoe tarafin’ny jiro ny tenanao manontolo.” 37  Nangataka azy mba hiara-misakafo aminy ny Fariseo iray, rehefa avy niteny an’izany izy. Dia niditra izy, ary naka toerana* teo amin’ny latabatra. 38  Gaga anefa ilay Fariseo rehefa nahita fa tsy nisasa* izy talohan’ny sakafo.+ 39  Fa hoy ny Tompo taminy: “Hoatran’ny kaopy sy vilia madio ivelany ianareo Fariseo,* nefa ao anatinareo ianareo tsy mety afa-po sady ratsy fanahy.+ 40  Ry tsy misaina, tsy izay nanao ny anatiny ihany ve no nanao ny ivelany? 41  Fa izay ao am-ponareo no omeo mba hiantrana ny* mahantra, dia hadio ny zava-drehetra momba anareo. 42  Fa hahita loza ianareo Fariseo, satria manome ny ampahafolon’ny solila sy ny rota ary ny zavamaniry mani-pofona* hafa rehetra+ ianareo, nefa tsy raharahianareo ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra! Tsy maintsy omenareo ny ampahafolon’ireny, nefa tsy maintsy ataonareo koa ireo zavatra hafa ireo.+ 43  Hahita loza ianareo Fariseo, satria tianareo ny toerana eny aloha* ao amin’ny synagoga sy ny hoarahabaina eny an-tsena!+ 44  Hahita loza ianareo, satria hoatran’ny fasana tsy hita tsara*+ ka hitsahin’ny olona nefa tsy fantany akory!” 45  Hoy ny navalin’ny olona iray anisan’ireo nahay Lalàna: “Mpampianatra ô, manala baraka anay koa izany teninao izany!” 46  Fa hoy i Jesosy: “Hahita loza koa ianareo mahay Lalàna, satria ampitondrainareo entana sarotra entina ny olona, nefa ianareo tsy mikasika an’izany na dia amin’ny rantsantananareo anankiray aza!+ 47  “Hahita loza ianareo, satria manorina ny fasan’ny mpaminany, nefa ny razambenareo no namono azy ireny!+ 48  Vavolombelona mahafantatra an’izay nataon’ny razambenareo tokoa ianareo, nefa mankasitraka an’izany. Ireny mantsy no namono ny mpaminany,+ fa ianareo kosa no manorina ny fasany. 49  Izany koa no nahatonga an’ilay Andriamanitra hendry* hilaza hoe: ‘Haniraka mpaminany sy apostoly any amin’izy ireo aho. Hisy amin’izy ireny hovonoiny sy henjehiny, 50  mba ho ity taranaka ity no ho tompon’andraikitra* amin’ny ran’ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao,+ 51  nanomboka tamin’ny ran’i Abela+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tranon’Andriamanitra.’*+ Lazaiko aminareo tokoa fa hatao tompon’andraikitra* amin’izany ity taranaka ity. 52  “Hahita loza ianareo mahay Lalàna, satria nalainareo ny lakilen’ny fahalalana. Ianareo tsy niditra, nefa izay handeha hiditra tadiavinareo hosakanana!”+ 53  Koa rehefa niala tao izy, dia nitambaran’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, ary nototofan’izy ireo fanontaniana hafa be dia be. 54  Niandry kendry tohina izy ireo, mba hamandrihana azy amin’izay zavatra mety hoteneniny.+

Fanamarihana

Na: “hatao masina; hohajaina satria masina.”
Abt: “mofo.”
Abt: “nitrosa.”
Abt: “Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.”
Anarana iantsoana an’i Satana.
Abt: “efa tratran’ny Fanjakan’Andriamanitra ianareo.”
Na: “sobika famarana.”
Na: “mahita tsara.” Abt: “raha tsotra.”
Na: “ho feno hazavana.”
Abt: “ratsy.”
Na: “nandry ilika.”
Izany hoe tsy nidio araka ny takin’ny Lalàna.
Na: “Diovinareo Fariseo ny ivelan’ny kaopy sy vilia.”
Na: “omeo ho an’ny.” Jereo F.T. “Fiantrana ny mahantra.”
Na: “anana.”
Na: “toerana tsara indrindra.”
Na: “tsy misy famantarana.”
Abt: “ny fahendren’Andriamanitra.”
Na: “hatao ampamoaka.”
Na: “ny tempoly.”
Na: “ampamoaka.”