Nosoratan’i Lioka 4:1-44

  • Naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly (1-13)

  • Nanomboka nitory tany Galilia i Jesosy (14, 15)

  • Tsy tian’ny olona tao Nazareta i Jesosy (16-30)

  • Tao amin’ny synagoga tao Kapernaomy (31-37)

  • Nositranina ny rafozambavin’i Simona sy ny olon-kafa (38-41)

  • Nahita an’i Jesosy tany amin’ny toerana mitokana ny vahoaka (42-44)

4  Dia niala teo amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, sady feno fanahy masina. Ary nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra+ izy, ka nivezivezy tany  nandritra ny 40 andro. Dia naka fanahy azy ny Devoly.+ Tsy nihinan-kanina izy nandritra an’izany fotoana izany, ka noana rehefa tapitra ireo andro ireo.  Koa niteny taminy ny Devoly hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno io vato io mba ho lasa mofo.”  Fa hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy.’”+  Koa nentin’ny Devoly niakatra teny an-tendrombohitra izy, ka nasehony azy vetivety ny fanjakana rehetra eran-tany.+  Dia hoy ny Devoly: “Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy+ izany ka omeko an’izay tiako homena azy.  Koa raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao daholo izany.”  Fa hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah* Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’”*+  Nitondra azy nankany Jerosalema ny Devoly avy eo, dia nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny* tempoly. Ary hoy izy taminy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any,+ 10  fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny mba hiaro anao’, 11  ary ‘hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato ny tongotrao.’”+ 12  Fa hoy ny navalin’i Jesosy: “Voalaza hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah* Andriamanitrao.’”+ 13  Rehefa avy naka fanahy azy tamin’izany fomba rehetra izany ny Devoly, dia niala teo aminy mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.+ 14  Dia niverina tany Galilia+ i Jesosy, ary feno herin’ny fanahy izy. Ary tsara laza izy ka niely nanerana ny faritra rehetra manodidina ny lazany. 15  Nampianatra tao amin’ny synagogan’izy ireo izy, ka nomen’ny rehetra voninahitra. 16  Dia nankany Nazareta,+ tanàna nahalehibe azy, izy ary niditra tao amin’ny synagoga+ hoatran’ny fanaony rehefa andro sabata, ka nitsangana hamaky teny. 17  Koa natolotra azy ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany, ary nosokafany ka notadiaviny izay nisy an’ilay soratra hoe: 18  “Ny fanahin’i Jehovah* no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy. Nirahiny aho mba hanambara hoe ho afaka ny babo ary hahiratra ny jamba. Nirahiny koa aho mba hanafaka sy handefa an’ireo ampahorina,+ 19  ary mba hitory ny taona fanehoan’i Jehovah* fankasitrahana.”+ 20  Nahorony ilay horonam-boky avy eo, dia naveriny tamin’ny mpikarakara ary nipetraka izy. Ary nijery tsara azy izay rehetra tao amin’ny synagoga. 21  Dia hoy izy: “Androany no tanteraka ilay andinin-teny vao henonareo teo.”+ 22  Nidera azy daholo ny rehetra, ary gaga noho ny teny mahafinaritra nolazain’ny vavany,+ ka hoy izy ireo: “Tsy zanak’i Josefa ve io e?”+ 23  Hoy i Jesosy: “Efa fantatro fa hampiharinareo amiko ilay fitenenana hoe: ‘Dokotera ô, sitrano aloha ny tenanao. Ataovy eto amin’ny faritra niavianao koa ny zavatra henonay hoe nataonao tany Kapernaomy.’”+ 24  Dia niteny koa izy hoe: “Lazaiko marina aminareo fa ao amin’ny faritra niaviany+ ihany ny mpaminany no tsy tian’ny olona. 25  Lazaiko marina aminareo, ohatra, fa be dia be ny vehivavy mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, rehefa nihantona telo taona sy tapany ny orana, ka nisy mosary mafy nanerana an’ilay tany.+ 26  Tsy tany amin’ny anankiray tamin’ireny anefa i Elia no nirahina, fa tany amin’ny vehivavy mpitondratena iray tany Zarefata any Sidona+ ihany. 27  Nisy boka maro koa teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany. Tsy nisy nodiovina* anefa izy ireny na iray aza, afa-tsy i Namàna Syrianina.”+ 28  Tezitra be izay rehetra naheno an’izany tao amin’ny synagoga,+ 29  ka nitsangana ary nandroaka azy ho any ivelan’ny tanàna. Ary nentin’izy ireo tany an-tampon’ilay tendrombohitra niorenan’ny tanànan’izy ireo izy, mba hazera tany amin’ny tevana. 30  Namakivaky teo afovoan’izy ireo anefa izy ka lasa.+ 31  Dia nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, izy. Ary nampianatra ny olona tamin’ny Sabata+ izy, 32  ka gaga ny olona tamin’ny fomba fampianany,+ satria niteny toy ny olona manana fahefana izy. 33  Ary nisy lehilahy nipetrahan’ny fanahy maloto, na demonia, tao amin’ny synagoga. Nikiakiaka mafy+ izy hoe: 34  “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga atỳ ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!” 35  Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, dia mivoaha aminy!” Koa nivoaka ilay demonia rehefa avy nampianjera an’ilay lehilahy teo afovoan’ny olona, nefa tsy nandratra azy. 36  Dia gaga izy rehetra ka nifampiresaka hoe: “Misy heriny be mihitsy ny teniny! Tena manana fahefana sy hery izy, fa na ny fanahy maloto aza baikoiny fotsiny dia mivoaka!” 37  Koa niely nanerana ny faritra manodidina ny vaovao momba azy. 38  Rehefa avy niala tao amin’ny synagoga izy, dia nankao an-tranon’i Simona. Nanavy be ny rafozambavin’i Simona, ka nangataka an’i Jesosy izy ireo mba hanampy azy.+ 39  Koa nitsangana teo akaikin’ilay ramatoa izy, ary noteneniny mafy ilay fanaviana dia afaka. Tonga dia niarina ilay ramatoa ary nikarakara sakafo ho an’ireo. 40  Rehefa hilentika ny masoandro, dia nitondra ny marariny tany aminy izay rehetra nanana marary voan’ny aretina samihafa. Nametra-tanana tamin’ny tsirairay tamin’ireny izy, ka nositraniny izy ireny.+ 41  Nivoaka koa ny demonia tamin’ny olona maro, ka niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.”+ Noteneniny mafy anefa ireny ka tsy navelany hiteniteny,+ satria fantatr’ireny fa izy no Kristy.+ 42  Rehefa maraina ny andro, dia niala teo izy ka nankany amin’ny toerana mitokana.+ Nikaroka* azy anefa ny vahoaka, dia tonga tany amin’izay nisy azy. Ary nitady hitazona azy izy ireo, mba tsy hialany teo aminy. 43  Hoy anefa izy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.”+ 44  Nanohy nitory tao amin’ireo synagoga tany Jodia àry izy.

Fanamarihana

Jereo F.F. A5.
Na: “ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”
Na: “teo amin’ny arofanin’ny; teo amin’ny fara tampon’ny.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “nositranina.”
Na: “Fa misy zavatra iombonanay aminao angaha moa.”
Na: “Nanao haza lambo.”