Nosoratan’i Matio 1:1-25

  • Tetirazan’i Jesosy Kristy (1-17)

  • Ny nahaterahan’i Jesosy (18-25)

1  Ny boky mirakitra ny tantaran’i* Jesosy Kristy,* zanak’i Davida,+ zanak’i Abrahama:+   I Abrahama niteraka an’i Isaka;+Isaka niteraka an’i Jakoba;+Jakoba niteraka an’i Joda+ sy ny rahalahiny;   Joda niteraka an’i Pereza sy Zera+ tamin’i Tamara;Pereza niteraka an’i Hezrona;+Hezrona niteraka an’i Rama;+   Rama niteraka an’i Aminadaba;Aminadaba niteraka an’i Nasona;+Nasona niteraka an’i Salmona;   Salmona niteraka an’i Boaza tamin’i Rahaba;+Boaza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;+Obeda niteraka an’i Jese;+   Jese niteraka an’i Davida+ Mpanjaka; Davida niteraka an’i Solomona+ tamin’ny vadin’i Oria;   Solomona niteraka an’i Rehoboama;+Rehoboama niteraka an’i Abia;Abia niteraka an’i Asa;+   Asa niteraka an’i Josafata;+Josafata niteraka an’i Jorama;+Jorama niteraka an’i Ozia;   Ozia niteraka an’i Jotama;+Jotama niteraka an’i Ahaza;+Ahaza niteraka an’i Hezekia;+ 10  Hezekia niteraka an’i Manase;+Manase niteraka an’i Amona;+Amona niteraka an’i Josia;+ 11  Josia+ niteraka an’i Jekonia+ sy ny rahalahiny, tamin’ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;+ 12  Jekonia niteraka an’i Sealtiela tany Babylona;Sealtiela niteraka an’i Zerobabela;+ 13  Zerobabela niteraka an’i Abihoda;Abihoda niteraka an’i Eliakima;Eliakima niteraka an’i Azora; 14  Azora niteraka an’i Zadoka;Zadoka niteraka an’i Akima;Akima niteraka an’i Elihoda; 15  Elihoda niteraka an’i Eleazara;Eleazara niteraka an’i Matana;Matana niteraka an’i Jakoba; 16  Jakoba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria, ary Maria niteraka an’i Jesosy,+ izay antsoina hoe Kristy.+ 17  Ny taranaka rehetra nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’i Davida àry, dia nisy 14; ary nanomboka tamin’i Davida ka hatramin’ny fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, dia 14; ary nanomboka tamin’ny nanaovana sesitany azy ireo tany Babylona ka hatramin’i Kristy, dia 14. 18  Hoatr’izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy: Efa fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy no bevohoka noho ny asan’ny fanahy masina.*+ Mbola tsy niray trano izy roa tamin’izay. 19  Olo-marina anefa i Josefa vadiny, sady tsy te hanala baraka azy eo imason’ny olona rehetra, ka saika hisaraka taminy mangingina.+ 20  Rehefa avy nieritreritra tsara an’izany anefa izy, dia nisy anjelin’i Jehovah* niseho taminy tao amin’ny nofy, niteny hoe: “Ry Josefa zanak’i Davida, aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao,* fa ny asan’ny fanahy masina no nahatonga azy hitoe-jaza.*+ 21  Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy* ny anarany,+ satria izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”+ 22  Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka ilay nolazain’i Jehovah* tamin’ny alalan’ny mpaminaniny hoe: 23  “Hisy virjiny ho bevohoka ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.”+ Raha adika izany dia hoe: “Manampy Antsika Andriamanitra.”+ 24  Nifoha tamin’ny torimasony i Josefa avy eo, ka nanao an’izay nasain’ilay anjelin’i Jehovah* nataony, dia nentiny tany an-tranony ny vadiny. 25  Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa raha tsy efa niteraka an’ilay zaza i Maria.+ Dia nataony hoe Jesosy ny anarany.+

Fanamarihana

Na: “tetirazan’i.”
Na: “ilay Mesia; ilay Voahosotra.”
Na: “noho ny hery ampiasain’Andriamanitra.”
Hita im-237 ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny andininy rehetra ato amin’ity Soratra Grika Kristianina ity, ka eto no voalohany. Jereo F.F. A5.
Na: “no nahatonga an’ilay zaza hiforona tao an-kibony.”
Na: “ny hampakatra an’i Maria ho vadinao.”
Mitovy amin’ilay anarana hebreo hoe Jesoa na Josoa, ary midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.