Nosoratan’i Matio 22:1-46

  • Fanoharana momba ny fampakaram-bady (1-14)

  • Andriamanitra sy Kaisara (15-22)

  • Fanontaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty (23-33)

  • Ny didy roa lehibe indrindra (34-40)

  • Zanak’i Davida ve i Kristy? (41-46)

22  Mbola nanao fanoharana ihany i Jesosy, rehefa niresaka tamin’izy ireo, hoe:  “Ny Fanjakan’ny lanitra dia azo oharina amin’ny mpanjaka iray nanao fanasambe tamin’ny fampakaram-badin’ny+ zanany lahy.  Ary nirahiny ny mpanompony hiantso an’ireo nasaina ho any amin’ilay fanasambe, nefa tsy nety ireo nasaina.+  Naniraka mpanompo hafa indray izy, ka niteny hoe: ‘Teneno ireo nasaina hoe: “Efa voaomako ny sakafo antoandro, ary efa novonoiko ny ombiko sy ny biby nohataveziko, ka vonona ny zava-drehetra. Tongava àry atỳ amin’ny fanasambe.”’  Tsy niraharaha anefa ireo nasaina ireo, fa ny iray lasa nankany amin’ny sahany, ny iray nandeha nivarotra,+  ary ny sisa kosa nisambotra ny mpanompon’ilay mpanjaka, ka nanompa sy nampijaly azy ary namono azy ho faty.  “Ary tezitra be ilay mpanjaka, ka nandefa ny tafiny hamono an’ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany.+  Hoy izy avy eo tamin’ny mpanompony: ‘Efa vonona ilay fanasambe, nefa tsy mendrika ireo nasaina.+  Mandehana àry eny amin’ny lalana mankeny ivelan’ny tanàna, dia asao ho amin’ilay fanasambe daholo izay olona hitanareo.’+ 10  Koa lasa nankeny an-dalana ireo mpanompo ireo ka nangoniny daholo izay hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy. Dia feno olona nisakafo* ilay efitra fanaovana fampakaram-bady. 11  “Rehefa niditra mba hijery an’ireo nasaina ilay mpanjaka, dia nahita lehilahy iray tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. 12  Ary hoy izy taminy: ‘Ahoana no nahatafiditra anao tato, nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Dia tsy nahateny ilay lehilahy. 13  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tanany sy ny tongony, dia atsipazo any amin’ny haizina any ivelany any izy. Any izy no hitomany sy hihidy vazana.’* 14  “Fa maro no asaina, nefa vitsy no fidina.” 15  Dia lasa ny Fariseo ka niray tetika hamandrika an’i Jesosy amin’ny teniny.+ 16  Nirahin’izy ireo nankany amin’i Jesosy àry ny mpianatr’izy ireo, niaraka tamin’ny mpanohana an’i Heroda,+ hiteny hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra. Tsy mba mila sitraka amin’ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan’olona.* 17  Lazao aminay àry izay hevitrao: Azo atao* ve sa tsia ny mandoa hetra* amin’i Kaisara?” 18  Fantatr’i Jesosy anefa fa ratsy saina izy ireo, ka hoy izy: “Ry mpihatsaravelatsihy, maninona ianareo no mitsapa ahy? 19  Asehoy ahy ny vola madinika andoavana hetra.” Dia nitondran’ireo denaria* iray izy. 20  Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io, dia anaran’iza io?” 21  Hoy izy ireo: “An’i Kaisara.” Dia hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 22  Gaga izy ireo rehefa naheno an’izany, dia lasa nandeha. 23  Tamin’iny andro iny dia nanatona azy koa ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty,+ ka nanontany azy hoe:+ 24  “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha maty tsy niteraka ny lehilahy iray, dia tsy maintsy manambady an’ilay vady navelany ny rahalahiny ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.’+ 25  Nisy fito mirahalahy àry teto aminay. Nanambady ilay voalohany, dia maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny. 26  Hoatr’izany koa no nanjo an’ilay faharoa sy fahatelo, hatramin’ilay fahafito. 27  Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 28  Koa rehefa atsangana ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy rehetra.” 29  Dia namaly azy i Jesosy hoe: “Diso hevitra ianareo, satria samy tsy hainareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.+ 30  Fa rehefa atsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa hitovy amin’ny anjely any an-danitra.+ 31  Angaha mbola tsy novakinareo izay nolazain’Andriamanitra taminareo momba ny fitsanganan’ny maty, hoe: 32  ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.”+ 33  Dia gaga tamin’ny fampianarany ny vahoaka, rehefa naheno an’izany.+ 34  Rehefa henon’ny Fariseo hoe nataon’i Jesosy tsy nahateny ny Sadoseo, dia niaraka nankeo aminy izy ireo. 35  Ary nitsapa azy ny iray taminy, izay nahay Lalàna, ka nanontany hoe: 36  “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”+ 37  Dia hoy i Jesosy taminy: “‘Tiavo i Jehovah* Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’+ 38  Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. 39  Ny faharoa, izay hoatr’izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’+ 40  Ireo didy roa ireo no fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.”+ 41  Raha mbola teo ny Fariseo, dia nanontanian’i Jesosy hoe:+ 42  “Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy? Zanak’iza moa izy?” Dia hoy ireo taminy: “Zanak’i Davida.”+ 43  Ary nanontany azy ireo izy hoe: “Koa maninona i Davida no niantso azy hoe Tompo, rehefa notarihin’ny fanahy masina,+ ka niteny hoe: 44  ‘Hoy i Jehovah* tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao”’?+ 45  Koa raha niantso azy hoe Tompo i Davida, dia ahoana no maha zanany azy?”+ 46  Ary tsy nisy nahavaly azy, sady tsy nisy sahy nanontany azy intsony nanomboka tamin’iny andro iny.

Fanamarihana

Na: “nandry ilika teo amin’ny latabatra.”
Izany hoe hihidy vazana satria ho tezitra sy hamoy fo.
Na: “tsy manavakavaka.”
Na: “Mety.”
Na: “hetra isan-dahy.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.