Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Repoblika Dominikanina

Repoblika Dominikanina

TONGA tany Amerika, na ilay tany vaovao, i Christophe Colomb tamin’ny 1492, tamin’ilay dia an-dranomasina nataony. Tany feno zava-tsarobidy izy io. Nantsoiny hoe La Isla Española, na Hispaniola, ny iray tamin’ireo nosy nandalovany. Ny roa ampahatelon’io nosy io izao no misy ny Repoblika Dominikanina. Nahita zava-tsarobidy koa ireo mponina an’arivony ao amin’io tany io, vao haingana, saingy hafa tanteraka ny azy. Fantany fa hisy tany vaovao amin’ny hoavy rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao ny olo-marina. (2 Pet. 3:13) Ho hitanao ato ny tantaran’ireo olona tso-po nahita an’izany zava-tsarobidy izany.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

Indray Mitopy Maso An’ny Repoblika Dominikanina

Jereo ato ny momba an’ilay tany sy ny mponina any.

Nahita Zava-tsarobidy

Niandry hafiriana ny misionera voalohany teto vao afaka nitarika fampianarana Baiboly?

“Mbola ho Hitantsika Ihany Izy Ireo”

Hitan’i Pablo González ihany ilay fivavahana notadiaviny, 13 taona tatỳ aoriana.

Nogadraina & Norarana Tsy Hitory

Nahoana no nahavita niaritra ny Vavolombelon’i Jehovah na dia nampijalijalina an-taonany maro tany am-ponja aza?

Nitohy ny Asa Fitoriana

Nataon’ny mpitory toy ny lisitry ny entana hovidina eny an-tsena ny tatitra momba ny fanompoana. Laisoa sy epinara no nasolo ny fiverenana mitsidika sy ny ora.

Nomena Fahalalahana dia avy eo Norarana Indray

Voarara nandritra ny enin-taona ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina, ary nofoanana ilay fandrarana tamin’ny 1956. Norarana indray anefa ny asan’izy ireo tsy ampy herintaona tatỳ aoriana.

Trujillo sy ny Eglizy Katolika

Tsy vitan’ny hoe namadika palitao ny Eglizy fa nifona tamin’ny vahoaka dominikanina koa, rehefa avy nanohana ny mpitondra jadona tany an-toerana, nandritra ny taona maro.

Fanenjehana Nahery Vaika

Niharan’ny fandrahonana ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy nampilavo lefona azy ireo izany.

Iza no Mpitarika Azy Ireo?

Nisy foana ny sakafo ara-panahy nandritra ny fandrarana. Nampiasaina hamokarana sy hizarana an’izany ny milina fanaovana kopia, daba fasiana menaka, gony, ary mangahazo.

Nivory Foana na dia Nety ho Tratra Aza

Nahita fomba maro hivoriana foana ny mpitory dominikanina na dia noraran’ny fanjakana tsy hivory aza. Niezaka ny ho malina fotsiny izy ireo mba tsy ho tratra.

Niaritra Izy Ireo ka Nafahana Ihany

Nahazo fanampiana tsy nampoizina ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina, rehefa avy nenjehina nandritra ny taona maro.

“Tsy Nilavo Lefona Mihitsy Aho”

Indroa i Luis Montás no nikasa hamono ny filoham-pirenena. Tamin’izy nitady fanampiana hamonoana an’io mpitondra io mihitsy anefa izy no nahita ny fahamarinana.

“Matoky An’ilay Fampanantenana Aho”

Nitory ny vaovao tsara i Efraín De La Cruz, ka nogadraina sy nampijalina tsy nisy indrafo tany amin’ny fonja fito. Inona no nanampy azy ho be zotom-po foana nandritra ny 60 taona mahery?

“Mbola ho Vavolombelon’i Jehovah Foana Aho”

Nilaza ny mompera katolika iray fa ho lasa adala i Mary Glass raha mamaky Baiboly. Namaky ihany anefa izy, ka fantany hoe nahoana izy no tsy navela hamaky azy io.

Nalalaka ny Asa Fitoriana

Nisy misionera hafa tonga nitory teto, rehefa maty i Trujillo. Vitan’izy ireo ihany ny nanaporofo hoe tsy marina ny fanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Natao Hijanona Eto

Nandroso foana ny asa fitoriana na teo aza ny korontana. Inona no nanaporofo fa ‘natao hijanona eto’ amin’ny Repoblika Dominikanina ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nilaina ny Mpitory Maro Kokoa

Toa tsy ho hay ny tsy hiresaka momba an’ireo Vavolombelona avy any an-tany hafa, rehefa mitantara ny asa fitoriana teto. Namaly ny antso mantsy izy ireo.

Mifankatia Izy Ireo

Nandravarava ny Repoblika Dominikanina ny Rivo-doza Georges tamin’ny 1998. Nidera an’i Jehovah ny zavatra nataon’ny Vavolombelona ary nampahery olona maro.

Fomba Niatrehana ny Fitomboana

Nitombo be ny olona lasa Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana àry no nataon’ny Vavolombelona mba ho ampy foana ny toerana hivavahany sy ny rahalahy hiandraikitra azy ireo?

Faritany Miteny Kreôla Fampiasa any Haïti

Mitory amin’ny olona miteny kreôla ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa misy fiangonana amin’io fiteny io izao, ary mandamina kilasy fianarana azy io koa izy ireo.

Horohoron-tany Tany Haïti

Nisy horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 2010, ka nandefa fanampiana be dia be ny sampan’ny Repoblika Dominikanina. An’arivony ny mpiasa an-tsitrapo nanampy.

Mahabe Fanantenana ny Hoavy

Efa be no vita tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana teto amin’ny Repoblika Dominikanina, hatramin’ny 1945. Mbola mahabe fanantenana anefa ny hoavy.

Nanampy Olona Maro Hiova Fo i Jehovah

Tsy nisy lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny olona tao La Vega tamin’i Leonardo Amor nanompo tany. Mba hiova fo ihany ve ireny olona ireny?

Olona 22 no Niala tao Amin’ilay Fivavahana

Niely ny tsaho hoe mitaona olona hanaraka fampianaran’ny demonia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiasa Baiboly anefa ny Vavolombelona rehefa namaly fanontaniana, ary nahafa-po ny valin-teniny.

Mpitolona Nafana Fo Sady Tsy Nino An’Andriamanitra

Tsy nino an’Andriamanitra i Juan Crispín taloha. Nino izy fa tolom-bahoaka ihany no hanova an’izao tontolo izao. Nahoana izy no lasa mpanompon’Andriamanitra?

Marenina Voalohany Lasa Vavolombelon’i Jehovah

I José Pérez no marenina voalohany lasa Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblika Dominikanina. Ahoana no nahatakarany tsara kokoa ny fampianaran’ny Baiboly?

Lasa Misy Dikany ny Fiainako

Fantatr’i José Estévez sy ny fianakaviany izay tokony hatao raha tiana hisy dikany ny fiainana. Nahoana izy ireo no miaiky hoe mitana ny teniny i Jehovah?

Tsy Te Hanompo Azy Intsony Aho

Tsy te hanompo an’Andriamanitra intsony i Martín Paredes, na dia efa niofana ho pretra aza. Nahoana ny boky iray nindraminy no nampiova hevitra azy?