Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-6

Noresahiny Tamin’i Jehovah Izay Rehetra tao Am-pony

Noresahiny Tamin’i Jehovah Izay Rehetra tao Am-pony

1, 2. a) Nahoana i Hana no nalahelo nefa izy hamonjy fety? b) Nahoana no tsara ny mandinika ny tantaran’i Hana?

SOMOKOTRA erỳ i Hana manomana entana. Malahelo izy nefa miezaka ihany mba tsy hieritreritra ny olana mahazo azy. Hitondra azy mianakavy hamonjy an’ilay fety isan-taona any Silo mantsy i Elkana vadiny, ary efa fanaon-dry zareo izany. Tian’i Jehovah hifaly ny rehetra amin’io fety io satria hanompo azy ao amin’ny tranolay masina. (Vakio ny Deoteronomia 16:15.) Azo inoana fa tena faly i Hana namonjy an’ilay fety tamin’izy mbola kely. Tsy izany intsony anefa izao no tsapany.

2 Tena tia an’i Hana i Elkana. Mampalahelo anefa fa manana vady hafa koa i Elkana. Penina no anarany. Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hampijaly an’i Hana izy io. Mahita tetika foana izy, na dia amin’ireny fety isan-taona ireny aza, nefa mba hoe fotoana mahafaly ilay izy. Inona no nataony? Ary nanampy an’i Hana hiaritra ve ny finoany, na dia nila tsy ho zakany aza ny nahazo azy? Ary ianao? Manana olana ve ianao ka lasa tsy falifaly intsony? Vakio ny tantaran’i Hana fa tena hampahery anao.

“Nahoana no malahelo ny fonao?”

3, 4. Inona ny olana roa natrehin’i Hana, ary nahoana no tena mafy ilay izy?

3 Tena tsy mora ny nahazo an’i Hana, nefa tsy afa-nanoatra izy. Voalohany, nanana rafivavy nankahala azy izy. Faharoa, momba izy. Mafy izany ho an’ny olona te hanan-janaka. Mafy kokoa anefa ny an’i Hana, satria nahamenatra sy nanala baraka izany hoe tsy niteraka izany, tamin’ny Israelita. Nanantena hanan-janaka daholo mantsy ny mpivady, amin’izay mba misy mandimby ny anaran’ilay lehilahy.

4 Mety ho zakan’i Hana ihany ilay izy, raha tsy teo i Penina. Tena ratsy àry ny mampirafy, satria mazàna no lasa mifaninana  sy miady ny mpirafy, ary samy malahelo. Efa nilaza mazava koa Andriamanitra tany Edena fa tokony ho iray ihany ny vadin’ny olona. (Gen. 2:24) Mampianatra antsika àry ny Baiboly hoe tsy mety ny mampirafy, ary manaporofo izany ny fiainan-dry Elkana.

5. Nahoana i Hana no tian’i Penina hijaly, ary inona no nataony taminy?

5 I Hana no tena tian’i Elkana tamin’izy roa vavy. Milaza ny lovantsofina jiosy fa nanambady an’i Hana izy aloha, ary tatỳ aoriana vao nanambady an’i Penina. Na izany na tsy izany, dia nialona be an’i Hana i Penina. Nitady tetika hampijaliana azy foana izy. Nieboebo erỳ izy isaky ny avy niteraka, sady nifanesisesy mihitsy ny zaza naterany. Tsy mba nangoraka na nampahery an’i Hana i Penina, fa vao mainka nataony izay hahatsapan’i Hana hoe voa mafy izy satria tsy nanan-janaka. Hoy ny 1 Samoela 1:6: ‘Nanorisory azy mafy izy, mba hahamenatra azy.’ Nampalahelo fa nahomby ny tetika nataony.

Nalahelo be i Hana satria momba, nefa i Penina vao mainka nanampy trotraka sady nitady tetika isan-karazany mihitsy

6, 7. a) Nahoana no tsy nolazain’i Hana tamin’i Elkana izay nataon’i Penina taminy? b) Tsy tian’i Jehovah ve i Hana matoa momba? Hazavao. (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Isaky ny nankany Silo angamba izy mianakavy no tena nampahory an’i Hana i Penina. Nahoana? Rehefa nanao fanatitra i Elkana, dia nanomezany tamin’ilay izy daholo ny zanak’i Penina, “na lahy na vavy.” I Hana kosa tsy nahazo afa-tsy ny anjarany, satria tsy nanan-janaka. Nanambany an’i Hana àry i Penina, sady namerimberina taminy hoe momba izy. Nitomany i Hana sady tsy nahahinan-kanina. Hitan’i Elkana izany, ka niezaka nampahery an’ilay vady malalany izy. Hoy izy: ‘Fa maninona ianao no mitomany sy tsy mihinan-kanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy tsara kokoa aminao noho ny zanaka folo mirahalahy ve aho?’—1 Sam. 1:4-8.

7 Hita avy amin’io tenin’i Elkana io fa takany ny antony nahakivy an’i Hana. Soa ihany fa azony hoe malahelo i Hana satria momba. Azo inoana fa mba falifaly i Hana rehefa nanambitamby azy i Elkana sady nanome toky hoe tia azy. * Tsy niresaka anefa i Elkana hoe ratsy toetra i Penina. Tsy voalaza koa raha nitantara an’izany taminy i Hana. Nieritreritra angamba  i Hana hoe: ‘Sao dia vao mainka ho loza ny hanjo ahy raha miteny eo aho? Sao dia tsy hanao na inona na inona akory i Elkana? Sao dia vao mainka hampijaly ahy i Penina, dia hanao hoatr’azy koa ny zanany sy ny mpanompony? Ary sao dia vao mainka aho ho very tanteraka?’

Nivavaka tamin’i Jehovah i Hana mba hampahery azy, rehefa nisy nampijaly azy tao an-tranony

8. Nahoana ianao no mila mitadidy hoe tia rariny i Jehovah rehefa misy ratsiratsy fanahy na manao ny tsy rariny aminao?

8 Na fantatr’i Elkana izay rehetra nataon’i Penina na tsia, dia azo antoka fa hitan’i Jehovah daholo, ary nosoratany ao amin’ny Teniny. Ahoana àry raha tia mampijaly olona isika satria mialona sy mankahala azy? Fantaro fa tena hitan’i Jehovah izany, na dia hoatran’ny tsy misy dikany aza. Ahoana kosa raha tsy mba tia ady isika nefa iharan’ny tsy rariny, toa an’i Hana? Tadidio fa tia rariny i Jehovah ka tsy maintsy handamina an’ilay olana. Izay vahaolana hitany fa tena mety no hoentiny handaminana azy, ary hataony amin’ny fotoana hitany fa mety ihany koa. (Vakio ny Deoteronomia 32:4.) Nahalala izany angamba i Hana, satria tany amin’i Jehovah izy no nangataka fanampiana.

“Tsy niady saina intsony izy”

9. Inona no ianarantsika avy amin’i Hana?

9 Hamonjy an’ilay fety any Silo indray izao ry Elkana. Mikenonkenona vao maraina ry zareo, na ny ankizy aza. Iray na roa andro izy ireo vao ho tonga any, satria dia an-tongotra 30 kilaometatra mahery ilay izy, sady tsy maintsy hamakivaky havoana any Efraima. * Fantatr’i Hana fa hanao ny ataony indray i Penina, nefa nandeha ihany izy. Tena modely ho antsika izy. Tokony handeha hivory sy hanompo foana isika, na dia tsy mety aza ny ataon’ny olona sasany any. Raha tsy izany, dia tsy hahavita hiaritra isika satria tsy hahazo fampaherezana.

10, 11. a) Nahoana i Hana no nandeha haingana tany amin’ny tranolay? b) Inona no nataon’i Hana rehefa nivavaka?

10 Efa ho tonga izao ry zareo. Niolakolaka be ny lalana sady efa indray andro tontolo ry zareo no nandeha an-tongotra. Io tazana eo ambony havoana io i Silo, ary misy tendrombohitra manodidina azy. Nieritreritra be angamba i Hana, arakaraka ny nanatonan-dry zareo, hoe inona no holazainy an’i Jehovah. Tonga ihany ry zareo nony farany ary niara-nisakafo. Nankany amin’ny tranolay masina haingana i Hana avy eo, mba hivavaka. Nipetraka teo akaikin’ny varavarana i Ely Mpisoronabe, nefa tsy hitany  satria variana nivavaka izy. Natoky izy fa hihaino azy i Jehovah sady tena hahatakatra ny mahazo azy. Mety tsy tena hahazo tsara izay manjo azy mantsy ny olona, fa i Jehovah kosa tsy mba toy izany. Feno be ny fon’i Hana ka nitomany izy.

11 Notantarainy tamin’ilay Rainy daholo izay tao am-pony. Tsy namoaka feo anefa izy fa ny molony fotsiny no nihetsiketsika. Nifokofoko izy sady nivavaka ela be mihitsy. Tsy hoe nangataka fotsiny anefa izy hoe: ‘Mba tena te hanan-janaka aho Jehovah ô!’ Te hanome an’i Jehovah an’izay azony omena koa izy. Nivoady àry izy hoe raha lahy ny zanany, dia homeny an’i Jehovah mba hanompo azy mandritra ny androm-piainany.—1 Sam. 1:9-11.

12. Inona no tokony hotadidintsika rehefa mivavaka isika?

12 Modely ho antsika rehetra àry i Hana. Tsy nisalasala niresaka tamin’i Jehovah izy, ary izany mihitsy no ampirisihin’i Jehovah hataontsika. Tiany hilaza izay rehetra ao am-pontsika isika, toy ny ankizy miresaka amin’ny rainy tena tia azy, ka matoky fa hihaino azy ilay rainy. (Vakio ny Salamo 62:8; 1 Tesalonianina 5:17.) Tena mampahery ilay tenin’ny apostoly Petera hoe: ‘Apetraho amin’Andriamanitra daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.’—1 Pet. 5:7.

13, 14. a) Noheverin’i Ely fa naninona i Hana, ary nahoana? b) Nahoana i Hana no modely ho antsika?

13 Tsy toa an’i Jehovah ny olombelona, satria tsy voatery hahay hangoraka na hahatakatra izay mahazo ny hafa. Tamin’iny Hana mbola nitomany sy nivavaka iny mihitsy, dia nisy olona niteny tampoka. Hay efa nandinika an’i Hana i Ely, ary nilaza hoe: “Mandra-pahoviana ianao no mbola ho mamo? Ataovy aloha izay hampisava ny divay nosotroinao.” Hitan’i Ely mantsy fa nihetsiketsika ny molotr’i Hana sady nangovingovitra izy, ary hoatran’ny hafahafa be. Tsy mba nanontany izay nahazo azy anefa i Ely, fa tonga dia nieritreritra hoe mamo izy.—1 Sam. 1:12-14.

14 Azo inoana fa nankarary ny fon’i Hana izany. Efa mafy ny mahazo azy nefa mbola misy manendrikendrika ihany, sady amin’izay mpisoronabe mihitsy! Hita hoe nanam-pinoana anefa izy ka modely ho antsika. Tsy nataony nahasakana azy tsy hanompo an’i Jehovah ny fahadisoan’i Ely. Nanaja an’i Ely izy, ary niezaka nanazava. Tonga saina i Ely, ka namaly moramora hoe: “Mirary soa ho anao àry aho! Homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!”—1 Sam. 1:15-17.

15, 16. a) Nanao ahoana i Hana rehefa avy nivavaka? b) Inona no azontsika atao raha kivy be isika?

 15 Nanao ahoana i Hana rehefa avy nilaza izay rehetra tao am-pony tamin’i Jehovah, tao amin’ny tranolay? Hoy ny 1 Samoela 1:18: “Lasa nandeha tamin’ny nalehany izy ka nihinan-kanina. Ary hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.” Lasa maivamaivana i Hana. Toy ny hoe nafindrany teo an-tsoroky ny olona matanjaka be noho izy ny fahoriana nanavesatra azy. (Vakio ny Salamo 55:22.) Mety hisy olana tsy ho zakan’ilay Raintsika tokoa ve? Tsy misy mihitsy, na tamin’izany, na amin’izao, na ho mandrakizay!

16 Misy olana mahakivy be anao na mila tsy ho zakanao ve? Tahafo i Hana, ka lazao amin’ilay “Mpihaino vavaka” izay ao am-ponao. (Sal. 65:2) Mila mino anefa ianao hoe hamaly anao izy. Tsy halahelo be intsony ianao amin’izay, fa hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—Fil. 4:6, 7.

“Tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika”

17, 18. a) Inona ny porofo fa nanohana an’i Hana i Elkana? b) Inona no hitan’i Penina tsy ela taorian’izay?

17 Azo inoana fa notantarain’i Hana tamin’i Elkana ny zavatra nangatahiny tamin’i Jehovah sy ny voady nataony, rehefa avy tany amin’ny tranolay izy. Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa afaka manafoana ny voady nataon’ny vadiny ny lehilahy, raha tsy niera taminy ilay vehivavy. (Nom. 30:10-15) Tsy nanafoana an’ilay izy anefa i Elkana. Niara-nivavaka tany amin’ny tranolay kosa izy roa ny ampitso, vao nandeha nody.

18 Ary oviana no hitan’i Penina hoe tsy nampalahelo an’i Hana intsony ny zavatra nataony? Marina fa tsy mamaly an’izay ny Baiboly, nefa lazainy kosa hoe “tsy niady saina intsony” i Hana. Lasa falifaly sy tsy niferinaina intsony àry izy, ka azo antoka fa tsy ela dia hitan’i Penina hoe tsy nandaitra intsony ny tetika nataony. Ny Baiboly aza tsy miresaka an’i Penina intsony taorian’izay.

19. Inona ny fitahiana azon’i Hana, ary ahoana no ahitana fa nankasitraka an’Andriamanitra izy?

19 Nilamin-tsaina erỳ i Hana. Vao mainka faly be izy afaka volana vitsivitsy satria bevohoka! Nitahy azy tokoa i Jehovah, ary tena nankasitrahan’i Hana izany. Iza àry no nataony anaran’ny zanany rehefa teraka? Samoela, midika hoe “Anaran’Andriamanitra.” Tsaroany mantsy izy niantso ny anaran’i Jehovah tany amin’ny tranolay masina. Tsy nankany Silo niaraka tamin’ny fianakaviany i Hana raha tsy efa nisara-nono ilay zaza, telo taona tatỳ aoriana.  Namboariny ny sainy tamin’izay satria tsy maintsy hisaraka amin’ilay sombin’ny ainy izy.

20. Ahoana no nanatanterahan’izy mivady an’ilay voady?

20 Azo inoana fa mafy tamin’i Hana ilay izy. Marina fa fantany hoe ho voakarakara tsara i Samoela any Silo, satria nisy vehivavy maro nanompo tao amin’ny tranolay. Tena mbola kely anefa ilay zaza, sady iza moa ny reny te hisaraka amin-janany? Na izany aza, dia nentin’izy mivady nankany Silo i Samoela, ary tena tamin’ny fony no nanaovany an’izany satria nankasitraka an’i Jehovah izy ireo. Nanao fanatitra ry zareo, ary nitondra an’i Samoela tany amin’i Ely, sady nampahatsiahy an’ilay voady nataon’i Hana.

Sambatra i Samoela nanana reny toa an’i Hana

21. Inona ny porofo fa tena nanam-pinoana i Hana? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Vavaka Roa Tena Miavaka.”)

21 Nivavaka i Hana avy eo, ary nasain’Andriamanitra nosoratana tao amin’ny Teniny mihitsy ilay izy, ao amin’ny 1 Samoela 2:1-10. Ho hitanao amin’ny andalana tsirairay fa tena nanam-pinoana i Hana. Nidera an’i Jehovah izy, satria miavaka ny heriny. Mahavita mampietry izay manambony tena sy mitahy ny olona ampahorina i Jehovah, ary mahavita mamono na koa mamonjy olona tsy ho faty. Izy koa no masina indrindra sy tena manao ny rariny ary tsy mivadika. Tsy mahagaga raha nilaza i Hana hoe: “Tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.” Tena azo atokisana i Jehovah sady tsy miova mihitsy ny toetrany. Harovany izay mijaly ka mila vonjy aminy.

22, 23. a) Tsapan’i Samoela ve hoe tia azy foana ny ray aman-dreniny? Nahoana? b) Inona ny fitahiana nomen’i Jehovah an’i Hana tatỳ aoriana?

22 Azo inoana fa nalahelo ihany i Samoela kely, nefa natoky izy hoe mahatsiaro azy foana ilay reniny. Nanjairan’i Hana  akanjo kely tsy misy tanany izy isan-taona mba hoentiny manompo. Azo inoana fa nokalin’i Hana tsara ny zaitran’ilay izy satria ho an-janany. (Vakio ny 1 Samoela 2:19.) Alao sary an-tsaina ange izy mampiakanjo an’i Samoela kely e! Amboamboariny ilay izy mba hipetraka tsara. Faly erỳ izy mijery an-janany sady manambitamby azy. Sambatra tokoa i Samoela nanana reny tia azy sy tena nino an’i Jehovah. Nahazo fitahiana koa anefa ny ray aman-dreniny sy ny Israely, noho i Samoela.

23 Ary nanao ahoana i Hana? Tsy nanadino azy i Jehovah, ka nanome azy zanaka dimy hafa. (1 Sam. 2:21) Mbola nahazo fitahiana tsara lavitra noho izany anefa i Hana, satria vao mainka lasa naman’ilay Rainy any an-danitra. Matokia fa izany koa no ho tsapanao, raha miezaka hanam-pinoana toa azy ianao.

^ feh. 7 Milaza ny 1 Samoela 1:5 fa “nohidian’i Jehovah ny kibon’i Hana.” Tsy midika anefa izany fa tsy tia azy i Jehovah, satria i Hana aza tsy nivadika sy nanetry tena. Marina fa milaza ny Baiboly indraindray hoe avy amin’Andriamanitra ny zavatra iray. Tsy voatery ho ara-bakiteny anefa izany, fa midika fotsiny hoe avelany hitranga.

^ feh. 9 Tany Rama ry Elkana no nipetraka. Angamba ilay tanàna hoe Arimatia tamin’ny andron’i Jesosy ihany io, ary 30 kilaometatra mahery avy eo i Silo.