Hijery ny anatiny

Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Vehivavy Voatantara ao Amin’ny Baiboly?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Vehivavy Voatantara ao Amin’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Be dia be ny vehivavy voatantara ao amin’ny Baiboly, dia afaka miana-javatra avy amin’ny tantaran’izy ireny isika. (Romanina 15:4; 2 Timoty 3:16, 17) Vehivavy vitsivitsy fotsiny no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity. Misy amin’izy ireo azontsika tahafina tsara fa misy amin’izy ireo tsy tokony hotahafina mihitsy.—1 Korintianina 10:11; Hebreo 6:12.

  Abigaila

 Iza moa i Abigaila? Vadin’ny lehilahy iray atao hoe Nabala izy. Nanan-karena be i Nabala saingy ratsy toetra be. I Abigaila anefa sady malina no nanetry tena. Tsy vitan’izay fa tsara tarehy sy tsara bika izy, sady nifandray tsara tamin’Andriamanitra.—1 Samoela 25:3.

 Inona ny zavatra nataony? Hendry i Abigaila sady malina. Nahay nanapa-kevitra izy dia nisoroka olana lehibe. Tany akaikin’ny toerana niafenan’i Davida i Abigaila sy Nabala no nipetraka. Efa ho lasa mpanjakan’ny Israely i Davida tamin’izany, fa nisy nanenjika dia niafina. Niaro ny andian’ondrin’i Nabala tsy ho lasan’ny mpangalatra i Davida sy ny namany. Mba naniraka olona tany amin’i Nabala i Davida, indray mandeha, hoe hangataka sakafo, nefa tsy nomeny. Tsy vitan’izay fa mbola nanambanimbany an’i Davida koa izy. Tezitra be i Davida dia tonga dia niainga izy sy ny namany mba handeha hamono an’i Nabala sy izay lehilahy rehetra tao an-tranony.—1 Samoela 25:10-12, 22.

 Tonga dia nanao zavatra i Abigaila raha vao henony izay nataon’ny vadiny. Nasainy nitondra sakafo tany amin’i Davida sy ny namany ny mpanompony. Nasainy nandeha mialoha izy ireo, dia izy nanaraka tao aoriana. Rehefa nihaona tamin’i Davida izy, dia niangavy azy mba hamindra fo taminy. (1 Samoela 25:14-19, 24-31) Tena nanetry tena i Abigaila. Nampisaintsaina an’i Davida koa ny zavatra noteneniny. Rehefa nahita an’izany i Davida sady nahita ny fanomezana nentiny, dia fantany hoe Andriamanitra no nampiasa an’i Abigaila mba hisakanana azy tsy handatsa-dra. (1 Samoela 25:32, 33) Maty i Nabala tsy ela taorian’izay, ary lasa vadin’i Davida i Abigaila.—1 Samoela 25:37-41.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Abigaila? Tsara tarehy i Abigaila sady nanan-karena. Tsy nanambony tena anefa izy. Vonona ny hiala tsiny tamin’i Davida izy na dia tsy izy aza no diso, mba hitandroana fihavanana. Sarotsarotra ihany ilay olana natrehiny nefa tony tsara foana izy, be herim-po, nahay nandanjalanja, sady nahita hevitra tsara mba handaminana an’ilay izy.

  •  Raha te hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Abigaila ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ilay Vehivavy Malina.”

  Debora

 Iza moa i Debora? Mpaminanivavy izy ary nampiasain’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, mba hampahafantarana amin’ny vahoakany hoe inona ny zavatra tiany hataon’izy ireo. Nasain’i Jehovah nandamina olana teo amin’ny samy Israelita koa izy.—Mpitsara 4:4, 5.

 Inona ny zavatra nataony? Nanohana ny mpanompon’Andriamanitra izy, sady be herim-po rehefa nanao an’izany. Nisy fotoana, ohatra, izy nasain’Andriamanitra niteny tamin’i Baraka mba hitarika ny tafiky ny Israelita hiady tamin’ny Kananita. Nampijalin’ny Kananita ry zareo tamin’izany. (Mpitsara 4:6, 7) Nasain’i Baraka niaraka taminy i Debora, dia tsy natahotra mihitsy izy fa tonga dia nandeha.—Mpitsara 4:8, 9.

 Nataon’Andriamanitra nandresy ny fahavalony ny Israelita tamin’izay. Nanao hira momba an’ilay zava-nitranga i Debora sy Baraka. Mety ho i Debora no namorona an’ilay hira, na fara fahakeliny ny ampahany tamin’ilay izy. Noresahiny tao amin’ilay hira, ohatra, hoe tena nanampy ny Israelita handresy ny Kananita i Jaela. Vehivavy be herim-po koa izy io.—Mpitsara toko 5.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Debora? Be herim-po i Debora sady nahafoy tena ho an’ny hafa. Nampirisika ny olona izy mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, ary noderainy izy ireo rehefa nanao an’izany.

  Delila

 Iza moa i Delila? Tantarain’ny Baiboly hoe tia an’io vehivavy io i Samsona, mpitsara israelita.—Mpitsara 16:4, 5.

 Inona ny zavatra nataony? Namadika an’i Samsona izy satria nahazo vola tany amin’ny manam-pahefana filistinina. I Samsona anefa no nirahin’Andriamanitra hanafaka ny Israelita tamin’ny Filistinina. Natanjaka be i Samsona satria nahazo hery avy tamin’Andriamanitra, dia tsy vitan’ny Filistinina ny nandresy azy. (Mpitsara 13:5) Izany no nahatonga azy ireo hangataka fanampiana tamin’i Delila.

 Nanome kolikoly an’i Delila ny Filistinina mba hahalalana hoe inona no nahatonga an’i Samsona hatanjaka be. Noraisin’i Delila ilay vola, dia niezaka nisikotra an’i Samsona foana izy. Notenenin’i Samsona azy ihany ilay izy tamin’ny farany. (Mpitsara 16:15-17) Noresahiny tamin’ny Filistinina izany avy eo, dia nosamborin’izy ireo i Samsona ary nogadrainy.—Mpitsara 16:18-21.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Delila? Ohatra ratsy izy satria tia vola loatra dia lasa tia tena sady namadika ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra.

  Estera

 Iza moa i Estera? Jiosy izy ary izy no nofidin’i Ahasoerosy mpanjaka persianina ho vadiny.

 Inona ny zavatra nataony? Nisy olona saika hamono ny mpiray firenena taminy, dia nampiasa ny fahefana nananany izy mba hisakanana an’ilay izy. Nisy didy nivoaka hoe hovonoina daholo ny Jiosy rehetra tao amin’ny Fanjakana Persianina. Efa voalaza tao amin’ilay didy koa ny daty hamonoana an-dry zareo. Praiminisitra atao hoe Hamana no tao ambadik’ilay didy. (Estera 3:13-15; 4:1, 5) Noresahin’i Estera tamin’i Mordekay, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, ilay tetika, dia nanoro hevitra azy i Mordekay hoe inona no tokony hatao. Nanao vivery ny ainy avy eo i Estera mba hiresahana an’ilay izy tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka. (Estera 4:10-16; 7:1-10) Navelan’i Ahasoerosy hamoaka didy i Estera sy Mordekay hoe afaka miaro tena ny Jiosy. Resin-dry zareo tanteraka ny fahavalony taorian’izay.—Estera 8:5-11; 9:16, 17.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Estera? Ohatra tsara izy satria be herim-po sy nanetry tena. (Salamo 31:24; Filipianina 2:3) Tsara tarehy izy sady nanana toerana ambony, nefa nanetry tena dia nangataka torohevitra sy fanampiana tamin’ny hafa. Nahay nandanjalanja izy sady nanaja ny vadiny rehefa niresaka taminy, nefa koa sahy nilaza ny marina. Efa fantany koa hoe hovonoina daholo ny Jiosy, nefa mbola sahy nilaza ihany izy hoe: ‘Izaho ange Jiosy e!’

  Eva

 Iza moa i Eva? Izy no vehivavy voalohany noforonin’Andriamanitra, ary izy no vehivavy resahina voalohany ao amin’ny Baiboly.

 Inona ny zavatra nataony? Tsy nankatò ny didin’Andriamanitra i Eva, nefa nazava be ilay didy. Nataon’Andriamanitra lavorary hoatran’i Adama vadiny i Eva, sady navelany hisafidy an’izay tiany hatao. Nataony afaka manahaka ny toetrany koa izy, ohatra hoe manam-pitiavana sy manana fahendrena. (Genesisy 1:27) Nisy voankazo iray tsy navelan’Andriamanitra hohanin’izy mivady, fa raha mihinana an’ilay izy ry zareo dia ho faty. I Adama no nitenenan’Andriamanitra an’izany, nefa fantatr’i Eva tsara ilay izy. Nandainga taminy anefa i Satana hoe tsy ho faty izany izy, fa ho tsara kokoa aza ny fiainany raha tsy mankatò izy. Nino an’izany i Eva, ka nihinana an’ilay voankazo. Noreseny lahatra koa ny vadiny, dia nanaiky hihinana an’ilay izy.—Genesisy 3:1-6; 1 Timoty 2:14.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Eva? Misy vokany ratsy be ny eritreri-dratsy raha vao tsy esorina haingana ao an-tsaina. Zavatra tsy tokony ho nalainy no notsiriritin’i Eva, dia lasa nandika ny didin’Andriamanitra izy, na dia nazava tsara aza ilay izy.—Genesisy 3:6; 1 Jaona 2:16.

  Hana

 Iza moa i Hana? Vadin’i Elkana izy, ary renin’i Samoela. Mpaminany niavaka teo amin’ny Israely fahiny io zanany io.—1 Samoela 1:1, 2, 4-7.

 Inona ny zavatra nataony? Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hampionona azy. Tsy niteraka mantsy izy tamin’ny voalohany fa momba. Tsy vitan’izay fa nanana vady hafa i Elkana. Penina no anarany, dia nanan-janaka maromaro izy. I Hana anefa tsy niteraka mihitsy na dia efa ela ihany aza no nanambady. Nanesoeso sy nampijaly azy foana i Penina vokatr’izany. Inona no nataon’i Hana? Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hampahery azy. Nivoady taminy koa izy hoe raha omeny zanakalahy, dia halefany hanompo azy any amin’ny tranolay masina ilay zaza. Tranolay azo afindrafindra ny tranolay masina, ary nampiasain’ny Israelita tamin’ny fivavahana.—1 Samoela 1:11.

 Namaly ny vavaka nataon’i Hana Andriamanitra. Niteraka an’i Samoela mantsy i Hana. Nitana ny voady nataony izy, ka nentiny tany amin’ny tranolay masina i Samoela mba hanompo an’Andriamanitra any, na dia mbola kely aza. (1 Samoela 1:27, 28) Nanjairan’i Hana akanjo kely tsy misy tanany koa izy isan-taona, ary nateriny tany aminy ilay izy. Mbola notahin’Andriamanitra indray i Hana, tatỳ aoriana, satria nomeny zanakalahy telo fanampiny sy zanakavavy roa.—1 Samoela 2:18-21.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Hana? Namboraka an’izay tao am-pony tamin’Andriamanitra izy, dia izany no nanampy azy hiaritra. Hita koa hoe tena nino an’Andriamanitra izy, rehefa jerena ilay vavaka fisaorana nataony ao amin’ny 1 Samoela 2:1-10.

  Jaela

 Iza moa i Jaela? Nanambady lehilahy tsy Israelita atao hoe Hebera izy. Nanohana ny vahoakan’Andriamanitra i Jaela, sady tsy natahotra mihitsy rehefa nanao an’izany.

 Inona ny zavatra nataony? Nahay nanapa-kevitra haingana i Jaela. Tonga tao aminy i Sisera, lehiben’ny tafika kananita, indray mandeha. Avy niady tamin’ny Israelita i Sisera tamin’izay, dia resy. Nitady toerana handosirana sy hakana aina àry izy, dia nampandrosoin’i Jaela tao amin’ny tranolainy. Natory be izy tao, dia nohararaotin’i Jaela novonoina.—Mpitsara 4:17-21.

 Tanteraka àry ny faminaniana nolazain’i Debora hoe: “Eo an-tanam-behivavy no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera.” (Mpitsara 4:9) Nilaza koa izy hoe “hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra” i Jaela, noho ilay zavatra nataony.—Mpitsara 5:24.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Jaela? Vonona hanao zavatra avy hatrany i Jaela. Be herim-po koa izy. Hita avy amin’ny tantarany hoe hain’Andriamanitra foana ny manatanteraka an’izay nolazainy.

  Jezebela

 Iza moa i Jezebela? Vadin’i Ahaba, mpanjaka israelita, izy. Tsy Israelita i Jezebela sady tsy nanompo an’i Jehovah, fa nivavaka tamin’i Bala, andriamanitra kananita.

 Inona ny zavatra nataony? Tia nanjakazaka sy nampijaly olona ary nahery setra i Jezebela Mpanjakavavy. Nampirisika ny vahoaka hivavaka tamin’i Bala izy. Nampirisihiny hijangajanga koa ry zareo, satria izany no fanao tamin’izany rehefa nivavaka tamin’i Bala. Notadiaviny hofoanana koa ny fivavahana tamin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.—1 Mpanjaka 18:4, 13; 19:1-3.

 Nandainga sady namono olona i Jezebela mba hahazoany an’izay tiany. (1 Mpanjaka 21:8-16) Nahatsiravina be ny nahazo azy tamin’izy maty sady tsy nalevina akory izy avy eo. Izay mihitsy no efa notenenin’Andriamanitra mialoha hoe hitranga.—1 Mpanjaka 21:23; 2 Mpanjaka 9:10, 32-37.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Jezebela? Tsy tokony hotahafina mihitsy i Jezebela satria tena ratsy fitondran-tena sady nahavita zava-doza mba hahazoana an’izay notadiaviny. Tsy mahagaga raha lasa antsoina hoe Jezebela izay vehivavy sahisahy ratsy sady tena ratsy fitondran-tena.

  Lea

 Iza moa i Lea? Vadin’i Jakoba izy. Nanana zandrivavy anankiray koa izy. Rahely no anarany ary vadin’i Jakoba koa izy io.—Genesisy 29:20-29.

 Inona ny zavatra nataony? Nanan-janakalahy enina tamin’i Jakoba izy. (Rota 4:11) Labana no anaran’ny dadan’i Lea sy Rahely. I Rahely no noeritreretin’i Jakoba halaina ho vady fa tsy i Lea. Nofitahin’i Labana anefa i Jakoba, amin’izay mba i Lea no lasa vadiny fa tsy i Rahely. Tezitra i Jakoba dia nandeha nanontany an’i Labana hoe maninona izy no nofitahiny. Nohazavain’i Labana hoe tsy fanao any amin-dry zareo ny hoe ny zandrivavy indray no manambady alohan’ny zokiny. Lasa vadin’i Jakoba ihany i Rahely, herinandro tatỳ aoriana.—Genesisy 29:26-28.

 I Rahely no tian’i Jakoba kokoa noho i Lea. (Genesisy 29:30) Lasa nialona an’i Rahely àry i Lea, dia niady mafy izy mba hiraiki-po kokoa aminy i Jakoba. Hitan’i Jehovah anefa hoe nalahelo i Lea, dia nomeny zanakalahy enina sy zanakavavy iray.—Genesisy 29:31.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Lea? Niantehitra tamin’Andriamanitra i Lea dia nivavaka taminy. Na dia nisy olana aza tao an-tokantranony, dia fantany hoe nanampy azy foana Andriamanitra. (Genesisy 29:32-35; 30:20) Hita amin’ny zavatra niainan’i Lea fa tsy mety ny manambady maro, na dia navelan’Andriamanitra hanao an’izany aza ny olona taloha. Tokony ho lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no mpivady. Izay ihany no eken’Andriamanitra.—Matio 19:4-6.

  Marta

 Iza moa i Marta? Iray tam-po tamin’i Lazarosy sy Maria izy. Nipetraka tany Betania, any akaikin’i Jerosalema, izy telo mianadahy.

 Inona ny zavatra nataony? Naman’i Jesosy be izy. “Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy” i Jesosy. (Jaona 11:5) Tia nandray vahiny i Marta. Nisy fotoana i Jesosy nitsidika an-dry zareo, dia i Maria no nihaino an’i Jesosy, fa i Marta nanao raharaha. Nitaraina tamin’i Jesosy àry i Marta hoe tsy mba nanampy azy i Maria. Nahitsin’i Jesosy moramora anefa izy tamin’izay.—Lioka 10:38-42.

 Narary i Lazarosy indray mandeha, dia nampiantso an’i Jesosy i Marta sy Maria. Tena natoky izy mirahavavy hoe vitan’i Jesosy ny manasitrana ny anadahiny. (Jaona 11:3, 21) Mbola tsy tonga anefa i Jesosy dia maty i Lazarosy. Na izany aza dia natoky i Marta hoe vitan’i Jesosy ny manangana ny anadahiny. Natoky koa izy hoe mbola hitsangana ny maty, araka ny ampanantenain’ny Baiboly. Hita tamin’ny zavatra noteneniny tamin’i Jesosy izany.—Jaona 11:20-27.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Marta? Tena tia nandray vahiny izy. Nanaiky hahitsy koa izy fa tsy tezitra. Tsy nanafinafina an’izay tany am-pony izy, sady tsy menatra niresaka ny zavatra ninoany.

  •  Raha te hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Marta ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Mino Aho.”

  Maria (renin’i Jesosy)

 Iza moa i Maria? Ankizivavy jiosy izy. Mbola virjiny izy tamin’izy niteraka an’i Jesosy. Nanao fahagagana Andriamanitra, dia izay no nahatonga an’i Maria ho bevohoka.

 Inona ny zavatra nataony? Nanetry tena izy, dia nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Nisy anjely niseho tamin’i Maria, dia niteny hoe ho bevohoka izy, dia hiteraka ny Mesia, izay efa nandrasan’ny olona hatramin’ny ela. Efa fofombadin’i Josefa i Maria tamin’izay. (Lioka 1:26-33) Nanaiky an’ilay andraikitra nomena azy anefa izy. Tsy virjiny intsony i Maria tatỳ aoriana, satria mbola niteraka efa-dahy izy sy Josefa, dia niteraka roa vavy koa fara fahakeliny. (Matio 13:55, 56) Tena tombontsoa be ny an’i Maria. Tsy nitaky anefa izy hoe tsy maintsy hajaina na omena voninahitra. Tsy nisy nanao an’izany taminy koa, na tamin’izy efa lasa anisan’ny fiangonana kristianina, na tamin’i Jesosy mbola teto an-tany.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Maria? Tena tia an’Andriamanitra izy, dia nanaiky andraikitra tena sarotra. Nahalala tsara ny Soratra Masina koa izy. Voalaza fa nampiasa andininy 20 eo ho eo avy ao amin’ny Soratra Masina izy tao amin’ilay teniny ao amin’ny Lioka 1:46-55.

  Maria (iray tam-po amin’i Marta sy Lazarosy)

 Iza moa i Maria? Naman’i Jesosy be i Maria, hoatran’i Lazarosy anadahiny sy Marta rahavaviny ihany.

 Inona ny zavatra nataony? Imbetsaka i Maria no nampiseho fa tena nino izy hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Tena nino i Maria hoe vitan’i Jesosy ny nanasitrana an’i Lazarosy, dia amin’izay izy tsy maty. Teo koa i Maria rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy. Nokianin’i Marta i Maria tamin’i Jesosy nitsidika an-dry zareo, satria tsy nanao raharaha izy fa naleony nihaino an’i Jesosy. Nidera an’i Maria anefa i Jesosy satria ny nianatra momba an’Andriamanitra no zava-dehibe kokoa taminy.—Lioka 10:38-42.

 Tsy hoe tsy tia nandray vahiny anefa i Maria. Nisy fotoana mantsy tena niavaka be ny nataony tamin’i Jesosy, satria nohosorany “menaka manitra lafo vidy” ny lohany sy ny tongony. (Matio 26:6, 7) Nokianin’ny olona i Maria hoe nandanilany foana. Niaro an’i Maria i Jesosy, dia niteny hoe: ‘Na aiza na aiza itoriana ny vaovao tsara [momba ny Fanjakan’Andriamanitra] eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy, ho fahatsiarovana azy.’—Matio 24:14; 26:8-13.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Maria? Niezaka ny hanana finoana matanjaka foana i Maria. Ny fanompoana an’Andriamanitra no nataony loha laharana teo amin’ny fiainany. Nanetry tena koa izy dia nanome voninahitra an’i Jesosy, ary nandany vola be mihitsy aza izy mba hanaovana an’izany.

  Maria Magdalena

 Iza moa i Maria Magdalena? Mpianatr’i Jesosy i Maria, ary nanohana azy foana.

 Inona ny zavatra nataony? Nisy vehivavy maromaro nanaraka an’i Jesosy sy ny mpianany tamin-dry zareo nandeha nitory, dia anisan’izany i Maria Magdalena. Nazoto nanome vola hikarakarana an’izay nilain-dry Jesosy izy. (Lioka 8:1-3) Niaraka tamin’i Jesosy foana izy mandra-pahatapitry ny fanompoany tetỳ an-tany. Tsy nandao an’i Jesosy mihitsy i Maria Magdalena na dia tamin’izy novonoina teo amin’ny hazo fijaliana aza. Rehefa natsangana koa i Jesosy dia anisan’ireo olona nisehoany voalohany i Maria Magdalena.—Jaona 20:11-18.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Maria Magdalena? Nanohana an’i Jesosy foana i Maria sady nalala-tanana taminy.

  Miriama

 Iza moa i Miriama? Anabavin’i Mosesy sy Arona izy. I Miriama no vehivavy voalohany resahin’ny Baiboly hoe mpaminanivavy.

 Inona ny zavatra nataony? Nampita ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny vahoaka no asan’i Miriama. Nanana toerana ambony teo amin’ny Israely izy. Niara-nanao hiram-pandresena tamin’ny lehilahy israelita i Miriama, rehefa avy nandringana ny tafika ejipsianina tao amin’ny Ranomasina Mena Andriamanitra.—Eksodosy 15:1, 20, 21.

 Nanakiana an’i Mosesy i Miriama sy Arona, tatỳ aoriana, satria nanambony tena sady nialona. “Nihaino” an’izay notenenin’izy mianadahy anefa Andriamanitra, dia nibedy an-dry zareo. (Nomery 12:1-9) Nosaziny i Miriama dia lasa boka. Mety ho i Miriama mantsy no tena nitaona an’i Arona hanakiana an’i Mosesy. Niangavy an’Andriamanitra anefa i Mosesy avy eo mba hanasitrana azy, dia sitrana izy. Natokan-toerana fito andro izy aloha vao nahazo nody tao amin’ny tobin’ny Israely indray.—Nomery 12:10-15.

 Nanaiky hahitsy i Miriama, rehefa jerena ny Baiboly. Niresaka momba ny toerana niavaka nananan’i Miriama Andriamanitra, taonjato maro tatỳ aoriana. Nampahatsiahy ny Israelita izy tamin’izay hoe: “Naniraka an’i Mosesy sy Arona ary Miriama aho mba handeha teo alohanao.”—Mika 6:4.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Miriama? Hitantsika avy amin’ny tantarany hoe mihaino tsara Andriamanitra rehefa mifampiresaka ny mpanompony. Henoiny koa izay lazain’izy ireo momba ny mpiara-mivavaka aminy. Tsy tokony hanambony tena na hialona koa isika raha te hampifaly an’Andriamanitra. Mety hahatonga antsika hanala baraka olona mantsy ireo toetra ratsy ireo.

  Rahely

 Iza moa i Rahely? Zanak’i Labana izy. Samy vadin’i Jakoba izy sy Lea fa izy no tena tian’i Jakoba.

 Inona ny zavatra nataony? Niteraka roa lahy tamin’i Jakoba izy. Lasa anisan’ny razamben’ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely ireo zanany ireo. Tamin’i Rahely niandry ny ondrin’ny rainy no nihaona voalohany izy sy Jakoba. (Genesisy 29:9, 10) Tena “tsara bika” izy raha oharina tamin’i Lea zokiny vavy.—Genesisy 29:17.

 Tia be an’i Rahely i Jakoba, dia nanaiky hiasa fito taona tao amin’i Labana izy, amin’izay i Rahely lasa vadiny. (Genesisy 29:18) Nofitahin’i Labana anefa i Jakoba, dia i Lea indray no lasa vadiny. Taorian’izay izy vao navelany hanambady an’i Rahely.—Genesisy 29:25-27.

 I Rahely sy ny zanany roa lahy no tian’i Jakoba kokoa noho i Lea sy ny zanany. (Genesisy 37:3; 44:20, 27-29) Lasa nifampialona sy niady izy roa vavy vokatr’izany.—Genesisy 29:30; 30:1, 15.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Rahely? Tena mafy ny nahazo an’i Rahely tao an-tokantranony. Niaritra anefa izy sady natoky foana hoe mihaino ny vavaka ataony Andriamanitra. (Genesisy 30:22-24) Hita amin’ny tantaran’i Rahely hoe tsy mety ny manambady maro satria mampikorontana tokantrano izany. Tsy mahagaga raha niteny Andriamanitra tamin’ny voalohany hoe tokony ho vehivavy iray ihany ny vadin’ny lehilahy iray.—Matio 19:4-6.

  Rahaba

 Iza moa i Rahaba? Mpivaro-tena izy, ary nipetraka tao Jeriko, tany Kanana. Lasa nanompo an’i Jehovah Andriamanitra izy tatỳ aoriana.

 Inona ny zavatra nataony? Handeha hanafika ny tanànan-dry Rahaba ny Israelita indray mandeha, dia naniraka roa lahy aloha mba hitsikilo an’ilay tanàna. Nafenin’i Rahaba ry zareo mba tsy ho hitan’ny olona. Fantany mantsy hoe tsy maintsy haharesy ny Israelita, satria efa henony hoe nanampy an-dry zareo i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Efa nafahany avy tany Ejipta ry zareo, sady efa novonjeny rehefa notafihin’ny Amorita.

 Rehefa avy nanampy an’ireo mpitsikilo roa lahy ireo i Rahaba, dia niangavy an-dry zareo hoe mba tsy vonoina izy sy ny fianakaviany rehefa handrava an’i Jeriko ny Israelita. Nanaiky izy roa lahy, fa nanafatrafatra tsara hoe tsy tokony hotenitenen’i Rahaba an’iza na iza hoe nitsikilo an’ilay tanàna ry zareo. Tsy mahazo mivoaka ny trano koa i Rahaba sy ny fianakaviany rehefa tonga hanafika an’ilay tanàna ny Israelita. Tsy maintsy asian’i Rahaba tady mena midorehitra eo ivelan’ny varavarankeliny, mba ho mora fantatra hoe aiza izy no mipetraka. Narahin’i Rahaba tsara ny tenin’izy roa lahy, dia tsy maty izy mianakavy rehefa nanafika an’i Jeriko ny Israelita.

 Nanambady Israelita i Rahaba tatỳ aoriana, dia lasa razamben’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy.—Josoa 2:1-24; 6:25; Matio 1:5, 6, 16.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Rahaba? Resahin’ny Baiboly hoe tena nanam-pinoana i Rahaba. (Hebreo 11:30, 31; Jakoba 2:25) Hita amin’ny tantarany hoe tena mamela heloka Andriamanitra sady tsy manavakavaka. Tahiny foana izay olona matoky azy, na inona na inona fiaviany, ary na inona na inona zavatra nataony taloha.

  Rebeka

 Iza moa i Rebeka? Vadin’i Isaka izy, ary niteraka kambana roa lahy taminy. Jakoba sy Esao no anaran’izy roa lahy.

 Inona ny zavatra nataony? Nanao ny sitrapon’Andriamanitra foana izy, na dia sarotra taminy aza izany indraindray. Nisinton-drano teo am-pantsakana izy indray mandeha, dia nisy lehilahy nangataka rano kely taminy mba hosotroiny. Tonga dia nanome rano azy i Rebeka, sady niteny taminy hoe aleo omeny rano koa ny ramevany. (Genesisy 24:15-20) Mpanompon’i Abrahama io lehilahy io. Nirahin’i Abrahama izy mba hitady vady ho an’i Isaka zanany, dia nandeha lavitra be izy. (Genesisy 24:2-4) Nivavaka koa izy mba hotahin’Andriamanitra, dia hahita an’izay notadiaviny. Nazoto be mihitsy i Rebeka sady tia nandray vahiny, dia tonga saina ilay mpanompon’i Abrahama hoe novalian’i Jehovah ny vavaka nataony. Hoatran’ny hoe niteny taminy mihitsy i Jehovah hoe io no vady mety amin’i Isaka.—Genesisy 24:10-14, 21, 27.

 Henon’i Rebeka avy eo hoe haka vady ho an’i Isaka no tena anton-dian’ilay lehilahy. Nanaiky hanaraka azy izy, dia lasa vadin’i Isaka. (Genesisy 24:57-59) Niteraka kambana roa lahy i Rebeka tatỳ aoriana. I Esao no zokiny dia i Jakoba no zandriny. Niteny tamin’i Rebeka i Jehovah hoe hanompo an’ilay zandriny ilay zokiny. (Genesisy 25:23) Rehefa hitso-drano an’i Esao lahimatoany i Isaka tatỳ aoriana, dia nataon’i Rebeka izay hahazoan’i Jakoba an’ilay tsodrano, satria fantany hoe izay no tian’Andriamanitra.—Genesisy 27:1-17.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Rebeka? Nanetry tena i Rebeka. Nazoto koa izy fa tsy kamokamo, ary tia nandray vahiny. Nanana an’ireo toetra ireo foana izy, dia lasa vady tsara sady tena nahay nitaiza ny zanany, ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy.

  •  Raha te hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Rebeka ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Vonona Handeha Aho.

  Rota

 Iza moa i Rota? Moabita izy, ary nanompo sampy taloha. Nafoiny daholo anefa ny andriamaniny sy ny tany niaviany, dia lasa nanompo an’i Jehovah tany amin’ny tanin’ny Israely izy.

 Inona ny zavatra nataony? Tena tia be an’i Naomy rafozambaviny i Rota, dia nasehony tamin’ny nataony izany. Nipetraka tany Israely ry Naomy taloha, fa nisy mosary tany dia nifindra tany Moaba izy sy ny vadiny ary ny zanany roa lahy. Nanambady vehivavy moabita ireo zanany ireo tany. Rota sy Orpa no anaran’ny vadin’izy roa lahy. Maty anefa ny vadin’i Naomy sy ny zanany roa lahy tatỳ aoriana, dia izy telo mianaka sisa no tavela.

 Tsy nisy mosary intsony tany Israely, dia nanapa-kevitra i Naomy hoe hody amin’izay. Nanaraka azy i Rota sy Orpa. Nasain’i Naomy nody tany amin’ny fianakaviany anefa izy roa vavy teny an-dalana, dia niverina tokoa i Orpa. (Rota 1:1-6, 15) I Rota indray tsy nety fa nanaraka azy foana. Tena tiany i Naomy sady te hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Naomy izy.—Rota 1:16, 17; 2:11.

 Tsy nanary ny rafozambaviny mihitsy i Rota sady nazoto niasa, dia lasa nalaza tsara tao Betlehema, tanàna niavian’i Naomy. Nisy lehilahy nanankarena sady nanana tany be dia be tao. Boaza no anarany. Tena gaga izy nahita ny zavatra nataon’i Rota. Lasa nalala-tanana tamin’i Rota sy Naomy àry izy, dia nanome sakafo ho an-dry zareo. (Rota 2:5-7, 20) Nanambady an’i Boaza i Rota tatỳ aoriana, dia lasa razamben’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy.—Matio 1:5, 6, 16.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Rota? Vonona handao ny tany niaviany sy ny fianakaviany i Rota, satria tena tia an’i Naomy sady tena tia an’i Jehovah. Nazoto niasa sy nahafoy tena izy, ary tsy nivadika mihitsy, na dia niatrika olana be dia be aza.

  Saraha

 Iza moa i Saraha? Vadin’i Abrahama izy, ary renin’i Isaka.

 Inona ny zavatra nataony? Nanaiky hiala tao Ora izy satria tena nino ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama. Tanàna nanankarena i Ora, dia nilamina tsara ny fiainan-dry zareo tao. Nasain’Andriamanitra niala tao anefa i Abrahama, dia nasainy nifindra tany Kanana. Nampanantena Andriamanitra fa hotahiny i Abrahama ary hataony ho lasa firenena lehibe. (Genesisy 12:1-5) Mety ho efa 60 taona mahery i Saraha tamin’izany. Nifindrafindra monina ry zareo nanomboka tamin’izay, sady nipetraka tao anaty tranolay foana.

 Nampahatahotra izany hoe nifindrafindra monina izany. Nanohana an’i Abrahama anefa i Saraha rehefa nanapa-kevitra i Abrahama hoe hankatò an’Andriamanitra. (Genesisy 12:10, 15) Tsy nety nanan-janaka mihitsy i Saraha nandritra ny taona maro, dia nalahelo be. Efa nampanantena anefa Andriamanitra hoe homeny taranaka i Abrahama, dia hotahiny ny taranany. (Genesisy 12:7; 13:15; 15:18; 16:1, 2, 15) Nilaza mihitsy aza Andriamanitra tatỳ aoriana hoe hanan-janaka amin’i Abrahama i Saraha, nefa i Saraha tamin’izany efa tsy afaka niteraka intsony. Niteraka tokoa anefa izy tamin’izy efa 90 taona. I Abrahama indray efa 100 taona tamin’izany. (Genesisy 17:17; 21:2-5) Nataon-dry zareo hoe Isaka ny anaran’ilay zaza.

 Inona no ianarantsika avy amin’i Saraha? Hitantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Saraha fa afaka matoky foana isika hoe vitan’Andriamanitra ny manatanteraka an’izay nampanantenainy, na dia hoatran’ny hoe tsy ho tanteraka mihitsy aza ilay izy! (Hebreo 11:11) Nanaja ny vadiny foana koa i Saraha, dia modely ho an’ny vehivavy manambady.—1 Petera 3:5, 6.

  Tovovavy solemita

 Iza moa ilay tovovavy solemita? Tany ambanivohitra izy no nipetraka. Tsara tarehy izy, ary izy no tena resahina ao amin’ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Tononkiran’i Solomona. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe iza no anarany.

 Inona ny zavatra nataony? Mpiandry ondry ny olon-tiany. Tsy nety nisaraka tamin’io olon-tiany io mihitsy izy, na dia niezaka nambabo ny fony aza i Solomona, mpanjaka nanankarena be. Tsara tarehy be mantsy izy, dia nanaitra an’i Solomona. (Tononkiran’i Solomona 2:16; 7:6) Nampirisihin’ny olona izy hoe tsy aleony ve i Solomona toy izay ilay mpiandry ondry. Tsy nety mihitsy anefa izy. Ilay mpiandry ondry no tiany, na dia nahantra aza, dia tsy nety nisaraka taminy izy.—Tononkiran’i Solomona 3:5; 7:10; 8:6.

 Inona no ianarantsika avy amin’ilay tovovavy solemita? Nanetry tena foana izy na dia tsara tarehy sy tian’ny mpanjaka aza. Tsy nety nisaraka tamin’ilay olon-tiany izy na dia noteren’ny olona hanao an’izany aza. Tsy nety niova hevitra koa izy na dia nety ho lasa mpanankarena sy malaza aza raha nanambady an’i Solomona. Tsy mora nadalaina izy sady nadio fitondran-tena foana.

  Vadin’i Lota

 Iza moa ny vadin’i Lota? Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza no anarany. Resahiny ao anefa hoe nanan-janaka roa vavy izy, dia nipetraka tany Sodoma izy mianakavy.—Genesisy 19:1, 15.

 Inona ny zavatra nataony? Nisy zavatra nasain’Andriamanitra nataony, dia tsy nankatò izy. Ratsy fitondran-tena be ny olona tao Sodoma, dia nanapa-kevitra Andriamanitra hoe horavany ilay tanàna sy ny manodidina azy. Tia an’i Lota sy ny vady aman-janany anefa Andriamanitra satria olo-marina i Lota. Nandefa anjely roa àry Andriamanitra mba hitondra an-dry zareo hivoaka avy tao.—Genesisy 18:20; 19:1, 12, 13.

 Nasain’ireo anjely nandositra lavitra be ry zareo sady noteneniny hoe tsy mahazo mitoditodika mihitsy, raha tsy izany dia ho faty. (Genesisy 19:17) “Niherika” anefa ny vadin’i Lota, dia “lasa vongan-tsira mitsangana.”—Genesisy 19:26.

 Inona no ianarantsika avy amin’ny vadin’i Lota? Hita amin’ny tantarany hoe loza ny vokany rehefa tsy mankatò an’Andriamanitra ny olona iray satria tia harena loatra. Nampitandrina antsika momba an’izany mihitsy i Jesosy. Hoy izy: “Tsarovy ny vadin’i Lota.”—Lioka 17:32.

 Oviana no Nisy Ireo Vehivavy Voatantara ao Amin’ny Baiboly?

  1.  Eva

  2. Safodrano (2370 T.K.)

  3.  Saraha

  4.  Vadin’i Lota

  5.  Rebeka

  6.  Lea

  7.  Rahely

  8. Niala tany Ejipta ny Israelita (1513 T.K.)

  9.  Miriama

  10.  Rahaba

  11.  Rota

  12.  Debora

  13.  Jaela

  14.  Delila

  15.  Hana

  16. Mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely (1117 T.K.)

  17.  Abigaila

  18.  Tovovavy solemita

  19.  Jezebela

  20.  Estera

  21.  Maria (renin’i Jesosy)

  22. Natao batisa i Jesosy (29 A.K.)

  23.  Marta

  24.  Maria (iray tam-po amin’i Marta sy Lazarosy)

  25.  Maria Magdalena

  26. Maty i Jesosy (33 A.K.)