Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 2

Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 2

NORESAHINA TAO AMIN’NY FIZARANA VOALOHANY ny tombontsoa sy ny olana sasany mety ho hitanao rehefa manambady ianao.

ITY FIZARANA ITY kosa hiresaka hoe nahoana ianao no tokony ho vonona hiatrika an’ireo zavatra tsy ampoizina.

Asio ✔ eo akaikin’izay mety aminao. Asio tarehimarika eo akaikiny avy eo, ka alaharo arakaraka izay zava-dehibe aminao izany.

Tiako izay ho vadiko raha...

  • tsara bika sy tsara tarehy

  • mahatonga ahy hahatsiaro ho misy vidiny

  • mitovy tanjona amiko

  • tia ny fialam-boly tiako

Tsy diso ianao raha mitady olona hoatr’ireo rehefa te hanambady. Mety hahita olona mahafeno an’ireo fepetra rehetra ireo aza ianao. Miova anefa ny olona rehefa mandeha ny fotoana ary miova koa ny fiainana.

Fehiny: Tsy maintsy mivonona hiatrika ny zavatra tsy ampoizina ianao, raha te ho sambatra am-panambadiana.

Lafy tsarany: Mety hahafinaritra ny zavatra tsy ampoizina sasany.

“Tia vazivazy i Mino * ary tsy dia tena tiako izany tamin’izahay niaraka. Hitako anefa rehefa nivady izahay fa misy maha tsara an’ilay izy. Tsy dia hentitra be mantsy izahay, ka lasa tsy lehibe loatra ny olana natrehinay.”—Mamy.

Lafy ratsiny: Mety tsy hahafinaritra ny zavatra tsy ampoizina sasany. Intỳ misy ohatra:

Aoka atao hoe mikasa hanompo any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa ianareo roa. Ahoana raha marary mafy ilay vadinao rehefa mivady ianareo, ka tsy tratra ilay tanjona? “Mety ho azon-tsampona” mantsy ny rehetra, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 9:11) Azo inoana fa halahelo ianao satria marary ny vadinao. Kivy koa ianao satria tsy tratra ilay tanjona. Tsy maintsy manaiky ny zava-misy anefa ianao ary manao fanovana, raha sendra zavatra tsy ampoizina toy izany. Ny fitiavanao an’ilay olona tsinona no nanambadianao azy fa tsy ilay tanjona.

Fehiny: Milaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana” ireo manambady. (1 Korintianina 7:28) Zavatra tsy ampoizina indraindray no mety hampahory.

Inona no hanampy anao ho vonona hiatrika an’ireo zavatra tsy ampoizina? Misy zavatra roa tokony hataonao ireto, rehefa manambady ianao:

1. JEREO NY TENA ZAVA-MISY

Na mifanentana toy inona aza ianao sy ilay ho vadinao, dia tadidio fa

  • tsy voatery hitovy hevitra foana ianareo.

  • tsy voatery hitovy foana ny zavatra heverinareo ho zava-dehibe.

  • tsy voatery hitovy foana ny zavatra tianareo hatao.

  • tsy voatery ho toy ny tamin’ny voalohany foana ny fifankatiavanareo.

Fahita ireo nefa tsy voatery handrava ny fanambadianareo, raha tsy hoe efa izay no safidinareo. Tadidio fa “miaritra ny zava-drehetra” ny fitiavana, hoy ny Baiboly, sady “tsy ho levona mandrakizay.”—1 Korintianina 13:4, 7, 8.

Zava-misy: Ny fomba hiatrehanareo ny olana, raha ny marina, no mety hampaharitra na handrava ny fanambadianareo, fa tsy ny olana mitranga.—Kolosianina 3:13.

2. AZA MIVADIKA MIHITSY

Ho vitanareo mivady ny hiatrika an’ireo zavatra tsy ampoizina, raha tapa-kevitra ny tsy hisaraka mihitsy ianareo, na inon-kidona na inon-kihatra.—Matio 19:6.

Misy milaza fa maneritery ilay hoe tsy mahazo mivadika mihitsy. Tsy marina anefa izany. Hifandray tsara foana ianareo raha samy tsy mivadika. Rehefa mipoitra ny zavatra tsy ampoizina, dia hiara-mitady vahaolana ianareo mivady fa tsy hitady fomba hisarahana.

Jereo ny tena zava-misy ao amin’ny fanambadiana fa aza manonofinofy fotsiny, raha tsy te hivadika amin’ny vadinao ianao. Mba hahazoanao an’izany tsara, dia andramo izao manaraka izao.

1. Eritrereto hoe mahazo tapakila maimaim-poana ianao, ka afaka mandeha fiaramanidina any amin’izay toerana tianao haleha eto an-tany. Aiza no tianao haleha, ary nahoana?

Toerana haleha:

Antony:

  • hatsaran’ny toerana

  • kolontsaina

  • toetrandro

  • fialam-boly

  • hafa

2. Eritrereto hoe tapakila mandroso ihany no azonao ary tsy maintsy monina any amin’ilay toerana ianao.

Aiza indray no tianao haleha, raha handeha ianao?

  • Toerana haleha:

  • na

    Aleoko mijanona eto ihany.

Azo inoana fa tsy mitovy ny toerana tianao haleha amin’ireo toe-javatra roa ireo. Ary na mitovy aza, dia mety ho hafa mihitsy ny zavatra eritreretinao amin’ilay safidy faharoa. Tsy mihevitra ny tenanao ho toy ny mpanao vakansy mitsilailay eny amoron-dranomasina na mandehandeha eny an-tendrombohitra ianao, fa toy ny mponina miatrika ny fiainana isan’andro, na tsara izany na ratsy.

Hoatr’izany koa no tokony ho fiheveranao ny fanambadiana. Ny fiainana rahateo miova rehefa mandeha ny fotoana, ary toy izany koa ianao sy ny vadinao. Miankina betsaka amin’ny fahaizanareo miatrika an’izay zavatra tsy ampoizina no hahasambatra ny tokantranonareo.

Eritrereto izao: Rehefa misy zavatra tsy ampoizina mitranga, ahoana no ataonao amin’izao ianao mbola tsy manambady izao?

 

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Inona no zavatra mahafinaritra sy tsy mahafinaritra nitranga tamin’ianareo vao nivady nefa tsy nampoizinareo? Inona no hataoko mba ho vonona hiatrika ny zavatra tsy ampoizina aho rehefa manambady?