Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Lehilahy?

Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Lehilahy?

“Maty i Dada tamin’izaho telo taona. Mitsiriritra ny ankizy manana dada aho indraindray. Toa matoky tena kokoa noho izaho ry zareo.”—Andry. *

“Tsy nifandray firy izahay sy Dada. Izaho irery no tsy maintsy namantatra ny atao hoe tena lehilahy.”—Jao.

TOY izany koa ve ianao? Misy antony atahoranao ve hoe tsy ho tena lehilahy mihitsy ianao? Aza kivy raha izany no tsapanao!

Hiresaka olana roa fahita isika izao ary hojerentsika hoe inona ny vahaolana.

OLANA 1: Hevi-diso ananan’ny olona momba ny lehilahy

Izay lazain’ny olona:

  • Ny tena lehilahy tsy mba mitomany izany fa mafy toto.

  • Tsy mila toroana izay tokony hataony izy.

  • Ambony noho ny vehivavy ny lehilahy.

Fomba fijery hafa: Ny mifanohitra amin’ny zaza ny hoe lehilahy fa tsy ny mifanohitra amin’ny vehivavy. Tena lehilahy ianao rehefa ialanao ny toetran-jaza. Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Tena lehilahy sy matotra ianao rehefa tsy miteny na misaina na manao zavatra toy ny zaza intsony. *

Andramo izao: Soraty amin’ny taratasy ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  1. Eo amin’ny resaka inona aho no hita hoe efa tsy “zaza” intsony?

  2. Inona no mbola mila iezahako?

Andinin-teny hovakina: Lioka 7:36-50. Jereo hoe ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa tena lehilahy izy rehefa 1) niaro ny rariny sy 2) nanaja ny hafa, anisan’izany ny vehivavy.

“Mana-namana atao hoe Rivo aho. Mahafinaritra ahy izy satria matanjaka tsara sy tsy mora kivy, ary manam-pinoana be. Tsara fanahy anefa izy. Hitako àry fa ny tena lehilahy dia tsy manambanimbany ny hafa mba hanasongadinana ny tenany.”—Jao.

OLANA 2: Tsy manana ray tsara hotahafina

Izay lazain’ny olona:

  • Tsy ho hainao mihitsy ny atao hoe tena lehilahy raha tsy miara-mipetraka amin’ny rainao ianao.

  • Tsy maintsy hanahaka ny rainao ianao, raha tsy ohatra tsara izy.

Fomba fijery hafa: Tsy voatery hanjombona ny hoavinao raha tsy nahafinaritra ny fahazazanao. Afaka manarina ny toe-javatra misy anao ianao. (2 Korintianina 10:4) Araho ilay torohevitr’i Davida Mpanjaka ho an’i Solomona zanany hoe: “Mahereza ianao ary misehoa ho lehilahy.”—1 Mpanjaka 2:2.

Marina fa mety ho sarotra ilay hoe tsy raharahain’ny rainao ianao na tsy manana ray mihitsy. Hoy i Andry, ilay voaresaka terỳ aloha: “Voa mafy ny ankizy tsy mahalala ny rainy. Efa 25 taona aho izao, nefa hoatran’ny hoe izao aho vao mianatra ny zavatra efa tokony ho haiko tamin’ny mbola kely.” Inona no azonao atao raha hoatran’izany koa ianao?

Andramo izao: Mitadiava olona hanoro hevitra, ohatra hoe lehilahy tsara hotahafina. * Anontanio azy ny toetra tokony hananan’ny tena lehilahy sy ny azonao atao mba hananana an’ireo toetra ireo.—Ohabolana 1:5.

Andinin-teny hovakina: Ohabolana toko 1-9. Misy torohevitry ny raim-pianakaviana ao ka fantaro hoe inona no hanampy ny ankizilahy ho hendry sy ho lasa lehilahy matotra.

“Hitako hoe tsy very maina ny fiezahako ho tena lehilahy. Tiako aloha raha mba nifandray tsara tamiko i Dada. Matoky anefa aho fa tsy voatery hanjombona ny hoaviko.”—Jao.

 

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ Jereo ilay efajoro hoe  “Ny Zaza sy ny Lehilahy.”

^ Mety ho mpanoro hevitra tsara ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina.

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Inona no atao hoe tena lehilahy? Mba matotra ihany ve ny fahitanareo ahy?