Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Tendron’ny Elatry ny Voromahery

Ny Tendron’ny Elatry ny Voromahery

REHEFA manidina ny raoplanina, dia lasa misy rivotra mihodinkodina be eny amin’ny tendron’ny elany. Mampiadam-pandeha an’ilay fiaramanidina anefa ireny rivotra ireny, ka mandany solika. Lasa sahirana koa izay raoplanina hafa manaraka ny lalany, satria mitambolimbolina be ny rivotra nandalovany. Tsy maintsy atao mifanelanelana àry ny fotoana iaingan’ny fiaramanidina, mba ho tony aloha ny rivotra vao mandalo ny fiaramanidina hafa.

Nahita vahaolana amin’izany ny injeniera mpanamboatra fiaramanidina. Inona no nataony? Nalain’izy ireo tahaka ny elatry ny vorona sasany, izay mitsotra be rehefa manidina fa ny tendrony fotsiny no miforitra miakatra. Anisan’izany ny voromahery.

Diniho izao: Ataon’ireny vorona ngezabe ireny mahitsy miakatra ny tendrony elany. Nahoana? Tokony hitsotra tsara aloha ny elatry ny vorona, amin’izay izy afaka misidina eny ambony eny. Tsy afaka hanidina tsara anefa izy raha lava loatra ny elany. Aforitry ny vorona àry ny tendron’ny elany, amin’izay mihena ny halavan’ny elany nefa mbola afaka misidina tsara ihany izy. Mahazo aina kokoa ilay vorona amin’izay. Nanamboatra elatra raoplanina mitovy amin’izany koa àry ny injeniera. Nanao fanandramana izy ireo, ka nahita fa tsara sy matanjaka kokoa ny fiaramanidina raha mahitsy tsara mitodika any amin’ny lalan’ny rivotra ny tendron’ilay elatra. Nahoana? Hazavain’ny Rakipahalalana Momba ny Fiaramanidina (anglisy) fa ‘vao mainka manosika an’ilay raoplanina mba handroso ireny tendrony miforitra ireny, sady mampihena ny hery misintona azy hiverina.’ Mihakely mantsy ny rivotra mihodinkodina eo akaikin’ny elany.

Rehefa miforitra miakatra ny tendron’ny elatry ny raoplanina, dia afaka mandeha lavitra kokoa ilay izy, sady afaka mitondra entana mavesatra kokoa, ary fohy kokoa ny elany ka tsy mibahan-toerana rehefa mipetraka izy. Mitsitsy solika koa ilay izy, ka nanao tatitra ny NASA fa “nihena 7 600 tapitrisa litatra ny solika nampiasain’ny fiaramanidina eran-tany” tamin’ny 2010. Nihena be koa àry ny setroka avy amin’ny raoplanina.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny tendron’ny elatry ny voromahery, sa nisy namorona?