Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Raha Manontany Momba ny Olona Maty ny Zanakao

Raha Manontany Momba ny Olona Maty ny Zanakao

OLANA

Vao enin-taona ny zanakao, nefa manontany anao hoe: “Ho faty koa ve ianao?” Taitra ianao sady mieritreritra hoe: ‘Ahoana no hanazavako an’izany aminy? Ho takatry ny sainy ve ilay izy?’

TSARA HO FANTATRAO

Mieritreritra momba ny fahafatesana ny ankizy. Ataony kilalao mihitsy aza ilay izy, ka mody manao maty ny sasany. Aza eritreretina àry hoe fady ny miresaka an’izany amin’ny ankizy. Avelao kosa izy hametraka fanontaniana. Raha tsy manafinafina ianao fa miresaka tsara momba ny fahafatesana, dia hanampy ny zanakao izany raha sendra misy maty ao amin’ny fianakaviana.

Tsy ho lasa saro-tahotra ny zanakao raha iresahanao momba ny fahafatesana. Vao mainka aza izany hanampy azy tsy hatahotra. Mety ho diso hevitra anefa izy, ka mila manitsy azy ianao. Milaza, ohatra, ny manam-pahaizana fa matetika ny ankizy latsaka ny enin-taona no tsy mahalala hoe tsy mifoha intsony ny maty. Rehefa manao “maty” mantsy izy ireo, dia vetivety ihany dia manao “velona” indray.

Mihatonga saina anefa ny ankizy rehefa mihalehibe, ka mety hametraka fanontaniana be dia be momba ny fahafatesana. Mety hisy zavatra hampanahy na hampatahotra azy koa, indrindra raha nisy maty tao amin’ny fianakaviana. Tena ilaina àry ny manazava aminy momba ny fahafatesana. Hoy ny Profesora Marion Haza: “Lasa mampahatahotra ny ankizy ny resaka fahafatesana, raha tsapany hoe hoatran’ny tsy mahazo miresaka momba an’izany izy ao an-trano.”

Tsy mila mieritreritra be ianao hoe inona no holazaina. Nasehon’ny fanadihadiana fa ‘ny marina fotsiny no tian’ny ankizy ho fantatra, saingy tokony ho tsara fanahy ianao rehefa milaza an’ilay izy.’ Aza matahotra fa tsy hametraka fanontaniana ny zanakao, raha tsy efa vonona hihaino ny valiny izy.

INONA NO AZONAO ATAO?

Jereo izay fotoana mety. Raha mahita vorona maty ny zanakao, na koa raha maty ny sakany na ny alikany, dia mametraha fanontaniana tsotra. Ohatra hoe: “Mbola mijaly ve izao io biby maty io? Mety hoe mangatsiaka na noana ve izy? Ahoana no ahafantarana hoe maty ny biby iray na ny olona iray?”—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 3:1, 7.

Aza afenimpenina ny marina. Raha misy namana na havana maty, dia tsory aminy ilay izy, fa aza atao hoe: “Lasa izy” na ny toy izany. Mety hihevitra mantsy ny zanakao hoe vetivety dia hiverina ilay olona maty. Ataovy tsotra sy mivantana kosa ny teninao. Ohatra hoe: “Maty i bebe, dia tsy afaka mihetsika intsony ny vatany. Tsy afaka miresaka aminy isika, nefa tsy hoe manadino an’azy fa mbola mieritreritra an’azy foana.”—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 4:25.

Mety hihevitra ny ankizy hoe hoatran’ny areti-mifindra ny fahafatesana, ka omeo toky izy fa tsy marina izany

Omeo toky ny zanakao. Mety hihevitra mantsy izy hoe ny zavatra nataony na noeritreretiny no nahafaty an’ilay namana na fianakaviana. Aza miteny fotsiny hoe tsy izy no diso, fa anontanio izy hoe: “Inona no mahatonga anao hieritreritra an’izany?” Henoy tsara izy, ary aza atao tsinontsinona izay tsapany. Mety hihevitra koa izy hoe hoatran’ny areti-mifindra ny fahafatesana, ka omeo toky izy fa tsy marina izany.

Ataovy izay hahatonga azy hiresaka. Tantarao ny momba ny havanareo efa maty, na dia mbola tsy hitany mihitsy aza ilay olona. Resaho, ohatra, izay nahafinaritra anao momba ny nenitoa na dadatoa na bebenareo, ary mitantarà zavatra mampihomehy kely. Raha tsy misalasala miresaka momba ny olona efa maty ianao, dia ho tsapan’ny zanakao hoe tsy mampaninona ny miresaka na mieritreritra momba azy ireny. Aza terena anefa izy raha tsy te hiresaka. Mbola afaka miresaka foana ianao, amin’ny fotoana hitanao fa mety.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 20:5.

Natao ho an’ny ankizy ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hazavain’ny toko 34 sy 35 izay lazain’ny Baiboly momba ny maty. Jereo ao amin’ny hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY