Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Inona no Hanampy An’ireo Tanora Kivy Be?

Inona no Hanampy An’ireo Tanora Kivy Be?

HOY i Anna: * “Misy fotoana aho kivy be dia tsy te hanao n’inona n’inona, na dia ny zavatra tiako aza. Te hatory foana aho. Matetika aho no mieritreritra hoe tsisy mpitia sady tsisy vidiny, ary enta-mavesatra ho an’ny hafa.”

Hoy i Mitia: “Nieritreritra ny hamono tena aho. Tsy tena te ho faty anefa aho, fa tsy te ho kivy be intsony fotsiny. Tia manampy olona aho, nefa lasa tsy te hiraharaha an’iza n’iza sady tsy te hanao n’inona n’inona rehefa kivy be.”

Nanomboka tamin’izy ireo 13 taona teo ho eo i Anna sy Mitia no kivy be. Marina fa mety ho kivy ny tanora indraindray, nefa ny azy roa vavy naharitra herinandro vitsivitsy na amam-bolana mihitsy, ary efa lasa aretina. Hoy i Anna: “Toy ny hoe tafahitsoka ao anaty lavaka maizim-be ianao. Hoatran’ny mitady ho lasa adala izany ianao, fa tsy hoatran’ny isan’andro.”

Tsy i Anna sy Mitia ihany no tratran’izany. Toa mihamaro foana izao ny tanora kivy be. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa io olana io no “tena mahatonga ny ankizilahy sy ankizivavy 10 ka hatramin’ny 19 taona harary sy ho sembana ara-batana na ara-tsaina.”

Izao no ahitana fa kivy be ny tanora iray: Tsy mahita tory izy na be torimaso loatra, malain-komana na mazoto homana be, ary mahia kely na matavy be. Mety halahelohelo izy, hahatsiaro ho tsy misy vidiny, na hieritreritra hoe tsy hisy mangirana mihitsy ny fiainany. Mety hitokantokana koa izy, te hamono tena, tsy hifantoka na ho very tadidy, ary hahitana soritr’aretina tsy hay hazavaina. Ahoana no ahalalan’ny mpitsabo raha efa lasa aretina ny hakivian’ny tanora iray? Matetika no jereny hoe inona amin’ireo famantarana ireo no efa mitranga mandritra ny herinandro maromaro, ka mahatonga an’ilay tanora tsy hahavita ny zavatra fanaony.

INONA NO METY HAHATONGA NY TANORA HO KIVY BE?

Milaza ny OMS fa ‘maro ny antony mahatonga izany. Tsy zakan’ilay tanora angamba ny fomba itondran’ny hafa azy, na miady saina izy, na manana olana ara-batana.’

Olana ara-batana. Toa an’i Mitia, dia matetika no lasa kivy be ny tanora iray raha efa nisy tratran’izany ny fianakaviany. Mety hanaranaka àry io aretina io. Misy vokany eo amin’ny fomba fiasan’ny atidoha angamba ny fototarazo. Anisan’ny mahatonga ny tanora ho kivy be koa ny aretim-po sy ny fiovan’ny fatran’ny hormonina, ary ny zava-mahadomelina sy ny toaka. Mety ho vao mainka kivy be izy raha mpidoroka. *

Adin-tsaina. Tsy mampaninona ny hoe miady saina kely. Mankarary anefa izany raha be loatra. Mbola miovaova ny hormonina ao amin’ny tanora, ka mety ho mora kivy be izy ireo raha miady saina lava. Tsy tena fantatra anefa hoe nahoana no misy tanora kivy be. Mety ho antony maromaro mitambatra no mahatonga izany, araka ny hita terỳ aloha.

Ireto no anisan’ny mampiady saina ny tanora ka mahatonga azy ho kivy be: Nisaraka ny ray aman-dreniny, nisy havany maty, nisy namono izy na nametaveta, tratran’ny loza, na marary. Ho kivy be koa izy raha mahatsiaro hoe ailikiliky ny hafa satria votsa saina. Ankoatra izay dia mety hanantena azy hahavita zavatra tsara be ny ray aman-dreniny, ohatra hoe eo amin’ny resaka fianarana. Ampijalin’ny ankizy koa angamba izy, manahy momba ny hoavy, kivy be ny rainy na ny reniny ka tsy miraharaha azy, na miovaova be ny fomba itondran’ny ray aman-dreniny azy. Inona àry no mety hanampy ny tanora raha lasa kivy be izy?

MIEZAHA HANANA VATANA SY SAINA SALAMA

Matetika no mahasoa an’ireo tanora lasa kivy be ny mihinana fanafody sy manatona mpitsabo aretin-tsaina. * Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary.” (Marka 2:17) Mety hisy vokany amin’ny vatantsika sy ny saintsika tokoa ny aretina. Ilaina koa angamba ny manova ny fomba fiainantsika satria mifampiankina ny vatana sy ny saina.

Raha kivy be ianao, dia miezaha hanana vatana sy saina salama. Ataovy tanjona, ohatra, ny hihinana sakafo mahasalama, ho ampy torimaso, ary hanao fanatanjahan-tena tsy tapaka. Misy zavatra simika mivoaka ao amin’ny atidohanao rehefa manao fanatanjahan-tena ianao. Hanampy anao ho falifaly sy hatanjaka ary hatory tsara izy io. Raha mety, dia fantaro ny antony mahatonga anao ho kivy be. Jereo koa izay famantarana hoe mitady ho kivy be ianao ary mamoròna tetikady. Miresaha amin’ny olona atokisanao ary miaraha amin’ny havana sy namana vonon-kanampy. Mety tsy dia ho kivy be ianao amin’izay. Soraty ao anaty diary ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao. Izany no nanampy an’i Mitia, ilay voaresaka tany aloha. Aza hadinoina koa ny mifandray amin’Andriamanitra, satria hanampy anao hanana fomba fijery tsara momba ny fiainana izany. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Mihinàna sakafo mahasalama, manaova fanatanjahan-tena, ary miezaha ho ampy torimaso

Miezaha hifandray amin’Andriamanitra fa hampahery anao izany

Samy nahita i Anna sy Mitia hoe marina ny tenin’i Jesosy. Manao zavatra manampy azy hifandray amin’Andriamanitra i Anna. Hoy izy: “Lasa mifantoka amin’izay hahasoa ny hafa aho, fa tsy amin’ny olana mahazo ahy. Tsy mora foana ilay izy nefa lasa faly kokoa aho.” Mampahery an’i Mitia ny mivavaka sy mamaky Baiboly. Hoy izy: “Lasa tony aho rehefa mamboraka ny ao am-poko amin’Andriamanitra. Rehefa mamaky Baiboly aho, dia tsapako hoe mikarakara ahy Andriamanitra sady sarobidy aminy aho. Manantena hoavy tsara koa aho.”

I Jehovah no Mpamorona ka takany tsara hoe misy vokany eo amin’ny fomba fijerin’ny olona sy ny fihetseham-pony ny fomba itaizana azy sy ny zavatra niainany ary ny fototarazony. Afaka manampy sy mampahery antsika àry izy, ka mety hampiasa olona tsara fanahy sy mahatakatra tsara ny mahazo antsika. Mbola hositraniny koa ny aretina rehetra, na ara-batana na ara-tsaina. Hoy ny Isaia 33:24: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”

Mampanantena ny Baiboly fa hofafan’Andriamanitra ‘ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’ (Apokalypsy 21:4) Mampahery tokoa izany! Raha te hahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona àry ianao, dia midira ao amin’ny tranonkala jw.org/mg. Hahita Baiboly marina tsara ianao ao ary koa lahatsoratra samihafa, anisan’izany ny momba ny hakiviana.

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

^ feh. 10 Karazana aretina sy fanafody ary rongony an-jatony no mety hisy vokany amin’ny fihetseham-po, ka ilana fitsaboana.

^ feh. 14 Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza!