Hijery ny anatiny

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Kivy Aho?

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Kivy Aho?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Andriamanitra no tena afaka manampy ny kivy, satria milaza ny Baiboly fa Andriamanitra “mampionona” izy.—2 Korintianina 7:6.

Ahoana no hanampian’Andriamanitra ny kivy?

  •   Manome hery izy. Rehefa “mampionona” anao Andriamanitra, dia tsy hoe hesoriny daholo akory ny olana rehetra mahazo anao. Mamaly ny vavaka ataonao kosa izy raha mangataka hery aminy ianao mba hiatrehanao an’ilay olana. (Filipianina 4:13) Afaka matoky ianao fa vonona hihaino anao izy. Hoy mantsy ny Salamo 34:18: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.” Raha ny marina aza, dia fantany izay tena tianao hangatahina na dia tsy hainao aza ny milaza an’izay tena ao am-ponao.—Romanina 8:26, 27.

  •   Ampahafantariny azy ireo ny ohatra tsara navelan’ny mpanompony fahiny. Nisy mpanoratra Baiboly nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Tao anatin’ny fahoriana lalina no niantsoako anao!” Nahavita niatrika ny hakiviany io mpanoratra Baiboly io rehefa nitadidy hoe te hamela ny fahotantsika Andriamanitra. Hoy izy momba an’Andriamanitra: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô? Fa ao aminao ny tena famelan-keloka, mba hatahorana anao.”—Salamo 130:1, 3, 4.

  •   Manome fampanantenana izy. Hitantsika teo fa mampionona ny kivy Andriamanitra izao. Tsy izay ihany anefa fa mampanantena koa izy hoe hesoriny daholo izay rehetra mahatonga ny olona ho kivy. Rehefa tanteraka izany dia “tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha”, anisan’izany ny hakiviana.—Isaia 65:17.

 Fanamarihana: Miaiky izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe manampy Andriamanitra. Mitsabo tena any amin’ny dokotera koa izahay rehefa marary, ohatra hoe rehefa lasa aretina mihitsy ny hakiviana. (Marka 2:17) Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana anefa izahay, fa ilay marary ihany no hanapa-kevitra ny amin’izany.