Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mahita Torohevitra Tsara Ianao

Afaka Mahita Torohevitra Tsara Ianao

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tao an-tsain’ny mpanoratra Baiboly ny heviny.

Tian’Andriamanitra handray soa amin’ny toroheviny ianao

“Izaho Jehovah no ... mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao. Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!”​—ISAIA 48:17, 18.

Ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy no ilazan’Andriamanitra an’ireo. Tiany hilamin-tsaina sy ho sambatra mandrakizay ianao, ary afaka manampy anao amin’izany izy.

Afaka mahita ny torohevitr’Andriamanitra ianao

“Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra ... ny vaovao tsara.”​—MARKA 13:10.

Anisan’ny “vaovao tsara” ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hijaly intsony ny olona, ho paradisa ny tany, ary hatsangana ny havantsika efa maty. Izany no torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.