Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo Bisikoỳ ny Alikakeliko!

Nahazo Bisikoỳ ny Alikakeliko!

MIPETRAKA any Oregon, any Etazonia, i Nick. Izao no nosoratany: “Voalohandohan’ny taona 2014 tamin’izay. Nentiko nandehandeha tany afovoan-tanàna ny alikakeliko anankiroa. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nanao fampirantiana foana tao. Niakanjo tsara ry zareo ary niarahaba an’izay rehetra nandalo sady nitsikitsiky erỳ.

“Tsy tamin’ny olona ihany ny Vavolombelona no tsara fanahy, fa tamin’ny alikako koa. Elaine no anaran’ilay vehivavy nanao fampirantiana teo indray andro. Nomeny bisikoỳ ny alikako. Rehefa nandalo teny akaiky teny izahay tatỳ aoriana, dia nosintonin’ny alikako ho eny amin’ilay fampirantiana aho, satria te hahazo bisikoỳ ry zareo.

“Nandeha teny ny volana. Ny alikako nankafy bisikoỳ, moa izaho nankafy resadresaka kely niaraka tamin’ireo Vavolombelona. Tsy te hinamana be tamin-dry zareo anefa aho. Efa 70 taona mahery mantsy aho tamin’izay, sady tsy tena haiko tsara ny zavatra inoan’ny Vavolombelona. Izaho rahateo efa diso fanantenana tamin’ny Fivavahana Protestanta, dia naleoko nianatra Baiboly samirery.

“Tao anatin’izany fotoana izany, dia nahita Vavolombelona nanao fampirantiana aho tany amin’ny faritra hafa tao an-tanànanay. Nahafinaritra be koa ry zareo, sady vonona hamaly ny fanontaniako momba ny Baiboly. Lasa natoky kokoa an-dry zareo aho noho izany.

“Nanontany ahy i Elaine, indray andro, hoe: ‘Mino ve ianao fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny biby?’ Izao no navaliko azy: ‘Ie, tena mino aho!’ Novakiny tamiko avy eo ny Isaia 11:6-9. Lasa te hianatra Baiboly aho nanomboka teo, na dia mbola tsy nazoto handray boky sy gazety aza.

“Brent no anaran’ny vadin’i Elaine. Nahafinaritra ny resadresaka nataoko tamin’izy mivady taorian’izay, na dia fohy aza. Nasain-dry zareo namaky ny Matio hatramin’ny Asan’ny Apostoly aho, mba hahalalako hoe hoatran’ny ahoana izany tena Kristianina izany. Dia namaky tokoa aho! Nanaiky hianatra Baiboly tamin’izy mivady aho tsy ela taorian’izay. Tapatapaky ny taona 2016 tamin’izay.

“Tsy andriko ny fotoana hianarako Baiboly isan-kerinandro sy ny hivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Faly aho fa nahalala an’izay tena resahin’ny Baiboly. Natao batisa aho herintaona mahery kely taorian’izay, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa 79 taona aho izao, ary haiko hoe io ny fivavahana marina. Notahin’i Jehovah aho, dia navelany ho anisan’ny fianakaviany maneran-tany.”