Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 16

Mifalia Amin’izay Tsara Indrindra Omenao An’i Jehovah

Mifalia Amin’izay Tsara Indrindra Omenao An’i Jehovah

‘Aleo ny tsirairay samy handinika an’izay ataony.’​—GAL. 6:4.

HIRA 37 Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho

HO HITANAO ATO a

1. Inona no tena mahafaly antsika?

 TIAN’I Jehovah ho faly isika. Matoky an’izany isika satria anisan’ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra ny fifaliana. (Gal. 5:22) Tena faly isika rehefa be atao eo amin’ny fanompoana sy manampy an’ireo rahalahy amin’ny fomba isan-karazany. Mahasambatra kokoa mantsy ny manome noho ny mandray.​—Asa. 20:35.

2-3. a) Inona ny zavatra roa hanampy antsika ho faly foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, araka ny Galatianina 6:4? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Niresaka zavatra roa hanampy antsika ho faly foana ny apostoly Paoly, ao amin’ny Galatianina 6:4. (Vakio.) Voalohany, ny hanome an’i Jehovah ny tsara indrindra vitantsika no tokony ho tanjontsika. Tokony ho faly isika rehefa manome an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika. (Mat. 22:36-38) Faharoa, tsy tokony hampitaha tena amin’ny hafa isika. Tokony hankasitraka an’i Jehovah foana isika, na inona na inona vitantsika noho ny fahasalamantsika, ny fampiofanana azontsika, na ny fahaizantsika. Avy aminy daholo mantsy izay ananantsika. Tokony ho faly koa isika rehefa mahay kokoa noho isika ny hafa amin’ny karazana fanompoana sasany. Ampiasainy hiderana an’i Jehovah mantsy ny talentany, fa tsy hoe mba hahatonga azy hisongadina na hahazoany tombontsoa. Aleo àry mianatra avy aminy fa tsy mifaninana aminy.

3 Horesahintsika ato hoe inona no hanampy antsika raha kivy isika satria tsy dia mahavita be amin’ny fanompoana. Horesahina ato koa hoe ahoana no hampiasantsika tsara ny fahaizantsika, ary inona no ianarantsika avy amin’ny modely omen’ny hafa.

TSY MAHAVITA BE AMIN’NY FANOMPOANA

Mampifaly an’i Jehovah isika raha manome ny tsara indrindra avy amintsika foana mandritra ny androm-piainantsika (Fehintsoratra 4-6) b

4. Inona no mety hahatonga antsika ho kivy? Manomeza ohatra.

4 Tsy mahavita be amin’ny fanompoana intsony ny mpanompon’i Jehovah sasany, satria mandroso taona na marary. Izany no nitranga tamin’i Carol. Nanitatra faritany izy taloha. Nanana mpianatra Baiboly 35 izy tamin’izany, ary nanampy ny sasany tamin-dry zareo ho tonga hatramin’ny fanokanan-tena sy ny batisa. Tena nahita vokatra i Carol teo amin’ny fanompoana! Lasa narary anefa izy, dia zara raha afaka mivoaka ny trano. Izao no nolazainy: “Haiko hoe ny aretiko no mahatonga ahy tsy hahavita be hoatran’ny olon-kafa. Lasa mieritreritra anefa aho hoe tsy tena mahafoy tena hoatran-dry zareo. Kivy aho satria te hanao zavatra be dia be ho an’i Jehovah nefa tsy mahavita.” Te hanao an’izay rehetra azony atao ho an’i Jehovah i Carol. Tena mendri-piderana izany! Afaka matoky isika hoe mankasitraka ny toe-tsaina tsara ananany i Jehovah, ilay Andriamanitra be fangorahana.

5. a) Inona no tokony hotadidintsika raha kivy isika satria tsy mahavita be amin’ny fanompoana? b) Ahoana no ampisehoan’ilay rahalahy eo amin’ny sary hoe manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana izy?

5 Kivy ve ianao indraindray satria tsy mahavita be amin’ny fanompoana? Saintsaino izao: ‘Inona moa no takin’i Jehovah amiko?’ Ny tsara indrindra, izany hoe izay tsara indrindra vitanao amin’izao. Eritrereto ity ohatra ity: Kivy ny anabavy iray 80 taona satria tsy afaka manompo betsaka hoatran’ny tamin’izy 40 taona. Mieritreritra izy hoe tsy mampifaly an’i Jehovah ny zava-bitany na dia efa manome ny tsara indrindra aza izy. Izany ve no tena marina? Eritrereto izao: Nanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah io anabavy io tamin’izy 40 taona, ary mbola manome ny tsara indrindra foana amin’izao izy efa 80 taona izao. Midika izany hoe nanome ny tsara indrindra foana izy hatramin’izay. Raha manomboka mieritreritra isika hoe tsy tena mampifaly an’i Jehovah ny fanompoana vitantsika, dia mila mitadidy isika fa i Jehovah no mamaritra hoe hoatran’ny ahoana ny fanompoana mampifaly azy. Rehefa manome ny tsara indrindra ho azy isika, dia hoatran’ny miteny amintsika izy hoe: “Tsara izany vitanao izany!”​—Ampitahao amin’ny Matio 25:20-23.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Maria?

6 Ho mora kokoa amintsika ny hifaly amin’ny fanompoana, raha izay azontsika atao no ifantohantsika fa tsy izay tsy azontsika atao. Diniho ny ohatry ny anabavy iray atao hoe Maria. Tsy salama izy dia tsy mahavita be amin’ny fanompoana. Kivy izy tamin’ny voalohany, sady nieritreritra hoe tsy nisy nilana azy. Tadidiny anefa hoe misy anabavy marary ao amin’ny fiangonan-dry zareo, dia tsy afaka miala eo am-pandriana. Nanapa-kevitra hanampy azy àry i Maria. Izao no nolazain’i Maria: “Nifanao fotoana izahay mba hiaraka hitory an-telefaonina sy an-taratasy. Isaky ny avy nanompo izahay, dia faly sy afa-po aho rehefa nody satria afaka nanampy an’ilay rahavaviko.” Hoatr’izany koa isika. Ho faly kokoa isika raha mifantoka amin’izay azontsika atao, fa tsy amin’izay tsy azontsika atao. Ahoana anefa raha afaka manao be amin’ny fanompoana isika, na tena havanana amin’ny karazana fanompoana sasany?

“AMPIASAO” IZAY FAHAIZANA ANANANAO

7. Inona no torohevitra nomen’ny apostoly Petera?

7 Nampirisika an’ireo rahalahiny ny apostoly Petera, ao amin’ilay taratasy voalohany nosoratany, hoe mila mampiasa ny fahaizana sy ny talenta ananany izy ireo mba hampaherezana ny mpiara-manompo aminy. Hoy izy: “Ampiasao mba hifanompoana izay nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara izay manampy ny hafa handray soa amin’ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:10) Tsy tokony hisalasala hampiasa ny fahaizana na talenta ananantsika isika, satria fotsiny hoe matahotra sao dia hialona antsika ny hafa na ho kivy. Raha manao an’izany mantsy isika, dia tsy manome an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika.

8. Nahoana isika no tsy tokony hirehareha amin’ny fahaizantsika, araka ny 1 Korintianina 4:6, 7?

8 Mila mampiasa tsara ny fahaizanao ianao, nefa tsy tokony hirehareha. (Vakio ny 1 Korintianina 4:6, 7.) Tena manavanana anao angamba ny manomboka fampianarana Baiboly. Tokony hampiasa an’izany fahaizanao izany ianao. Tadidio anefa fa samy hafa ny hoe mampiasa an’ilay fahaizana sy ny hoe mirehareha amin’ilay izy. Andao hatao hoe nahafinaritra be ny fanompoana nataonao, dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly ianao. Maika erỳ ianao hitantara an’izany amin’ny andia-mpitory misy anao. Rehefa tafahaona tamin-dry zareo anefa ianao, dia nisy anabavy iray nitantara hoe afaka nametraka gazety izy. Izy afaka nametraka gazety, fa ianao afaka nanomboka fampianarana Baiboly. Dia inona izany no hataonao? Fantatrao hoe hampahery an’ilay andia-mpitory ny fitantaranao. Mety hanapa-kevitra anefa ianao hoe: ‘Aleo aho amin’ny manaraka vao hitantara an’ilay izy sao hihena ny fifalian’ilay anabavy afaka nametraka gazety.’ Tsara fanahy ianao raha manao an’izany. Miezaha foana anefa manasa olona hianatra Baiboly. Manana an’izany fahaizana izany ianao, dia ampiasao ilay izy!

9. Ahoana no tokony hampiasantsika ny fahaizantsika?

9 Mila tadidintsika hoe avy amin’Andriamanitra daholo ny fahaizana ananantsika. Tokony hampiasaintsika hampaherezana ny fiangonana izany, fa tsy mba hahatonga antsika hisongadina. (Fil. 2:3) Ho faly isika raha mampiasa ny herintsika sy ny fahaizantsika mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Nahoana isika no ho faly? Satria ve hoe mahavita be noho ny hafa isika, na lasa ambony kokoa noho izy ireo? Tsy izany! Faly isika satria ampiasaintsika hiderana an’i Jehovah ny fahaizantsika.

10. Nahoana no tsy tsara ny mampitaha tena amin’ny hafa?

10 Raha tsy mitandrina ny olona iray dia mety hampitaha an’izay manavanana azy amin’ny zavatra tsy hain’ny olon-kafa. Fandrika anefa izany. Andao hatao hoe mahay manao lahateny be ny rahalahy iray. Izay no tena manavanana azy. Mety hanao tsinontsinona ny rahalahy iray tsy tena mahay manao lahateny anefa izy any am-pony any. Mety hanana ny manavanana azy koa anefa io rahalahy io. Mahay mandray vahiny be angamba izy, na mahavita mampiofana tsara ny zanany, na mazoto manompo. Tena faly isika hoe manana rahalahy sy anabavy be dia be mampiasa ny fahaizany, mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-manompo.

MIANARA AVY AMIN’NY MODELY OMEN’NY HAFA

11. Nahoana isika no tokony hiezaka hanahaka ny modely nomen’i Jesosy?

11 Marina aloha hoe tsy tokony hampitaha tena amin’ny hafa isika. Afaka mianatra avy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika anefa isika, anisan’izany i Jesosy. Lavorary izy, fa isika kosa tsy hoatr’izany. Na izany aza, dia afaka mianatra avy amin’ny toetra tsarany sy ireo zavatra mahafinaritra be dia be nataony isika. (1 Pet. 2:21) Rehefa miezaka manahaka ny modely nomen’i Jesosy araka izay vitantsika isika, dia ho tsara toetra kokoa sady hahita vokatra kokoa eny amin’ny fanompoana.

12-13. Inona no ianarantsika avy amin’i Davida Mpanjaka?

12 Betsaka ny lehilahy sy vehivavy manam-pinoana voaresaka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy lavorary izy ireny nefa tena azontsika tahafina. (Heb. 6:12) Anisan’izany i Davida Mpanjaka, ilay nantsoin’i Jehovah hoe: “Lehilahy sitraky ny foko.” (Asa. 13:22) Misy Baiboly hafa koa mandika azy io hoe: “Ilay karazan’olona ankasitrahako indrindra.” Tsy lavorary anefa i Davida. Nanao fahadisoana lehibe maro aza izy. Na izany aza dia ohatra tsara ho antsika izy. Nahoana? Satria rehefa nahitsy izy dia tsy nanamarin-tena. Nanaiky an’izay torohevitra nomena azy kosa izy, ary tena nanenina tamin’ny zavatra nataony. Namela ny helony i Jehovah noho izany.​—Sal. 51:3, 4, 10-12.

13 Te hanahaka an’i Davida ve ianao? Saintsaino àry izao: ‘Ahoana no ataoko rehefa omena torohevitra aho? Tonga dia miaiky ny fahadisoako ve aho, sa miezaka manamarin-tena? Maika hanome tsiny ny hafa ve aho? Miezaka mafy ve aho mba tsy hamerina ny fahadisoako?’ Afaka misaintsaina fanontaniana hoatr’ireo ianao, rehefa mamaky ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy manam-pinoana ao amin’ny Baiboly. Niatrika olana hoatran’ny anao ve ry zareo? Inona no toetra tsara nasehony? Isaky ny mamaky tantaran’olona iray tsy nivadika ianao, dia saintsaino izao: ‘Inona no azoko atao mba hitovy kokoa amin’io mpanompon’i Jehovah io aho?’

14. Inona ny soa horaisintsika raha mandinika ny mpiara-manompo isika?

14 Handray soa koa ianao raha mandinika ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonanareo, na tanora izy na antitra. Misy rahalahy na anabavy fantatrao hoe nahavita tsy nivadika ve na dia niatrika ny mafy aza, ohatra hoe teren’ny hafa hanao ratsy, na enjehin’ny fianakaviana, na tsy salama? Misy toetra tsara hitanao hoe ananan-dry zareo ve ka mba tianao hananana kokoa? Raha mandinika ny modely omen’izy ireny ianao, dia hahita fomba hiatrehana ny fitsapana mahazo anao koa. Tena faly isika hoe misy olona manam-pinoana azontsika tahafina hoatr’izany manodidina antsika!​—Heb. 13:7; Jak. 1:2, 3.

MIFALIA AMIN’NY FANOMPOANAO AN’I JEHOVAH

15. Inona ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly, ka manampy antsika ho faly foana rehefa manompo an’i Jehovah?

15 Samy mila manome ny tsara indrindra avy amintsika isika, raha tiantsika hihavana sy hiray saina ny fiangonana. Diniho ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nitovy ny fahaizana sy ny fanendrena nomena azy ireo. (1 Kor. 12:4, 7-11) Tsy nahatonga azy ireo hifaninana na hisara-bazana anefa izany. Nampirisihin’i Paoly hanao izay azony atao kosa ny tsirairay tamin’izy ireo, mba ‘hanatanjahana ny vatan’i Kristy.’ Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Efesianina: “Rehefa miasa tsara ny rantsambatana tsirairay, dia mitombo ny vatana ka mihamatanjaka noho ny fitiavana.” (Efes. 4:1-3, 11, 12, 16) Rehefa nanaraka ny tenin’i Paoly ry zareo, dia lasa nihavana sy niray saina ny fiangonana. Izany koa no hitantsika ao amin’ny fiangonantsika amin’izao.

16. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika? (Hebreo 6:10)

16 Tokony ho tapa-kevitra isika hoe tsy hampitaha tena amin’ny hafa. Mianara kosa avy amin’i Jesosy ary miezaha hanahaka ny toetrany. Afaka mandray lesona avy amin’ireo olona tantaraina ao amin’ny Baiboly koa ianao, sy avy amin’ireo olona manam-pinoana amin’izao. Rehefa miezaka manome ny tsara indrindra foana ianao, dia tsy ‘hanadino an’izay nataonao’ i Jehovah, satria “tsy mba manao ny tsy rariny” izy. (Vakio ny Hebreo 6:10.) Miezaha foana hifaly amin’ny fanompoana ataonao ho an’i Jehovah, ary matokia fa mankasitraka an’izay ataonao amin’ny fo manontolo izy.

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

a Mandray soa isika rehetra rehefa mandinika ny modely omen’ny hafa. Misy zavatra tsy maintsy tandremantsika anefa. Horesahina ato hoe inona no hanampy antsika ho faly foana, ary inona no azo atao mba tsy hirehareha isika na ho kivy rehefa mahita ny zava-bitan’ny hafa.

b SARY: Nanompo tany amin’ny Betela ny rahalahy iray tamin’izy tanora. Nanambady izy avy eo, ary nanao mpisava lalana izy mivady. Niteraka ry zareo tatỳ aoriana, dia nampiofaniny teny amin’ny fanompoana ny zanany. Efa antitra izao ilay rahalahy nefa mbola manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana ka mitory an-taratasy.