Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eric sy Amy

Nahafoy Tena Izy Ireo: Ghana

Nahafoy Tena Izy Ireo: Ghana

IANAO ve mahalala rahalahy na anabavy avy any an-tany hafa fa nifindra any amin’ny toerana mila mpitory maro kokoa? Mpanitatra no fiantsoantsika azy ireny. Efa nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Nahoana izy ireny no vonona hanompo any an-tany hafa? Inona no fiomanana nataony? Mba hahavita hoatr’izany koa ve aho?’ Andao isika hanontany an-dry zareo mba hahalalana ny valin’ireo.

NAHOANA IZY IREO NO NIFINDRA?

Inona no nahatonga anao hieritreritra hanitatra any an-tany hafa? Avy any Etazonia i Amy, ary 35 taona eo ho eo izy izao. Hoy izy: “Efa ela aho no te hanitatra, saingy nihevitra aho hoe tsy ho vitako mihitsy izany.” Inona anefa no nanampy azy? Hoy izy: “Nanasa ahy hitsidika an-dry zareo ny mpivady iray nanompo tany Belize tamin’ny 2004. Nasainy hanao mpisava lalana niaraka taminy iray volana aho, tamin’izay. Dia nandeha aho! Tiako be ilay izy! Nifindra tany Ghana aho herintaona taorian’izay, ary nanao mpisava lalana tany.”

Aaron sy Stephanie

Avy any Etazonia koa i Stephanie, ary 30 taona latsaka izy izao. Nandinika tsara ny fiainany izy taona vitsivitsy lasa izay, ka nieritreritra hoe: ‘Salama tsara aho sady tsy misy fianakaviana mila karakaraiko. Afaka manompo bebe kokoa noho izao aho.’ Nandrisika azy hanitatra any Ghana izany. I Filip sy Ida indray 50 taona mahery ary mpisava lalana. Avy any Danemark izy mivady, ary efa ela no te hanitatra. Nitady fomba hanatanterahana ny faniriany izy ireo. Hoy i Filip: “Vao nisy hirika nahafahanay nanitatra, dia hoatran’ny niteny taminay i Jehovah hoe: ‘Mandehana amin’izay!’” Nifindra tany Ghana izy ireo tamin’ny 2008, ary nanompo tany telo taona mahery.

Brook sy Hans

Mpisava lalana any Etazonia i Hans sy Brook, ary 30 taona mahery izy mivady. Nanampy tra-boina tamin’ny Rivo-doza Katrina izy ireo, tamin’ny 2005. Nangataka handray anjara tamin’ny fanorenana iraisam-pirenena izy ireo tatỳ aoriana, nefa tsy voantso. Hoy i Hans: “Nisy lahateny tamin’ny fivoriambe niresaka hoe nanova ny tanjony i Davida Mpanjaka, rehefa tsy navela hanorina ny tempoly. Hitanay tamin’izany hoe tsy maninona raha ovanay koa ny tanjonay.” (1 Tan. 17:1-4, 11, 12; 22:5-11) Hoy koa i Brook: “Varavarana hafa no tian’i Jehovah hodondoninay.”

Naheno tantara mahafinaritra avy tamin’ny namany nanitatra tany an-tany hafa i Hans sy Brook, dia lasa te hanitatra. Nankany Ghana nandritra ny efa-bolana àry izy ireo tamin’ny 2012, ka nanampy fiangonana mampiasa tenin’ny tanana. Tsy maintsy nody tany Etazonia izy mivady taorian’izay, nefa vao mainka nandrisika azy ireo hanao loha laharana an’ilay Fanjakana ny fanompoany tany Ghana. Nanampy tamin’ny fanorenana biraon’ny sampana tany Mikronezia izy ireo avy eo.

NIEZAKA NANATRATRA NY TANJONY IZY IREO

Inona no fiomanana nataonareo? Hoy i Stephanie: “Nijery lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana aho, lahatsoratra momba ny hoe manitatra. * Noresahiko tamin’ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra mivady hoe te hanitatra any an-tany hafa aho. Imbetsaka koa aho no niresaka an’izany tamin’i Jehovah.” Niezaka hanana fiainana tsotra foana koa i Stephanie, amin’izay manana tahiry hampiasaina rehefa any an-tany hafa.

Hoy i Hans: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay satria te hifindra any amin’izay tiany handehananay. Nolazainay taminy koa ny daty tianay hifindrana.” Nanoratra tany amin’ny sampana efatra izy mivady. Rehefa nahazo valiny avy tany amin’ny sampan’i Ghana izy ireo, dia nifindra tany. Roa volana ihany izy ireo no saika hijanona tany, nefa hoy i Hans: “Nahafinaritra be ny niaraka tamin’ilay fiangonana, dia nijanona ela kokoa izahay.”

Adria sy George

I George sy Adria indray avy any Kanada, ary 40 taona latsaka kely. Nitadidy foana izy mivady hoe izay mandray fanapahan-kevitra tsara no tena tahin’i Jehovah, fa tsy izay te hanao ny tsara fotsiny. Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hanatratra ny tanjony. Nifandray tamin’ny anabavy iray nanitatra tany Ghana izy ireo, ary nametraka fanontaniana be dia be. Nanoratra tany amin’ny sampan’i Kanada sy Ghana koa izy ireo. Hoy i Adria: “Efa notsorinay ny fiainanay, nefa mbola nitady hevitra izahay mba ho tsotra kokoa ilay izy.” Afaka nifindra tany Ghana àry izy ireo tamin’ny 2004.

DIA AHOANA REHEFA NISY OLANA?

Inona no olana hitanareo, dia ahoana no nataonareo? Manimanina ny tany amin-dry zareo i Amy, tamin’ny vao nifindra. Hoy izy: “Samy hafa be tamin’ny zavatra nahazatra ahy ny zava-drehetra.” Hoy ihany anefa izy: ‘Nitelefaonina an’ahy ny fianakaviako, dia nilaza hoe faly be ry zareo fa manitatra aho. Lasa vonona hanompo atỳ foana aho avy eo. Nifampiresaka tao amin’ny Internet izahay tatỳ aoriana. Nifankahita izahay tao, dia hoatran’ny hoe tsy dia lavitra intsony ry zareo.’ Ninamana tamin’ny anabavy iray avy any Ghana koa i Amy, dia lasa nahalala tsara ny fanao tany. Hoy izy: “Tonga aho dia nanontany azy raha vao tsy azoko ny zavatra ataon’ny olona. Lasa fantatro ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao, dia lasa falifaly foana aho rehefa nanompo.”

I George sy Adria indray nitantara hoe hoatran’ny fiainana efa taloha be ny fiainany, tamin’ny vao nifindra tany Ghana. Nampiasa koveta, ohatra, izy ireo fa tsy nampiasa masinina intsony rehefa nanasa lamba. Hoatran’ny adiny zato koa, hono, izy ireo vao nahamasaka sakafo. Hoy i Adria: “Lasa zava-baovao nahafinaritra anefa ireny zava-tsarotra madinidinika ireny, rehefa ela ny ela.” Hoy indray i Brook: “Afa-po amin’ny fiainanay izahay mpisava lalana, na dia mahita olana aza. Fahatsiarovana sarobidy aminay ny zavatra mampahery rehetra niainanay, dia hoatran’ny fehezam-boninkazo tsara tarehy izy ireny rehefa atambatra.”

MAHAFINARITRA AZY IREO NY FANOMPOANY

Nahoana ianareo no mampirisika ny olona hanitatra? Hoy i Stephanie: “Mahafinaritra be ny manitatra. Tena te hahalala ny fahamarinana ny olona, dia misy te hianatra Baiboly isan’andro mihitsy! Ny nandeha nanitatra no fanapahan-kevitra tsara indrindra nataoko.” Nanambady an’i Aaron i Stephanie tamin’ny 2014, ary manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’i Ghana izy ireo izao.

“Tiako be ny manitatra!”, hoy i Christine, mpisava lalana 30 taona mahery kely avy any Alemaina. Efa nanompo tany Bolivia izy talohan’ny nifindrany tany Ghana. Hoy izy: “Lavitra ny fianakaviako aho, dia i Jehovah foana no niresahako rehefa nila fanampiana aho. Vao mainka izy lasa tena misy amiko. Tsapako koa hoe tena miray saina ny vahoakan’i Jehovah. Lasa mahafinaritra an’ahy kokoa ny fiainako, rehefa nanitatra aho.” Nanambady an’i Gideon i Christine vao haingana, ary mbola manompo any Ghana izy mivady.

Christine sy Gideon

Ary i Filip sy Ida? Hoy izy ireo: “Nisy 15 na maherin’izay foana ny mpianatray, fa noferanay ho 10 ihany. Afaka nampianatra azy ireo tsara izahay amin’izay.” Nahasoa ny mpianany ve izany? Hoy i Filip: “Nampianatra tovolahy atao hoe Michael aho. Nianatra isan’andro izy sady nanomana tsara, dia vitanay tao anatin’ny iray volana ny boky Ampianarina. Lasa mpitory izy taorian’izay. Niteny tamiko izy tamin’izy nitory voalohany hoe: ‘Afaka mba miara-mampianatra amiko ve ianao?’ Gaga be aho nijery azy. Nilaza izy fa manana mpianatra telo, dia tiany hanampy azy hampianatra an-dry zareo aho.” Mila mpampianatra be dia be tokoa any, ka na mbola vao mianatra aza ny olona sasany dia efa mampianatra!

Ida sy Filip

I Amy indray nahita hoe tena mila mpitory be dia be any. Hoy izy: “Vao tonga kelikely teto Ghana aho, dia nitory tany amin’ny tanàna kely iray izahay ary nitady marenina. Tsy marenina iray anefa no hitanay fa valo be izao.” Nanambady an’i Eric i Amy tatỳ aoriana, ary lasa mpisava lalana manokana izy roa. Ao amin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana izao ry zareo. Misy 300 eo ho eo ny marenina efa mpitory any Ghana, ary maro koa ny marenina liana amin’ny fahamarinana. I George sy Adria indray lasa nahita hoe hoatran’ny ahoana izany hoe misionera, tamin’izy ireo nanitatra tany Ghana. Faly erỳ izy roa fa nasaina nanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-126. Misionera any Mozambika izy ireo izao.

TIA OLONA IZY IREO

Mampahery ny mahita hoe maro ny rahalahy sy anabavy avy any an-tany hafa miezaka mafy manampy an’ireo mpitory any Ghana mba hanao ny asa fijinjana. (Jaona 4:35) Misy 120 eo ho eo isan-kerinandro no atao batisa any. Misy 17 izao ny mpanitatra nifindra any Ghana. Maro be koa ny mpitory eran-tany manao toa an-dry zareo, satria tia an’i Jehovah ka ‘manolo-tena an-tsitrapo’ hanompo azy. Mifindra any amin’izay toerana mila mpitory maro kokoa izy ireny. Azo antoka fa tena mahafaly an’i Jehovah izany!—Sal. 110:3; Ohab. 27:11.

^ feh. 9 Jereo, ohatra, ilay hoe “Afaka Mifindra any Amin’izay Ilana Mpitory Maro Kokoa ve Ianao?” sy ilay hoe “Afaka Hiampita ho any Makedonia ve Ianao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily sy 15 Desambra 2009.