Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo

Nahafoy Tena Izy Ireo

BETSAKA ny Vavolombelon’i Jehovah nifindra any amin’ny tany mila mpitory bebe kokoa, ary anabavy mpitovo ny ankamaroany. Efa an-taonany maro ny sasany amin’izy ireny no nanompo tany. Ahoana no nahavitany an’izany, ary inona no nianarany tany? Nanao ahoana ny fiainany? Nisy anabavy vitsivitsy efa tena ampy traikefa nadinadininay. Azo antoka fa hahasoa anao ny zavatra nolazain’izy ireo, raha anabavy mpitovo ianao ary te hanandrana an’io karazana fanompoana mahafinaritra io. Hahasoa antsika rehetra mihitsy izany.

INONA NO NANAMPY AZY TSY HISALASALA?

Anita

Mpitovo angamba ianao, ary mieritreritra hoe: ‘Izaho ve dia hahavita hanao mpisava lalana any an-tany hafa?’ Nieritreritra hoatr’izany i Anita, izay 75 taona izao. Lehibe tany Angletera izy, ary nanomboka nanao mpisava lalana tamin’izy 18 taona. Hoy izy: “Mahafinaritra an’ahy ny mampianatra momba an’i Jehovah, saingy tsy tao an-tsaiko mihitsy hoe ho vitako ny hanao an’izany any an-tany hafa. Mbola tsy nianatra fiteny hafa mihitsy mantsy aho, ka nieritreritra hoe tsy ho vitako izany. Gaga be aho rehefa voasa hanao Sekolin’i Gileada. Hozy aho hoe: ‘Izaho izay tsisy dikany ity ve no asaina hanao an’izany?’ Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Raha hozy i Jehovah hoe vitako ilay izy, dia hiezaka aho.’ Efa 50 taona mahery izay no lasa. Misionera teto Japon aho hatramin’izay.” Hoy koa i Anita: ‘Sady mitsikitsiky aho indraindray no miteny amin’ireo rahavavy tanora hoe: “Ahorony ny entana dia andao hiaraka amiko e!” Faly aho fa be dia be no nandeha.’

NIEZAKA HO BE HERIM-PO

Maro amin’ireo anabavy manitatra any an-tany hafa no nisalasala raha ho vitany ilay izy. Inona no nanampy azy ireo ho be herim-po?

Maureen

Hoy i Maureen, 64 taona: “Nieritreritra aho tamin’ny mbola kely hoe tiako raha manampy olona aho, amin’izay mba misy dikany ny fiainako.” Nifindra tany Québec, any Kanada, izy tamin’izy 20 taona satria nila mpisava lalana bebe kokoa tany. Hoy izy: “Nasaina hanao Sekolin’i Gileada aho tatỳ aoriana. Natahotra ny handao ny namako sy handeha any amin’ny toerana mbola tsy nalehako anefa aho. ... Nanahy koa aho satria narary i Dada, ka raha mandeha aho dia i Neny irery no hikarakara azy. Nivavaka momba an’izany nandritra ny alina maromaro aho sady nitomany. Noresahiko tamin’i Dada sy Neny ilay izy, dia nampirisihin-dry zareo hanaiky an’ilay fanasana aho. Hitako koa hoe tia azy mivady ny fiangonana sady nikarakara tsara an-dry zareo. Tsapako fa tena nanampy i Jehovah, ka lasa natoky aho hoe hikarakara tsara an’ahy koa izy. Vonona handeha aho taorian’izay.” Lasa misionera tany Afrika Andrefana i Maureen nanomboka tamin’ny 1979, ary 30 taona mahery izy no tany. Any Kanada izy izao, mikarakara ny reniny sady mbola mpisava lalana manokana. Nilaza izy fa nomen’i Jehovah an’izay nilainy foana tamin’ny fotoana nilany an’izany, tamin’izy nanompo tany an-tany hafa.

Wendy

Avy any Aostralia i Wendy, ary 65 taona izy izao. Nanomboka nanao mpisava lalana izy, tamin’izy 14 taona. Hoy izy: “Saro-kenatra be aho, dia sarotra tamiko ny niresaka tamin’ny olona tsy fantatro. Lasa nahay niresaka tamin’ny olona isan-karazany anefa aho rehefa nanao mpisava lalana, dia tsy dia natahotahotra intsony. Lasa tsy natahotra mihitsy aza aho tatỳ aoriana! Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah aho rehefa nanao mpisava lalana, dia lasa tsy nampaninona an’ahy izany hoe hanompo any an-tany hafa izany. Nisy rahavavy mpitovo izay koa nanasa an’ahy hanompo telo volana tany Japon. Misionera tany nandritra ny 30 taona mahery izy. Vao mainka aho lasa te hanitatra tany an-tany hafa rehefa niara-nanompo taminy.” Nifindra tany Vanuatu i Wendy tamin’ny 1986. Nosy iray any amin’ny 1770 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Aostralia izy io.

Mbola any Vanuatu i Wendy izao, ary manompo ao amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana. Hoy izy: “Faly be aho rehefa misy antoko-mpitory sy fiangonana vaovao any amin’ny toerana lavitra. Mba nandray anjara kely tamin’ny asan’i Jehovah tatỳ Vanuatu aho, dia tsapako hoe tsy misy tombontsoa tsara hoatr’izany!”

Kumiko (eo ampovoany)

I Kumiko indray mpisava lalana tany Japon, ary 65 taona izy izao. Nisy mpisava lalana namany nitaona azy hanitatra any Népal. Hoy i Kumiko: “Niteny tamiko foana izy, fa tsy nanaiky mihitsy aho. Natahotra aho hoe ho sarotra be izany hianatra teny vahiny izany, sady sao dia tsy ho zatra fiainana vaovao koa aho. Dia aiza koa no hahitako vola handehanako any? Nanao aksidà tamin’ny môtô anefa aho, dia niditra hopitaly. Lasa saina aho tany hoe: ‘Tsy hay izay mbola hanjo an’ahy aorian’izao! Mety harary mafy aho, dia tsy ho afaka hanitatra any an-tany hafa. Maninona moa raha mba manitatra na dia herintaona fotsiny aza e?’ Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy hanatanteraka an’izany.” Nitsidika an’i Népal i Kumiko rehefa nivoaka ny hopitaly, ary nifindra tany izy sy ilay namany tatỳ aoriana.

Efa ho folo taona izao i Kumiko no tany Népal. Nilaza izy fa nilamina ny olana nampiady saina azy, hoatran’ny Ranomasina Mena nizara roa dia lasa azo nandehanana. Hoy koa izy: “Tena faly aho hoe manitatra. Rehefa mitory amin’ny fianakaviana iray aho, dia matetika no misy olona dimy na enina avy eo an-tanànan-dry zareo tonga mihaino eo koa. Na ny ankizikely aza mangataka taratasy mivalona, sady mahalala fomba erỳ. Mandray tsara ny olona ao amin’ilay faritany, dia tena mahafinaritra be!”

AHOANA NO NATAONY REHEFA NISY OLANA?

Mazava ho azy fa niatrika olana ireo anabavy be herim-po ireo. Ahoana no nataony tamin’izany?

Diane

Misionera tany Côte d’Ivoire nandritra ny 20 taona i Diane. Avy any Kanada izy ary 62 taona izy izao. Hoy izy: ‘Mafy be tamiko tamin’ny voalohany ilay hoe lavitra be ny fianakaviako. Nivavaka aho mba ho tia an’ireo olona tany amin’ny tany nanendrena ahy. Nilaza ny Ranadahy Jack Redford, mpampianatra anay tany amin’ny Sekolin’i Gileada, fa mety ho gaga izahay rehefa mahita ny zava-misy any amin’ilay tany hanendrena anay. Mety ho kivy mihitsy aza, hono, izahay, indrindra fa rehefa mahita hoe mahantra be ny olona. Nilaza anefa izy hoe: “Aza ny fahantrana no jerena, fa ny olona sy ny endriny ary ny masony. Jereo hoe inona no tsapan’izy ireo rehefa mandre ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly.” Izany no nataoko dia tena nisy vokany tsara. Miramirana erỳ ny olona rehefa nitory taminy momba an’ilay Fanjakana aho.’ Hoy koa i Diane: “Nifandray akaiky tamin’ny olona nampianariko Baiboly aho. Tena faly aho rehefa lasa mpanompon’i Jehovah izy ireo, sady tsy mivadika. Lasa tamana be aho. Nahazo reny sy ray ary anadahy sy rahavavy aho, araka ny efa nampanantenain’i Jesosy.”—Mar. 10:29, 30.

I Anne indray 46 taona, ary manompo any amin’ny tany iray any Azia. Voasakantsakana ny asa fitoriana any amin’io tany io. Hoy izy: “Efa nanompo tany amin’ny firenena samy hafa aho, dia niara-nipetraka tamin’ny rahavavy isan-karazany. Tsy nitovy fiaviana sy tsy nitovy toetra izahay, dia lasa tsy nifankahazo indraindray. Niezaka nifandray kokoa tamin’izy ireo sy nahatakatra tsara ny kolontsainy aho rehefa nitranga izany. Niezaka koa aho mba ho be fitiavana sy handefitra kokoa tamin’izy ireo. Tena faly aho fa nisy vokany ny ezaka nataoko, ka lasa nahazo namana be dia be aho. Mbola namako foana izy ireny ary manampy ahy hanohy foana ny fanompoako.”

Ute

I Ute indray avy any Alemaina ary 50 taona mahery kely izy izao. Voatendry ho misionera teto Madagasikara izy tamin’ny 1993. Hoy izy: “Sahirana be aho nianatra teny gasy. Tsy nahazatra ahy koa ilay toetrandro mafana be. Namely koa ny tazo sy ny amiba ary ny parasy kankana. Be dia be anefa ny olona nanampy ahy. Nanampy ahy hahay hiteny gasy tsara ireo rahavavy sy ny zanany ary ny olona nampianariko Baiboly. Nanam-paharetana be ry zareo. Nikarakara tsara an’ahy koa ilay rahavavy misionera miara-mipetraka amiko, tamin’izaho narary. I Jehovah anefa no tena nanampy ahy. Nivavaka matetika aho, ka noresahiko taminy daholo izay nampanahy an’ahy. Nanam-paharetana aho avy eo niandry ny valiny. Andro maromaro ilay izy vao nivaly, indraindray aza volana maromaro. Novahan’i Jehovah ny olana tsirairay nahazo ahy.” Efa 23 taona izao i Ute no nanompo teto Madagasikara.

LASA MAHAFINARITRA KOKOA NY FIAINANY

Matetika ny mpanitatra no milaza fa lasa mahafinaritra kokoa ny fiainany. Toy izany koa no tsapan’ireo anabavy mpitovo manompo any an-tany hafa. Inona ny fitahiana azon’izy ireo?

Heidi

Avy any Alemaina i Heidi ary 73 taona izy izao. Lasa misionera tany Côte d’Ivoire izy nanomboka tamin’ny 1968. Hoy izy: “Ny tena mahafaly ahy dia hoe ‘mbola mandeha ao amin’ny fahamarinana’ ny zanako ara-panahy. Mpisava lalana sy anti-panahy izao ny olona sasany nampianariko Baiboly. Maro amin’izy ireny no miantso ahy hoe Mama na Bebe. Mandray an’ahy ho toy ny fianakaviany ny iray amin’ireo anti-panahy ireo sy ny vadiny ary ny zanany telo. Nomen’i Jehovah zanakalahy sy vinantovavy ary zafikely aho!”​—3 Jaona 4.

Karen (eo ampovoany)

Avy any Kanada i Karen ary 72 taona izy izao. Nanompo nandritra ny 20 taona mahery tany Afrika Andrefana izy. Hoy izy: “Nanampy ahy hahafoy tena sy ho be fitiavana ary hanam-paharetana kokoa ny asa misionera. Lasa malala-tsaina koa aho rehefa niara-niasa tamin’ireo ranadahy sy rahavavy avy any amin’ny firenena maro. Hitako hoe misy fomba maro azo anaovana zavatra iray. Faly be koa aho fa manana namana any amin’ny firenena maro eran-tany. Niova ny fiainanay sy ny fanendrena anay, fa mbola mpinamana foana izahay.”

I Margaret indray avy any Angletera, ary 79 taona izy izao. Misionera tany Laos izy. Hoy izy: “Hitako tamin’izaho nanompo tany an-tany hafa fa taomin’i Jehovah ho ao amin’ny fandaminany ny olona avy amin’ny firazanana sy firenena rehetra. Tena nanatanjaka ny finoako izany. Lasa matoky tanteraka aho hoe mitarika ny fandaminany i Jehovah ary tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany.”

Miavaka tokoa ny fanompoana vitan’ireo anabavy mpitovo manitatra any an-tany hafa. Vao mainka mihabetsaka koa izy ireny. (Sal. 68:11) Tena mendrika ny hoderaina ireny anabavy ireny. (Mpits. 11:40) Sao dia misy azonao ovana àry amin’ny fiainanao, mba hahafahanao manao toa an’ireo anabavy be zotom-po nadinadinina tato? Raha manandrana manao an’izany ianao, dia hahita fa “tsara i Jehovah.”​—Sal. 34:8.