Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vitanao ny Hanetry Tena na dia Tsy Mora aza Izany

Ho Vitanao ny Hanetry Tena na dia Tsy Mora aza Izany

‘Manetre tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao.’—MIKA 6:8.

HIRA: 48, 95

1-3. Inona no tokony ho nataon’ilay mpaminany, ary inona no vokany rehefa tsy nanao an’izany izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NANIRAKA mpaminany avy any Joda i Jehovah mba hanameloka an’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely. Nivadika tamin’i Jehovah mantsy izy. Nanetry tena ilay mpaminany ka nankatò ary nampita an’ilay hafatra. Tezitra be taminy i Jeroboama, nefa narovan’i Jehovah izy.—1 Mpanj. 13:1-10.

2 Rehefa nody ilay mpaminany, dia nifanena tamin’ny zokiolona iray avy any Betela. Nilaza ilay zokiolona fa nitondra hafatra avy tamin’i Jehovah izy. Voafitany ilay mpaminany, ka lasa nandika ny didin’i Jehovah hoe: ‘Aza miverina amin’izay lalana efa nalehanao, ary aza mihinan-kanina na misotro rano any.’ Tezitra tamin’ilay mpaminany àry i Jehovah. Rehefa nody izy avy eo, dia nisy liona nifanena taminy ka namono azy.—1 Mpanj. 13:11-24.

3 Nahoana no lasa sahisahy ratsy ilay mpaminany, ka nanaraka an’ilay zokiolona? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Hadinony tanteraka angamba hoe tokony hanetry tena izy ‘rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra.’ (Vakio ny Mika 6:8.) Ao amin’ny Baiboly, ny hoe miara-mandeha amin’i Jehovah dia midika hoe matoky azy sy manohana ny zony hitondra ary mankatò azy. Fantatry ny olona manetry tena hoe mila mivavaka foana amin’ilay Rainy be fitiavana sy mahery indrindra izy. Tokony ho nanontany an’i Jehovah ilay mpaminany raha niova ny zavatra tian’i Jehovah hataony. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nanao an’izany izy. Mila mandray fanapahan-kevitra sarotra koa isika indraindray, ary mety tsy ho haintsika tsara izay tokony hatao. Raha manetry tena anefa isika, dia hitady ny tari-dalan’i Jehovah mba tsy hanaonao foana.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny atao hoe manetry tena sy ny antony ilana an’io toetra io. Sarotra anefa ny manetry tena amin’ny toe-javatra sasany. Handinika telo amin’izany isika ato, ary hijery hoe inona no hanampy antsika hanetry tena foana na dia sarotra aza izany indraindray.—Ohab. 11:2.

REHEFA MISY FIOVANA

5, 6. Ahoana no ahitana hoe nanetry tena i Barzilay?

5 Hita hoe manetry tena isika na tsia, rehefa misy fiovana eo amin’ny fiainantsika na rehefa miova ny andraikitra omena antsika. Nilaza tamin’i Barzilay, ohatra, i Davida Mpanjaka mba hipetraka any an-dapany, tamin’i Barzilay 80 taona. Tombontsoa lehibe izany, satria ho tafaraka amin’ny mpanjaka foana izy. Tsy nanaiky anefa izy, fa nilaza tamin’ny mpanjaka hoe efa be taona ka tsy te ho enta-mavesatra ho azy. Nilaza izy hoe aleo i Kimama no hatao solony. Toa zanany lahy izy io.—2 Sam. 19:31-37.

6 Nahoana i Barzilay no tsy nanaiky hipetraka tany an-dapa? Nahatsiaro ho tsy mendrika ny hahazo andraikitra ve izy, sa tsy te hiasa be intsony fa te hipetrapetraka amin’izay? Tsia. Nanetry tena izy ka nahay nandanjalanja sy nanapa-kevitra tsara. Fantany sady nekeny hoe efa nanomboka niova ny fiainany, dia tsy hahavita be hoatran’ny taloha intsony izy. (Vakio ny Galatianina 6:4, 5.) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety ho lasa tia tena sy tia mifaninana isika, raha te hahazo toerana ambony sy te halaza ary mitady voninahitra. (Gal. 5:26) Ho diso fanantenana anefa isika raha hoatr’izany ny toe-tsaintsika. Raha manetry tena kosa isika, dia hiara-hiasa amin’ireo rahalahy sy anabavintsika mba hanome voninahitra an’i Jehovah sy hanampy ny hafa.—1 Kor. 10:31.

7, 8. Nahoana isika no mila manetry tena raha tsy te hatoky tena be loatra?

7 Lasa manana fahefana kokoa ny olona matetika rehefa mitombo ny andraikiny. Mety ho lasa sarotra aminy àry ny manetry tena. Diniho anefa ny ohatr’i Nehemia. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy rehefa henony ny nanjo ny vahoaka tany Jerosalema. (Neh. 1:4, 11) Nahazo valim-bavaka izy, satria notendren’i Artaksersesy Mpanjaka ho governoran’i Jerosalema. Lasa olona ambony izy, nanankarena, ary nanana fahefana be. Tsy niantehitra tamin’ny fahaizany na ny traikefany mihitsy anefa izy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra foana. Nandinika ny Lalàny foana izy mba hahazoana ny tari-dalany. (Neh. 8:1, 8, 9) Tsy nanjakazaka izy fa nanampy ny olona. Tsy nanararaotra ny fahefany koa izy mba hahazoana tombontsoa.—Neh. 5:14-19.

8 Inona no ianarantsika avy amin’i Nehemia? Mila manetry tena isika rehefa miova ny andraikitra omena antsika na miampy. Hanampy antsika tsy hatoky tena be loatra izany. Mety hieritreritra, ohatra, ny anti-panahy iray hoe efa ampy traikefa, dia lasa tsy mivavaka izy alohan’ny hanomanana ny anjarany na hanaovana asa hafa ho an’ny fiangonana. Misy rahalahy sy anabavy indray tonga dia manapa-kevitra, dia avy eo vao mivavaka amin’i Jehovah mba hahomby ilay fanapahan-kevitra noraisiny. Manetry tena ve ny olona hoatr’izany? Raha manetry tena isika, dia hitadidy foana fa ambony lavitra noho isika Andriamanitra. Tadidintsika foana koa ny anjara asa ankininy amintsika. Tsy ny fahaizantsika no zava-dehibe indrindra. Vao mainka isika mila mitandrina mba tsy hiantehitra amin’ny fahaizantsika, rehefa misy toe-javatra na olana efa mahazatra. (Vakio ny Ohabolana 3:5, 6.) Tsy tia tena na te ho ambony noho ny hafa, toy ny olona eto amin’ity tontolo ity, isika. Rehefa mahazo andraikitra isika, dia tsy mieritreritra hoe lasa ambony noho ny mpianakavintsika na ny mpiara-manompo amintsika. Miara-miasa amin’izy ireo kosa isika, ka ataontsika fotsiny izay ampanaovina antsika.—1 Tim. 3:15.

REHEFA MISY MANAKIANA NA MISY MIDERA ANTSIKA

9, 10. Nahoana no ilaina ny manetry tena rehefa misy manakiana antsika?

9 Mety ho sarotra ny mifehy ny fihetseham-pontsika rehefa misy manakiana na manambany antsika. Izany no nanjo an’i Hana. Tena tia azy ny vadiny, nefa tsy sambatra izy. Naneso azy foana mantsy i Penina rafivaviny satria tsy nety nanan-janaka izy. Nitomany foana àry i Hana. Nendrikendrehin’i Ely Mpisoronabe hoe mamo koa izy, indray mandeha, rehefa nivavaka tany amin’ny tranolay masina. Nanetry tena foana anefa i Hana. Nifehy ny hatezerany izy ary nanaja an’i Ely rehefa namaly azy. Nivavaka izy taorian’izay, ka nisaotra an’i Jehovah sy nidera azy. Hita tamin’ilay vavaka koa fa tena nanam-pinoana izy.—1 Sam. 1:5-7, 12-16; 2:1-10.

10 Ho vitantsika foana koa ny ‘handresy ny ratsy amin’ny tsara’, raha manetry tena isika. (Rom. 12:21) Betsaka mantsy ny tsy rariny eto amin’ny tontolon’i Satana. Mila miezaka mafy isika mba tsy ho tezitra be rehefa misy manao ratsy. (Sal. 37:1) Mety hisy olana koa eo amin’ny samy mpiara-manompo, ary mafy kokoa amintsika izany. Hanahaka an’i Jesosy isika raha manetry tena. ‘Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva, fa nanankina foana ny fiainany tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.’ (1 Pet. 2:23) Fantatr’i Jesosy fa i Jehovah no hamaly ny tsy rariny. (Rom. 12:19) Mila manetry tena hoatr’azy koa ny Kristianina, ka ‘tsy hamaly ratsy ny ratsy.’—1 Pet. 3:8, 9.

11, 12. a) Nahoana no ilaina ny manetry tena rehefa derain’ny olona isika na dokadokafany? b) Tokony hanao ahoana ny fiakanjontsika sy ny fitondran-tenantsika raha manetry tena isika?

11 Sarotra koa ny manetry tena rehefa derain’ny olona isika na dokadokafany. Diniho anefa ny nataon’i Estera, rehefa niova tampoka ny fiainany. Tena tsara tarehy izy, ary nokarakaraina tsara ny bika aman’endriny nandritra ny herintaona. Niaraka isan’andro tamin’ny tovovavy maro avy any amin’ny faritra samihafa eran’ny Fanjakana Persianina koa izy. Nifaninana mba ho lasa tian’ny mpanjaka ireo vehivavy ireo. I Estera kosa tsy mba lasa jejojejo sady nanaja olona foana. Tsy lasa nanambony tena izy, na dia izy aza no voafidy ho vadin’ny mpanjaka.—Est. 2:9, 12, 15, 17.

Hita hoe manaja an’​i Jehovah sy ny olon-kafa ve isika, rehefa jerena ny paozintsika, sa hita hoe tsy manetry tena? (Fehintsoratra 12)

12 Raha manetry tena koa isika, dia hanao akanjo maotina ary hitondra tena tsara foana. Tsy hanala baraka ny tenantsika isika raha manao an’izany, sady hanaja ny hafa. Tsy hisarika be loatra ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika isika na hirehareha, fa hanana “toetra tony sy malemy paika.” (Vakio ny 1 Petera 3:3, 4; Jer. 9:23, 24) Fantatsika mantsy fa izany no manintona kokoa. Raha mihevitra ny tenantsika ho ambony noho ny hafa isika, dia tsy maintsy hiseho amin’ny ataontsika sy ny tenintsika izany. Mety hilaza an-kolaka, ohatra, isika hoe manana tombontsoa manokana, na mahalala zavatra tsy fantatry ny hafa, na mpinamanamana amin’ny rahalahy manana andraikitra. Na ataontsika izay hieritreretan’ny olona hoe isika no tena nahita hevitra tsara na nahavita zavatra tsara, nefa maromaro isika no nikaon-doha sy niara-nanao an’ilay izy. Tsy nanao hoatr’izany i Jesosy. Nanetry tena izy ka imbetsaka izy no nampiasa andinin-teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo. Tiany haseho mantsy fa avy amin’i Jehovah ny zavatra nolazainy, fa tsy hoe izy no tena mahay.—Jaona 8:28.

REHEFA TSY HAINTSIKA TSARA IZAY TOKONY HATAO

13, 14. Nahoana isika no mila manetry tena raha te hahay hanapa-kevitra?

13 Mila manetry tena koa isika rehefa manapa-kevitra. Te ho any Jerosalema ny apostoly Paoly tamin’izy tany Kaisaria. Niteny taminy anefa i Agabo mpaminany hoe ho voasambotra izy raha mankany, ary mety hisy hamono mihitsy. Niangavingavy an’i Paoly ireo rahalahy mba tsy handeha, nefa tsy nety niova hevitra izy. Tsy sahisahy ratsy izy, nefa koa tsy natahotra. Nanetry tena izy ka natoky tanteraka an’i Jehovah ary vonona hanao an’izay nasainy nataony, na inona na inona vokany. Nanetry tena koa ireo rahalahy, ka tsy nosakanan’izy ireo intsony i Paoly fa navelany nankany Jerosalema.—Asa. 21:10-14.

14 Hahay hanapa-kevitra koa isika, raha manetry tena. Marina fa mety tsy ho fantatsika mialoha daholo izay hitranga. Mety tsy ho afa-manoatra koa isika amin’ny zavatra sasany. Eritrereto, ohatra, hoe te hanompo manontolo andro ianao. Ahoana anefa raha marary ianao? Ary raha mila fanampiana ny ray aman-dreninao be taona? Inona no hivelomanao rehefa antitra ianao? Na hivavaka sy hikaroka tahaka ny inona aza ianao, dia tsy ho fantatrao mazava tsara daholo ny valin’ireo fanontaniana ireo. (Mpito. 8:16, 17) Raha matoky an’i Jehovah anefa ianao, dia hanaiky hoe voafetra ny zavatra fantatrao sy mety ho vitanao. Mila manao fikarohana ianao, mangataka torohevitra, ary mivavaka mba hahazo tari-dalana. Mila manaraka ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah ianao avy eo rehefa hanapa-kevitra. (Vakio ny Mpitoriteny 11:4-6.) Hotahin’i Jehovah izay ataonao amin’izay, na mety hampiany ianao mba hanova ny tanjonao.—Ohab. 16:3, 9.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANETRY TENA?

15. Nahoana isika no mila misaintsaina momba an’i Jehovah raha te hanetry tena?

15 Mahazo tombony be izay manetry tena. Inona àry no hanampy antsika hanetry tena bebe kokoa? Misy fomba efatra ireto: Voalohany, hanetry tena bebe kokoa isika sady hanaja kokoa an’i Jehovah, raha misaintsaina hoe faran’izay tsara toetra izy raha oharina amintsika sady faran’izay ambony. (Isaia 8:13) Tadidio fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no miara-mandeha amintsika, fa tsy anjely na olombelona. ‘Hanetry tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra’ isika, raha mitadidy an’izany.—1 Pet. 5:6.

16. Nahoana isika no lasa manetry tena rehefa misaintsaina hoe tia antsika i Jehovah?

16 Faharoa, hanetry tena kokoa isika raha misaintsaina hoe tia antsika i Jehovah. Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny vatan’olombelona ny fiangonana, ary nilaza izy fa sarobidy ny faritra rehetra amin’ny vatana. (1 Kor. 12:23, 24) Sarobidy amin’i Jehovah koa isika tsirairay, na dia voafetra aza ny zavatra vitantsika. Tsy mampitaha antsika amin’olon-kafa izy, na hoe tsy tia antsika intsony rehefa manao fahadisoana isika. Fantatsika fa tia antsika i Jehovah ka mahatsiaro ho voaro isika, na aiza na aiza anompoantsika azy.

17. Inona no ho vokany raha mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa isika?

17 Fahatelo, hanetry tena kokoa isika raha mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa, hoatran’ny ataon’i Jehovah. Tsy hiezaka ny hisongadina isika, na ho zatra hibaikobaiko olona hoe inona no tokony hataony. Hanetry tena kosa isika, ka hangataka torohevitra sy hanaiky ny soso-kevitry ny hafa. (Ohab. 13:10) Hiaraka hifaly amin’izy ireo isika rehefa mahazo tombontsoam-panompoana izy ireo. Hidera an’i Jehovah koa isika, rehefa mahita fa ampiany ‘ny rahalahintsika rehetra ao amin’ny finoana.’—1 Pet. 5:9.

18. Inona no azontsika atao raha tiantsika handrisika antsika hanetry tena ny feon’ny fieritreretantsika?

18 Fahefatra, tokony ho zarintsika hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretantsika. Hahalala ny fomba fisainan’i Jehovah sy hitovy fomba fihevitra aminy isika amin’izay, ka hahay hanapa-kevitra. Mila mianatra tsy tapaka sy mivavaka ary mampihatra an’izay ianarantsika isika, raha tiantsika hiasa tsara kokoa ny feon’ny fieritreretantsika. (1 Tim. 1:5) Izay hahasoa ny hafa amin’izay no hoeritreretintsika voalohany. Raha manao an’ireo isika, dia mampanantena i Jehovah fa ‘hamita ny fampiofanana antsika’, ka hanampy antsika hanetry tena sy hanana toetra tsara hafa.—1 Pet. 5:10.

19. Inona no hanampy antsika hanetry tena foana?

19 Indray mandeha fotsiny ilay mpaminany avy any Joda no tsy nanetry tena. Lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony anefa izy vokatr’izany, sady namoy ny ainy mihitsy. Afaka ny hanetry tena foana anefa isika, na dia sarotra aza izany indraindray. Maro ny olona tsy nivadika taloha sy ankehitriny azontsika atao modely. Mila miara-mandeha amin’i Jehovah foana koa isika, amin’izay manetry tena bebe kokoa. (Ohab. 8:13) Afaka miara-mandeha amin’i Jehovah isika, na inona na inona toe-javatra misy antsika. Tsy misy zavatra tsara noho izany. Miezaha mafy àry mba hanetry tena foana sady hiara-mandeha amin’Andriamanitra mandrakizay.