Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba ny Maty

Ny Marina Momba ny Maty

Ny Marina Momba ny Maty

‘Manana fanahy tsy mety maty ny olon-drehetra, anisan’izany ny ratsy fanahy. Hosazina mandrakizay ao amin’ny afo tsy mety maty ny ratsy fanahy, ary tsy hisy farany ny fijaliany.’—Clément avy any Aleksandria, mpanoratra tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa.

MINO i Clément hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mitovy hevitra aminy ireo mino fa toeram-pampijaliana ny afobe. Mifanaraka amin’ny Baiboly ve izany? Diniho izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Tsy nety maty ve i Adama, ilay olombelona voalohany? Nandidy an’i Adama toy izao Andriamanitra, taoriana kelin’ny namoronany azy: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Nety maty àry i Adama.

Inona no nanjo an’i Adama rehefa nanota izy? Nosazin’Andriamanitra izy, saingy tsy fampijaliana mandrakizay any amin’ny afobe izany. Izao kosa no didim-pitsaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly Fandikan-teny Katolika: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka hianao, ary hody vovoka indray.” (Genesisy 3:19, izahay no manao sora-mandry) Tsy nilaza mihitsy Andriamanitra hoe nanana fanahy tsy mety maty i Adama.

Misy olona tsy mety maty ve? Tsy misy. Hoy ny Baiboly, ao amin’ny Mpitoriteny 3:20: “Samy mankany amin’ny toerana iray izy rehetra. Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho vovoka indray izy rehetra.” Hoy ny apostoly Paoly: “Tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray [Adama], sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra.” (Romanina 5:12, Kat.) Mpanota avokoa ny olon-drehetra, ka mety maty daholo.

Mahatsiaro mijaly ve ny maty? Hoy ny Baiboly: “Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5, Kat.) Izao koa no lazainy momba ny maty: “Miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:4, Fandikan-teny Protestanta) Raha “tsy mahalala na inona na inona” àry ny maty sady ‘foana ny fikasany’, ahoana no hahatsapany fijaliana any amin’ny afobe?

Noharin’i Jesosy Kristy tamin’ny torimaso ny fahafatesana. * Tsy mahatsiaro tena mantsy ny olona rehefa matory. (Jaona 11:11-14) Mety hisy hanohitra anefa ka hilaza fa nampianatra mihitsy i Jesosy hoe mahamay be ny afobe ary hatsipy any ny mpanota. Andeha hojerentsika izay tena nolazain’i Jesosy momba ny afobe.

[Fanamarihana ambany pejy]