Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo

Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo

Maria: “Tsy naneho fitiavana tamiko intsony i Michel vadiko, sady tsy niraharaha ny zanakay. a Tamin’izahay nanomboka nanana Internet no nitranga izany. Lasa nieritreritra aho hoe: ‘Sao dia mba mijery sary vetaveta ao àry izy?’ Notereko hilaza ny marina izy indray alina, rehefa natory ny ankizy. Niaiky izy hoe lasa tia nijery sary vetaveta tokoa. Sady nalahelo aho no tezitra. Tsy nampoiziko ilay izy. Lasa tsy natoky azy intsony aho. Vao mainka koa mafy ny nahazo ahy tamin’izay, satria nisy mpiara-miasa tamiko nilaza hoe tia ahy.”

Michel: “Nahatratra sary vetaveta tao amin’ny ordinateranay i Maria vadiko, ka nanontany ahy momba ilay izy. Niaiky aho hoe lasa tia nijery sary vetaveta. Tezitra be mihitsy izy. Izaho kosa menatra be, sady tena nanenina. Natahotra aho hoe hisaraka amiko izy.”

INONA no nampikorontana ny tokantranon’i Maria sy Michel? Mety hilaza ianao hoe satria nijery sary vetaveta i Michel. Zavatra hafa anefa no tena niandohan’ilay olana, araka ny nohazavain’i Michel tatỳ aoriana. Tsy noraharahainy ny voady nataony tamin’izy vao nanambady. b Nanantena erỳ izy mivady tamin’ny voalohany hoe hifankatia foana, ary ho tia miara-manao zavatra. Tsy izany anefa no nitranga tatỳ aoriana. Lasa tsy dia zava-dehibe tamin’izy ireo intsony ilay voady nifanaovany, ka nanjary tsy nifankatia intsony izy. Tokantrano maro no toy izany.

Hitanao koa ve fa tsy mifankatia be intsony ianareo mivady? Tianao hifankatia indray ve ianareo? Mila fantatrao àry ny valin’ireto: Inona no tokony hatao raha te hitana ny voadim-panambadiana? Nahoana no sarotra ny mitana an’io voady io? Ary inona no azo atao mba hanajana azy io foana?

Inona àry no tokony hatao?

Mpivady maro no hiteny hoe miezaka mitana ny voady nifanaovany izy, satria manana adidy hanao izany. Efa manan-janaka, ohatra, ny sasany, ka tsy tiany hijaly ny zanany raha sanatria misaraka izy. Ny hafa indray mahatsapa hoe adidiny eo anatrehan’Andriamanitra ny mitana an’ilay voady, satria izy no namorona ny fanambadiana. (Genesisy 2:22-24) Tena tsara ny toe-tsaina toy izany, satria hanampy ny mpivady hamaha ny olana misy eo aminy. Tsy ho sambatra anefa izy ireo, raha noho ny adidy fotsiny no mahatonga azy hitana ny voady nifanaovany.

Tian’i Jehovah Andriamanitra ho faly sy ho sambatra ny mpivady, efa hatrany am-boalohany. Tiany ‘hifaly amin’ny vadiny’ ny lehilahy. Tiany koa ny vehivavy raha mba tia ny vadiny, ary hahatsapa fa tian’ilay lehilahy toy ny tenany. (Ohabolana 5:18; Efesianina 5:28) Tsy maintsy miezaka mifampatoky anefa izy roa, raha te hifankatia toy izany. Tsy maintsy miezaka ho mpinamana be koa izy, ary tsy vetivety ihany fa mandra-pahafaty. Raha manao an’ireo ny mpivady, dia ho mora kokoa aminy ny hitana ny voady nifanaovany. Tena hifankatia izy, ka ho lasa toy ny “nofo iray” mihitsy, araka ny lazain’ny Baiboly.—Matio 19:5.

Toy ny rihitra simenitra ny ezaka ataon’ny mpivady mba hitanana ny voady nifanaovany. Io rihitra io no mampitambatra ny biriky eo amin’ny trano, ka mahatonga azy io ho mafy. Zavatra telo no ilaina amin’ny rihitra: fasika sy simenitra ary rano. Zavatra telo koa no ilain’ny mpivady, raha te hitana ny voadiny izy. Voalohany, mila tsapany hoe manana adidy hitana ilay voady izy. Faharoa, mila mifampatoky izy. Ary fahatelo, mila miezaka ho mpinamana be izy. Nahoana anefa no sarotra ny mitana ny voadim-panambadiana?

Inona no olana?

Mila miezaka mafy sy mandefitra ianao, raha te hitana an’ilay voady nataonao. Mila vonona ny handefitra, ohatra, ianao indraindray, mba hampifaliana ny vadinao. Maro anefa no tsy te handefitra, rehefa tsy mahazo tombony amin’ilay izy. Tsy mety mandefitra tsotra izao mihitsy aza ny sasany. Mieritrereta anefa hoe: ‘Firy ny olona tia tena fantatro, ka manana tokantrano sambatra?’ Vitsy ihany, raha misy aza. Nahoana? Satria tsy hitana ny voady nataony ny olona tia tena, rehefa tsy maintsy mandefitra kely, indrindra raha tsy mahazo tombony eo no ho eo izy. Raha tsy miezaka mitana ny voadiny anefa ny mpivady, dia ho simba ny fifandraisany, na dia nifankatia be aza izy taloha.

Ny Baiboly mihitsy no milaza fa mila miezaka mafy ny mpivady, mba hahasambatra ny tokantranony. Izao no voalaza ao: ‘Ny lehilahy manambady manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny vadiny. Manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao [koa] ny vehivavy manambady, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny vadiny.’ (1 Korintianina 7:33, 34) Mampalahelo anefa indraindray fa tsy mahita ny zavatra mampanahy ny vadiny na tsy mankasitraka ny ezaka ataony ny olona sasany, na dia tsy tia tena aza. Raha tsy mankasitraka ny vadinao anefa ianao, dia vao mainka ianareo “hanam-pahoriana amin’ny nofo.”—1 Korintianina 7:28.

Tianao ho sambatra foana ve ny tokantranonao? Tadidio hoe toy ny lamban’akoho ny fanambadiana ka faty no hisarahana. Ahoana no hanananao an’io toe-tsaina io? Ary ahoana no hanampianao ny vadinao hitana ny voady nifanaovanareo?

Inona no azonao atao?

Tena ilaina ny mankatò ny torohevitr’Andriamanitra. ‘Hahita soa’ ianareo mivady amin’izay. (Isaia 48:17) Ireto misy torohevitra roa azonao arahina.

Miezaha manokana fotoana hiarahana amin’ny vadinao

1. Aza atao tsirambina mihitsy ny fifandraisanareo.

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fifandraisan’ny mpivady. Homeny voninahitra ny lehilahy, raha manome voninahitra ny vadiny. “Tena sarobidy eo imason’Andriamanitra” koa ny vehivavy manaja ny vadiny.—1 Petera 3:1-4, 7.

Zava-dehibe aminao ve ny fifandraisanareo mivady? Matetika no mandany fotoana kokoa amin’ny zavatra iray ianao, rehefa zava-dehibe aminao ilay izy. Mieritrereta àry hoe: ‘Impiry aho no nanokana fotoana niarahana tamin’ny vadiko, tamin’ny volana lasa? Inona no nataoko mba hahitany fa mbola mpinamana be foana izahay?’ Raha tsy manokana fotoana ho an’ny vadinao mihitsy ianao, na zara raha manao izany, dia ho sarotra aminy ny hino fa zava-dehibe aminao ny fifandraisanareo.

Hitan’ny vadinao ve fa zava-dehibe aminao ny fifandraisanareo? Ahoana no hahalalanao izany?

ANDRAMO IZAO: Makà taratasy ary soraty ireto: vola, asa, fanambadiana, fialam-boly, ary namana. Iza amin’ireo no tena zava-dehibe amin’ny vadinao? Asio hoe “1” eo akaikiny. Iza no manaraka? Asio hoe “2”, ary toy izany hatrany. Asaivo manao toy izany koa izy. Jereo avy eo izay nosoratany, ary asaivo jereny koa ny anao. Raha hitany fa tsy dia zava-dehibe aminao ny fanambadianareo, dia iaraho midinika izay tokony hatao. Mieritrereta koa hoe: ‘Inona no azoko atao mba ho zava-dehibe kokoa amiko izay zava-dehibe amin’ny vadiko?’

Manomboka ao am-po ny fijangajangana

2. Aza mijangajanga na dia ao am-po aza.

Hoy i Jesosy Kristy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:28) Tena manimba ny tokantranony ny olona, raha manao firaisana amin’olon-kafa ankoatra ny vadiny. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa afaka misaraka aminy ilay vadiny. (Matio 5:32) Hita amin’ilay tenin’i Jesosy etsy aloha anefa fa manomboka ao am-po ny fijangajangana. Mety hisy fanirian-dratsy ao am-pon’ny olona iray, na dia mbola tsy tanterahiny aza. Efa mijangajanga izy, raha manao izay hitomboan’izany.

Manaova àry voady hoe tsy hijery sary vetaveta mihitsy. Tena manimba tokantrano mantsy izy ireny, na dia maro aza no milaza fa tsy marina izany. Jereo ange ny nanjo an’ity vehivavy ity e! Tia nijery sary vetaveta ny vadiny. Hoy izy: “Lazain’ny vadiko hoe lasa mahafinaritra be, hono, ny manao firaisana, rehefa mijery sary vetaveta. Tsy izany mihitsy anefa no tsapako. Lasa mieritreritra aho hoe vehivavy tsy mahavita azy, ka tsy ampy azy intsony. Mitomany aho ao am-pandriana, isaky ny mijery sary vetaveta izy.” Mitana ny voady nataony ve io lehilahy io, sa tsy miraharaha izany? Ho mora amin’ilay vadiny ve ny hitana an’ilay voady? Mihevitra an’ilay vehivavy ho tena namany ve izy?

Nanao ‘fifanekena tamin’ny masony’ ilay lehilahy fahiny atao hoe Joba, fa tsy ‘hijerijery virjiny.’ Te hitana ny voadim-panambadiany mantsy izy, sady tsy te hivadika amin’Andriamanitra. (Joba 31:1) Te hanahaka azy ve ianao?

Aza mijery sary vetaveta àry. Tandremo koa ny fonao sao lasa tia olon-kafa. Marina fa maro no milaza hoe tsy misy vokany ratsy eo amin’ny tokantrano ny filalaovana fitia. Mampitandrina anefa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?” (Jeremia 17:9) Jereo àry sao efa mamitaka anao ny fonao. Mieritrereta, ohatra, hoe: ‘Amin’iza aho no tena tsara fanahy? Amin’ny vadiko sa amin’olon-kafa? Rehefa mahare vaovao tsara aho, iza no ilazako an’ilay izy voalohany? Ny vadiko sa olon-kafa? Inona no ataoko, rehefa misy olom-pantatra na mpiara-miasa tsy tian’ny vadiko hiresahako be? Tezitra ve aho, sa vonona hanaiky ny fiangaviany?’

ANDRAMO IZAO: Raha lasa tia olon-kafa ianao, dia aza miresaka aminy, raha tsy hoe misy antony tsy azo ialana angaha. Mety hanana toetra tsara tsy ananan’ny vadinao izy. Aza mieritreritra an’ireny anefa, fa ny toetra tsaran’ny vadinao foana no ataovy ao an-tsaina. (Ohabolana 31:29) Tadidio ny antony nahatonga anao ho tia azy. Mieritrereta hoe: ‘Efa tsy manana an’ireo toetra ireo intsony ve izy? Sa izaho no lasa mody tsy mahita ny toetra tsarany?’

Ataovy ny anjaranao

Tapa-kevitra i Michel sy Maria, ilay mpivady noresahina teny aloha, fa handamina ny olana nisy teo aminy. Nangataka torohevitra àry izy roa. Marina fa tsy ampy izany, nefa efa tena tsara. Hita mantsy fa te hitana ny voady nifanaovany izy, ary vonona hiezaka mafy mba hahasambatra ny tokantranony.

Mikorontana ve ny tokantranonareo sa milamina tsara? Asehoy amin’ny vadinao foana fa te hitana ny voady nifanaovanareo ianao, mba hahasambatra ny tokantranonareo. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahitany an’izany. Vonona amin’izany ve ianao?

a Novana ireo anarana.

b Tsy izay lehilahy mijery sary vetaveta ihany no tsy miraharaha ny voadim-panambadiany, fa izay vehivavy manao an’izany koa.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no zavatra fanaoko, ka azoko ajanona indraindray, mba hiarahako bebe kokoa amin’ny vadiko?

  • Inona no azoko atao mba hampisehoana aminy fa mitana ny voady nifanaovanay aho?