Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaja ny Vehivavy Andriamanitra

Manaja ny Vehivavy Andriamanitra

TENA nanahaka ny toetran’ilay Rainy any an-danitra sy ny fomba fanaovany zavatra i Jesosy tetỳ an-tany. Hoy izy: ‘Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany. Manao izay sitrany foana aho.’ (Jaona 8:28, 29; Kolosianina 1:15) Mila mandinika ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy àry isika. Ho fantatsika amin’izay hoe ahoana no tian’Andriamanitra hitondrana azy ireny.

Nisy manam-pahaizana niaiky fa hafa mihitsy ny fiheveran’i Jesosy ny vehivavy, ao amin’ny Filazantsara, raha oharina amin’ny an’ny olona tamin’izany. Nahoana? Mbola mandray soa ve ny vehivavy raha toa ny olona ankehitriny ka mampihatra izay nampianarin’i Jesosy?

Ny fiheveran’i Jesosy ny vehivavy

Tsy hoe hanaovan’ny lehilahy firaisana fotsiny no ilana ny vehivavy, tamin’i Jesosy. Nisy mpitondra fivavahana jiosy nihevitra fa lasa te hanao firaisana ny lehilahy raha mifanerasera amin’ny vehivavy. Natahorana haka fanahy izy ireo ka tsy navela hiresaka tamin’ny lehilahy teny imason’olona. Tsy nahazo nivoaka ny trano koa izy ireo raha tsy nisalotra voaly. I Jesosy kosa anefa nilaza fa ny lehilahy no tokony hifehy ny filan-dratsiny sy hanaja vehivavy, fa tsy izy ireo indray no hailikilika.—Matio 5:28.

Nampianatra koa ny mpitondra fivavahana jiosy fa afaka misaraka amin’ny vadiny ny lehilahy “na inona na inona antony.” (Matio 19:3, 9) Tsy neken’i Jesosy anefa izany. Hoy izy: “Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga.” (Marka 10:11, 12, Fandikan-teny Protestanta) Vaovao be tamin’ny Jiosy ilay hoe mijangajanga ny lehilahy raha mampakatra vehivavy hafa. Nampianarina azy ireo mantsy fa ny vehivavy ihany no mety hijangajanga. Hoy ny boky iray: ‘Nampisondrotra ny toeran’ny vehivavy sy ny hajany i Jesosy, satria nitovy ny fitsipika momba ny fitondran-tena nomeny ny lehilahy sy vehivavy manambady.’

Ny vokatry ny fampianarany ankehitriny: Mifanerasera tsara amin’ny lehilahy ny vehivavy any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy matahotra izy ireo sao hoheverin’ny lehilahy fa maka fanahy azy, na hoe ho lasa lavitra loatra ny fifandraisan’izy ireo. Miezaka mantsy ny lehilahy mba hitondra “ny vehivavy zokiolona toy ny reny, ary ny tanora toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.”1 Timoty 5:2.

Nampianatra ny vehivavy i Jesosy. Tsy navelan’ny mpitondra fivavahana jiosy hianatra mihitsy ny vehivavy. I Jesosy kosa nampianatra azy ireo ary nampirisika azy haneho hevitra. Tian’i Jesosy haheno ny fampianarany, ohatra, i Maria fa tsy ho variana hikarakara sakafo. Nasehony tamin’izany fa tsy hanao raharaha fotsiny no ilana ny vehivavy. (Lioka 10:38-42) Nampianarin’i Jesosy koa i Marta, rahavavin’i Maria, matoa hainy tsara ny namaly an’i Jesosy tamin’i Lazarosy maty.—Jaona 11:21-27.

Zava-dehibe tamin’i Jesosy izay noeritreretin’ny vehivavy. Nino, ohatra, ny vehivavy jiosy fahiny fa ny manan-janakalahy ho reharehany no tena mahasambatra, indrindra raha mpaminany izy io. Nisy vehivavy, indray mandeha, nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao.” Tsy navelany hanana hevi-diso toy izany ilay vehivavy fa nahitsiny. (Lioka 11:27, 28) Nilaza izy fa ny mankatò an’Andriamanitra no tena mahasambatra, noho ny manan-janakalahy ireharehana.—Jaona 8:32.

Ny vokatry ny fampianarany ankehitriny: Mamela ny vehivavy hilaza ny heviny ny lehilahy mampianatra eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaja ny vehivavy izy ireo satria ‘mampianatra zavatra tsara’ izy ireny sady mampiseho izany amin’ny fitondran-tenany. (Titosy 2:3) Miantehitra amin’ny vehivavy koa izy ireo mba hanampy azy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Salamo 68:11; jereo ny efajoro hoe  “Tsy Navelan’ny Apostoly Paoly Hilaza ny Heviny ve ny Vehivavy?”, ao amin’ny pejy 9.

Niahy ny vehivavy i Jesosy. Naleon’ny olona fahiny zanakalahy toy izay vavy. Porofon’izany ity voalazan’ny Talmoda ity: “Sambatra izay manan-janakalahy, fa voa mafy kosa izay manan-janakavavy.” Nisy ray aman-dreny nihevitra fa toy ny enta-mavesatra ho azy ny zanany vavy. Tsy maintsy nitady vady ho azy mantsy izy ireo, ary tsy maintsy nanome vola an’ilay lehilahy ho vadiny koa avy eo. Nihevitra koa ny ray aman-dreny fa tsy azo ianteherana ny zanakavavy rahatrizay antitra izy ireo.

Nasehon’i Jesosy kosa fa samy sarobidy ny zazalahy sy ny zazavavy. Samy natsangany tamin’ny maty, ohatra, ny zanakavavin’i Jairo sy ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina. (Marka 5:35, 41, 42; Lioka 7:11-15) Nanasitrana vehivavy “azon’ny fanahy ratsy” koa i Jesosy. Nalemy nandritra ny 18 taona izy io. Niantso azy tamin’ny teny tsy dia fahita tao amin’ny asa soratra jiosy i Jesosy hoe “zanak’i Abrahama.” (Lioka 13:10-16) Hita tamin’izany fa tsara fanahy sy nanaja an’ilay vehivavy izy. Sady nihevitra azy ho sarobidy toy ny olon-drehetra i Jesosy no niaiky fa tena nanam-pinoana izy.—Lioka 19:9; Galatianina 3:7.

Ny vokatry ny fampianarany ankehitriny: Misy fomba fiteny any Azia hoe: “Toy ny manondraka ny zaridainan’ny mpiray tanàna aminao fotsiny ianao raha mitaiza zanakavavy.” Manalavitra an’izany fomba fisainana izany ny ray aman-dreny kristianina. Be fitiavana izy ireo ka mikarakara ny zanany rehetra, na lahy io na vavy. Ataony izay hampianarana tsara ny zanany rehetra sy hikarakarana ny fahasalaman’izy ireo.

Nanome voninahitra an’i Maria Magdalena i Jesosy, ka i Maria no nasainy hanambara tamin’ny apostoly fa nitsangana izy

Natoky ny vehivavy i Jesosy. Noheverina ho tsy nisy vidiny toy ny an’ny andevo ny porofo nolazain’ny vehivavy teo amin’ny fitsarana jiosy. Hoy i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany: “Tsy azo ekena ny porofo omen’ny vehivavy noho izy kivalavala sy sahisahy ratsy.”

Vehivavy kosa no nofidin’i Jesosy hanaporofo fa natsangana tamin’ny maty izy. Vehivavy mantsy no nisehoany voalohany tamin’izay. (Matio 28:1, 8-10) Na nahita ny namonoana sy nandevenana an’i Jesosy aza ireo vehivavy ireo, dia tsy nino azy ireo ny apostoly. (Matio 27:55, 56, 61; Lioka 24:10, 11) Matoa anefa vehivavy no nisehoan’i Kristy voalohany, dia mendrika hanao vavolombelona toy ny mpianatra hafa izy ireo taminy.—Asan’ny Apostoly 1:8, 14.

Ny vokatry ny fampianarany ankehitriny: Manaja vehivavy ny lehilahy miandraikitra ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mihaino ny soso-kevitr’izy ireo. ‘Manome voninahitra’ ny vadiny koa ny lehilahy kristianina, ka mihaino tsara azy.—1 Petera 3:7; Genesisy 21:12.

Natao hahasambatra ny vehivavy ny toro lalan’ny Baiboly

Manaja vehivavy ny olona manaraka ny fitsipiky ny Baiboly

Nataon’Andriamanitra hohajaina sy hanana fahalalahana ny vehivavy. Tokony hanahaka an’i Kristy àry ny lehilahy mba hahatanteraka izany. (Genesisy 1:27, 28) Tsy tokony hanambany vehivavy izy ireo, fa hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Ho sambatra ny vadiny amin’izay.—Efesianina 5:28, 29.

Nampijalin’ny vadiny i Yelena tamin’izy vao nianatra Baiboly, fa tsy niteniteny. Efa zatra herisetra mantsy ilay vadiny hatramin’ny mbola kely. Fanao any amin-dry zareo, ohatra, ny mampijaly olona sy maka an-keriny izay vehivavy tiana hovadina. Hoy i Yelena: “Nanampy ahy hiaritra ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Lasa fantatro fa hay aho mba misy olona tena tia sy mikarakara ary mihevitra ho sarobidy. Raha mianatra Baiboly koa ny vadiko, dia hiova ka tsy hampijaly ahy intsony.” Tanteraka ny nofinofiny, satria nianatra Baiboly ny vadiny tatỳ aoriana ary natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Yelena: ‘Lasa nahay nifehy tena izy, ka tena ohatra tsara ho an’ny hafa. Niezaka nifamela heloka tanteraka koa izahay. Lasa nahatsiaro ho ilaina aho ary tsy natahotra intsony satria samy nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izahay mivady.’—Kolosianina 3:13, 18, 19.

Be dia be ny vehivavy kristianina toa an’i Yelena. Sambatra ry zareo satria samy miezaka mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy sy ny vadiny. Hajain’ny mpiray finoana aminy koa izy ireo ka tsy manana ahiahy sy tsy mahatsiaro ho voafehifehy.—Jaona 13:34, 35.

Samy mahatsapa ny lehilahy sy vehivavy kristianina fa anisan’ny “navela ho tonga zava-poana” izy ireo satria tsy lavorary. Raha mifandray tsara amin’Andriamanitra anefa izy ireo, dia afaka manantena ny “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana.” “Hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” koa izy ireo amin’izay. Tsara erỳ izany zavatra ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny lehilahy sy vehivavy izany!—Romanina 8:20, 21.