Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Maro no Nankahala Ahy”

“Maro no Nankahala Ahy”
  • TERAKA: 1978

  • FIRENENA: SILIA

  • FIAINANY TALOHA: NAHERY SETRA BE

NY FIAINAKO TALOHA:

Lehibe tany Santiago, renivohitr’i Silia, aho. Be jiolahy sy mpifoka zava-mahadomelina tany, ary nanjaka ny heloka bevava. Nisy namono i Dada tamin’izaho dimy taona. Niara-nipetraka tamin’ny lehilahy iray lozabe i Neny avy eo, ary novonoiny foana izahay mianaka. Mbola misy vokany amiko hatramin’izao izany rehetra izany.

Tena nahery setra aho rehefa nihalehibe. Nihaino rock mavesatra aho, nisotro toaka be, ary nifoka zava-mahadomelina indraindray. Niady tamin’ny mpivarotra zava-mahadomelina foana aho, ary imbetsaka no notadiavin’izy ireo hovonoina. Nisy andian-jiolahy nanakarama mpamono olona kalaza lahy mba hamono ahy. Soa fa afa-nandositra aho, ka tsy matiny fa naratra kely fotsiny. Efa nisy koa andiana mpivarotra zava-mahadomelina nanambana basy ahy teo amin’ny lohako sady nitady hanantona ahy tamin’ny tady.

Raiki-pitia tamin’i Carolina aho tamin’ny 1996, ary nivady izahay tamin’ny 1998. Rehefa teraka ny zanakay lahimatoa, dia natahotra be aho sao hanahaka an’ilay raikeliko ka hampijaly ny ankohonako. Nitady fanampiana tany amin’ny toby fanarenana àry aho. Tsy nisy vokany anefa ny fitsaboana azoko tany. Zavatra kely dia efa naharomotra ahy, ary tsy nahafehy tena mihitsy aho. Nanandrana namono tena àry aho, mba hiarovana ny fianakaviako. Soa ihany aho fa tsy maty.

Efa an-taonany maro aho no tsy nino an’Andriamanitra nefa mba te hiova. Nivavaka tany amin’ny fiangonana ara-pilazantsara àry aho. Ny vadiko kosa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tiako maizina ny Vavolombelona, ka imbetsaka aho no nilelalela sy nanompa azy ireo. Gaga anefa aho fa tsara fanahy foana izy ireo.

Nasain’i Carolina nojereko tao amin’ny Baiboliko ny Salamo 83:18, indray andro. Voalaza tao fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra. Gaga aho satria tsy izany no nampianarina ahy tany am-piangonana. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona koa àry aho, tany am-piandohan’ny taona 2000.

 NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nianarako, tatỳ aoriana, fa Andriamanitra mamindra fo sy mamela heloka i Jehovah, ary nampahery ahy izany. Milaza, ohatra, ny Eksodosy 34:6, 7 fa i Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana.”

Fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy mamela heloka i Jehovah, ary nampahery ahy izany

Tsy mora tamiko anefa ny nampihatra izay nianarako. Tsapako hoe tsy ho vitako mihitsy ny hifehy ny fahatezerako. Nampahery ahy tamim-pitiavana foana anefa i Carolina rehefa resy aho. Nilaza izy fa mahita ny ezaka ataoko i Jehovah. Nahatonga ahy hiezaka hampifaly an’i Jehovah izany, na nihevitra aza aho indraindray hoe tsy misy antenaina intsony ny amiko.

Nasain’i Alejandro, ilay nampianatra Baiboly ahy, novakiko ny Galatianina 5:22, 23 indray andro. Voalaza ao fa ny vokatry ny fanahy dia “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” Nanazava izy fa tsy ho vitako ny hanana an’ireo toetra ireo raha tsy eo ny fanampian’ny fanahy masina. Tena nanova ny fomba fijeriko izany!

Nanatrika fivoriambe nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tatỳ aoriana. Resy lahatra aho hoe nahita ny fivavahana marina, rehefa hitako fa nadio sy nilamina ilay toerana ary nifankatia ny olona. (Jaona 13:34, 35) Natao batisa aho tamin’ny Febroary 2001.

NY SOA NORAISIKO:

Nahery setra aho nefa novan’i Jehovah ho tsara fanahy. Toy ny hoe nafahany avy tao anaty fotaka mandrevo aho. Maro no nankahala ahy taloha, ary tsy manome tsiny azy ireo aho. Faly anefa aho izao fa afaka manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vadiko sy ny zanakay roa lahy, ary milamina tsara ny fiainanay.

Gaga be ny havako sy ny namako taloha nahita ny fiovako, ka maro taminy no lasa nianatra Baiboly. Afaka nanampy olon-kafa hahalala an’i Jehovah koa aho. Faly erỳ aho nahita hoe nanova azy ireny koa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly!