Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Mbola ho velona ve ny maty?

Tena afaka manangana ny maty ilay Mpamorona ny aina

I Jehovah no Loharanon’aina. (Salamo 36:9) Tsy ho vitany àry ve ny hanangana ny olona efa maty? Manome toky ny Baiboly fa izany mihitsy no hataony tsy ho ela. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15) Fa nahoana izy no te hanao an’izany?

Tian’ny Mpamorona hiaina mandrakizay eto an-tany isika, ary efa hatramin’ny voalohany izy no nieritreritra an’izany. (Genesisy 1:31; 2:15-17) Mbola izany ihany no tiany hatao hatramin’izao. Malahelo izy mahita ny fiainantsika sady fohy no feno olana.—Vakio ny Joba 14:1, 14, 15.

Ho aiza ireo hatsangana amin’ny maty?

Noforonin’Andriamanitra mba hiaina any an-danitra ve ny olona? Tsia. Ny anjely no nataony hiaina any, fa ny olona kosa nataony hiaina eto an-tany. (Genesisy 1:28; Joba 38:4, 7) Eritrereto koa ireo olona natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. Natsangany teto an-tany izy ireny. Hatsangany ho eto an-tany koa àry ny ankamaroan’ireo maty.—Vakio ny Jaona 5:28, 29; 11:44.

Misy olona vitsivitsy anefa nofidin’Andriamanitra mba hankany an-danitra, ary ho lasa fanahy izy ireo. (Lioka 12:32; 1 Korintianina 15:49, 50) Ho mpanjaka hitondra ny tany miaraka amin’i Kristy ireo hatsangana ho any an-danitra.—Vakio ny Apokalypsy 5:9, 10.