Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Nieritreritra Aho hoe Tena Afa-po Tamin’ny Fiainako

Nieritreritra Aho hoe Tena Afa-po Tamin’ny Fiainako
  • TERAKA: 1982

  • FIRENENA: POLONINA

  • FIAINANY TALOHA: NAHERY SETRA, MPIDOROKA ZAVA-MAHADOMELINA, TIA ASA BE KARAMA

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tao amin’ny tanàna kely iray teto Polonina aho. Tsy lavitra ny sisin-tanin’i Alemaina no nisy azy io, ary voahodidina toeram-piompiana sy ala. Nilamina ny fiainako tamin’izany. Nampirisihan’ny ray aman-dreniko aho mba ho tsara toetra, hianatra tsara, ary hahazo asa be karama.

Nanomboka nikorontana ny fiainako rehefa nianatra lalàna tany amin’ny Oniversiten’i Wroclaw aho. Lavitra ny ray aman-dreniko aho ka lasa niaraka tamin’ny naman-dratsy. Tia baolina kitra aho, fa rehefa niaraka tamin’ny namako dia vao mainka lasa adalana baolina. Avy any Varsovie ny ekipa tiako indrindra. Nanaraka azy ireo foana aho isaky ny faran’ny herinandro, na taiza na taiza ry zareo no nilalao. Nisotro toaka be sy nidoroka zava-mahadomelina izahay tamin’izany. Indraindray koa izahay niady tamin’ny mpanohana ny ekipa hafa. Fantatro hoe hisy vokany amin’ny asako raha voasambotry ny polisy aho. Tsy noraharahaiko anefa izany satria mba te hiala amin’ny rotoroton’ny fiainana aho.

Tia nankany amin’ny toeram-pandihizana izaho sy ny namako. Matetika izahay no niady aman’olona rehefa tonga tany. Voasambotry ny polisy foana aho nefa afaka satria nahita hevitra, ohatra hoe nanome tsolotra. Nieritreritra aho hoe tena afa-po tamin’ny fiainako. Tsapako ihany anefa hoe tsy nety ny nataoko. Nankany am-piangonana àry aho isaky ny alahady mba hampandry ny eritreritro.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nandondòna tao aminay tamin’ny 2004, ary nanaiky hiresaka Baiboly tamin’izy ireo aho. Nanomboka nanenjika ahy ny eritreritro rehefa haiko ny atao hoe tena Kristianina. Lasa fantatro hoe tsy tokony hisotro toaka be intsony aho, tsy hidoroka zava-mahadomelina, ary tsy hiaraka amin’ny olona tsy miraharaha ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy tokony hahery setra be intsony koa aho. Tsy niova mihitsy anefa aho na dia fantatro aza izany rehetra izany.

Niady tamin’ny lehilahy valo anefa aho indray alina. Tsaroako hoe nidaboka tamin’ny tany aho sady nisy namely totohondry sy daka ny lohako. Nieritreritra aho hoe efa ho faty, ka nivavaka hoe: “Mifona aho Jehovah fa tsy nanaraka ny teninao. Raha tsy maty eto aho, dia mampanantena fa hianatra Baiboly ary hiova.” Gaga aho satria tsy maty, ka notanterahiko ny teniko.

Nifindra tany Angletera aho tamin’ny 2006 mba hitady vola. Te ho any Polonina mantsy aho mba hianatra, dia hahazo diplaoma ambony tamin’ny resaka lalàna. Nitohy ihany ny fianarako Baiboly. Nisy vokany tamiko ilay tenin’i Paoly hoe: “Tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.” (Filipianina 3:8) Nianatra lalàna toa ahy i Paoly, sady nahery setra koa. (Asan’ny Apostoly 8:3) Tsapany anefa fa tsara kokoa ny manompo an’Andriamanitra sy miezaka manahaka an’i Jesosy. Rehefa nisaintsaina ny nataony aho, dia fantatro fa tsy ho sambatra aho na dia manana asa be karama aza na koa mahery setra. Resy lahatra aho hoe raha vitan’i Paoly ny niova dia ho vitako koa izany. Nijanona tany Angletera àry aho ary tsy niezaka hahazo diplaoma ambony momba ny lalàna intsony.

Vao mainka aho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah rehefa nihanahafantatra azy. Nanohina ny foko ilay hoe mamela heloka izy raha tena miova ny olona iray. (Asan’ny Apostoly 2:38) Milaza ny 1 Jaona 4:16 fa “Andriamanitra dia fitiavana.” Rehefa nisaintsaina an’izany aho, dia nanjary azoko hoe nahoana izy no tsy tia herisetra.

Te ho lasa naman-dry zareo aho, satria tena mifankatia ry zareo

Nampiaiky ahy koa ny fitondran-tenan’ny Vavolombelona. Tena miezaka manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo. Te ho lasa naman-dry zareo aho, satria tena mifankatia ry zareo. Niezaka mafy aho mba hiova, ka natao batisa tamin’ny 2008 ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Tianay be ny mampianatra Baiboly olona miteny poloney

NY SOA NORAISIKO:

Nanova ahy ny Baiboly. Nahery setra aho taloha, mpidoroka zava-mahadomelina, mpisotro toaka be, adalana baolina, ary te hanan-karena. Izao kosa aho manompo an’Andriamanitra sady tia mampianatra Baiboly. Mbola tia mijery baolina aho, saingy tapa-kevitra hoe hahay handanjalanja rehefa miala voly.

Nanambady an’i Esther aho. Tsara tarehy izy sady Vavolombelon’i Jehovah koa. Tianay be ny mampianatra Baiboly olona miteny poloney atỳ amin’ny faritra avaratrandrefan’i Angletera. Izay aho vao tena afa-po amin’ny fiainako. Madio ny eritreritro sady mahatsiaro ho sambatra aho.