Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Efesianina 3:20: “Mahay Manao Mihoatra Noho ny Zavatra Rehetra, eny, Mihoatra Lavitra Noho Izay Rehetra Angatahintsika na Heverintsika aza [Andriamanitra]”

Efesianina 3:20: “Mahay Manao Mihoatra Noho ny Zavatra Rehetra, eny, Mihoatra Lavitra Noho Izay Rehetra Angatahintsika na Heverintsika aza [Andriamanitra]”

 “Afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika Andriamanitra, ary mihoatra lavitra noho izany aza, noho ilay heriny miasa ao anatintsika. Ho azy anie ny voninahitra, eny, ho azy anie ilay voninahitra.”​—Efesianina 3:20, 21, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra.”​—Efesianina 3:20, 21, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Efesianina 3:20 holazaina?

 Natoky ny apostoly Paoly hoe mahavita zavatra tsy eritreretin’ny mpanompony hoe hitranga mihitsy Andriamanitra mba hamaliana ny vavaka ataon’izy ireo na hanatanterahana an’izay antenain’izy ireo. Mety ho tsara lavitra na mihoatra lavitra noho izay eritreretin’izy ireo mihitsy aza ny fomba anaovany an’izany.

 “Noho ilay heriny miasa ao anatintsika.” Resahin’io andininy io fa i Jehovah Andriamanitra no manome hery. a Lazain’i Paoly eo amin’ny andininy faha-21 koa hoe: “Ho azy anie ilay voninahitra amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Jaona 20:31) Ankoatra izany, dia Andriamanitra no afaka manome ny hery ilaintsika mba hanaovana ny sitrapony.​—Filipianina 4:13.

 Nisy zavatra miavaka noresahin’ny apostoly Paoly eo amin’ny andininy faha-20 momba ny fomba anampian’i Jehovah ny mpanompony. Izao no lazain’ny boky iray momba an’ilay teny nadika hoe “noho ilay heriny”: “Tsy milaza fotsiny io andininy io hoe mahavita manao zavatra Andriamanitra na koa hoe mety hanao zavatra izy. Te hilaza kosa izy io fa manana hery hanampiana ny mpanompony izy.” Tsy ho afaka hanampy antsika foana, ohatra, ny namantsika rehefa misy olana isika, na dia te hanao an’izany aza izy. Tsy hoatr’izany anefa i Jehovah. Vitany foana ny manampy ny mpanompony sy mamaly ny vavaka ataon’izy ireo, na inona na inona takin’izany. Tsy voafetra ny hery sy fahefana ananany, ary izy irery ihany no manana an’izany.​—Isaia 40:26.

 “Afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika Andriamanitra, ary mihoatra lavitra noho izany aza.” Mahavita zavatra betsaka kokoa noho izay eritreretin’ny mpanompony i Jehovah mba hikarakarana azy ireo, ary “mihoatra lavitra noho izany aza.” Mihoatra an’izay eritreretin’izy ireo hoe efa be dia be no ataon’i Jehovah.

 Misy zavatra hafa ianarantsika avy amin’io andininy io koa rehefa jerena ilay teny hoe “mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika.” Tian’ilay apostoly hino ny Kristianina rehetra fa mihoatra noho izay antenain’izy ireo ny fomba azon’Andriamanitra anampiana azy ireo. Izao no fomba nandikan’ilay fandikan-teny hoe Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena (anglisy) ny tapany voalohany amin’io andininy faha-20 io: “Ho an’ilay Andriamanitra izay tsy voafetran’ny zavatra angatahintsika na takatry ny saintsika fa mahavita mihoatra lavitra noho izany.” Mety hisy Kristianina indraindray hieritreritra hoe lehibe loatra na sarotra loatra ny olana mahazo azy ka tsy ho voavaha mihitsy. Mety tsy ho hitany mihitsy aza izay holazaina rehefa mivavaka momba an’ilay olana izy. Tsy misy fetrany anefa ny fahatakaran’i Jehovah ny olana mahazo antsika na ny fahafahany hanampy antsika. Afaka mamaha ny olana rehetra amin’ny fotoana hitany hoe mety izy ary mety tsy ho noeritreretintsika mihitsy ny fomba anaovany an’izany. (Joba 42:2; Jeremia 32:17) Raha mbola tsy tonga anefa ny fotoana hamahany an’ilay olana, dia omeny hery isika mba hahavita hiaritra ary ho faly mihitsy aza.​—Jakoba 1:2, 3.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Efesianina 3:20?

 Nipetraka tany Efesosy ny Kristianina nanoratan’ny apostoly Paoly ny bokin’ny Efesianina. Tany Azia Minora no nisy an’io tanàna io, izany hoe any Torkia amin’izao. Nosoratan’i Paoly tao amin’io taratasiny io ny vavaka nataony ho azy ireo. (Efesianina 3:14-21) Nivavaka izy mba ho hita eo amin’ny fomba fisainan’izy ireo sy izay ataony hoe be fitiavana hoatran’i Jesosy ry zareo. Amin’izay ho fantatr’izy ireo tsara ny atao hoe fitiavan’i Kristy. Tsy natao ho azy ireo ihany anefa izany vavaka izany fa ho an’ny Kristianina rehetra. Nidera an’Andriamanitra i Paoly rehefa namarana an’ilay vavaka ary nilaza an’ireo teny hitantsika ao amin’ny Efesianina 3:20, 21.

 Jereo ity video fohy ity mba hahitanao ny mombamomba ny bokin’ny Efesianina.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?