Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Jaona 16:33: “Efa Nandresy An’izao Tontolo Izao Aho”

Jaona 16:33: “Efa Nandresy An’izao Tontolo Izao Aho”

 “Nilaza an’izany taminareo aho mba ho amin’ny alalako no hahazoanareo fiadanana. Eo amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa manàna herim-po! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”​—Jaona 16:33, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.”​—Joany 16:33, Fandikan-teny Katolika.

Inona no tian’ny Jaona 16:33 holazaina?

 Nanome toky ny mpianany i Jesosy ao amin’io andinin-teny io hoe hahavita handresy hoatr’azy ry zareo, izany hoe hahavita hampifaly an’Andriamanitra, na dia misy olana sy fanenjehana aza.

 “Nilaza an’izany taminareo aho mba ho amin’ny alalako a no hahazoanareo fiadanana.” Rehefa jerena ilay andininy manontolo, dia hita eo fa tsy hoe tsy manana olana intsony izay olona mahazo an’io fiadanana io. Inona àry no dikan’ny hoe ‘miadana’ eto? Midika izy io hoe tony sy milamin-tsaina. ‘Amin’ny alalan’i’ Jesosy no ahazoana an’io fiadanana io. Dia ahoana no hataony? Nampanantena izy hoe hahazo “mpanampy” mahery ny mpianany, izany hoe hahazo fanahy masina, ka hahavita hiatrika an’izay olana rehetra mitranga.​—Jaona 14:16, 26, 27.

 “Eo amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa manàna herim-po!” Notsorin’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe tsy maintsy hiatrika fitsapana ry zareo, ohatra hoe hiharan’ny tsy rariny sy henjehina. (Matio 24:9; 2 Timoty 3:12) Tokony ho be “herim-po” na ‘hahery’ foana anefa ny mpianany.​—Jaona 16:33, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

 “Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” Ny olona tsy manompo an’Andriamanitra sady tsy manao ny marina no tiana holazaina amin’ny hoe ‘izao tontolo izao’ eto. b Resahin’ny 1 Jaona 5:19 hoe: “Izao tontolo izao manontolo ... eo ambany fahefan’ilay ratsy”, izany hoe eo ambany fahefan’i Satana. Tsy mahagaga raha zavatra tsy tian’Andriamanitra no ataon’ny olona “eo amin’izao tontolo izao” sy eritreretiny.​—1 Jaona 2:15-17.

 Nataon’i Satana sy ny tontolony izay hahatonga an’i Jesosy tsy hahavita ny sitrapon’Andriamanitra. Nataon-dry zareo, ohatra, izay tsy hampianaran’i Jesosy momba an’Andriamanitra sy tsy hanomezany ny ainy lavorary ho vidim-panavotana. (Matio 20:28; Lioka 4:13; Jaona 18:37) Tsy navelan’i Jesosy hanova ny toe-tsainy sy hampivadika azy amin’Andriamanitra anefa izao tontolo izao. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy. Izany no nahatonga azy ho afaka hiteny hoe efa naharesy an’izao tontolo izao izy. Nilaza koa izy hoe “tsy manana fahefana” aminy i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.”​—Jaona 14:30.

 Nanome modely ho an’ny mpanara-dia azy àry i Jesosy. Nasehony azy ireo hoe hahavita tsy hivadika amin’Andriamanitra hoatran’ny nataony ry zareo, na dia hiezaka hanao izay hampivadika an-dry zareo aza i Satana sy ny tontolony. Te hilaza i Jesosy hoe: “Vitako ny nandresy an’izao tontolo izao, dia ho vitanareo koa izany.”

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jaona 16:33?

 Ny alina talohan’ny nahafatesany i Jesosy no niteny an’ireo teny ao amin’ny Jaona 16:33 ireo. Nanome torohevitra faramparany an’ireo apostoliny tsy nivadika izy tamin’izay, satria fantany hoe efa kely sisa izy dia ho faty. Nisy zava-dehibe nolazainy tamin’izay hoe tsy hahita azy intsony ry zareo, sady tsy maintsy hisy hanenjika, ary hisy hamono ho faty mihitsy aza. (Jaona 15:20; 16:2, 10) Azo inoana fa nampatahotra an’ireo apostoly izany, dia izay no nahatonga an’i Jesosy hilaza an’ireo teny ao amin’ny Jaona 16:33 ireo mba hampaherezana sy hanomezana toky azy ireo.

 Mampahery ny mpanara-dia azy amin’izao koa ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 16:33 ireo sy ny modely nomeny. Afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ny Kristianina rehetra, na dia miaritra ny mafy aza.

a Midika koa hoe “miaraka amiko” ilay teny grika nadika hoe “amin’ny alalako.” Midika izany hoe tokony ho tafaray amin’i Jesosy foana ny mpanara-dia azy raha te hahazo fiadanana.

b Izany koa no dikan’ilay hoe “tontolo” ao amin’ny Jaona 15:19 sy 2 Petera 2:5.