Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Salamo 23:4: “Na dia Mandeha Mamakivaky ny Lohasaha Aloky ny Fahafatesana aza Aho”

Salamo 23:4: “Na dia Mandeha Mamakivaky ny Lohasaha Aloky ny Fahafatesana aza Aho”

 “Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako, satria ianao no eo anilako. Manome toky ahy ny tsorakazonao sy ny tehinao.”​—Salamo 23:4, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.”​—Salamo 23:4, Dikan-teny navoakan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly eto Madagasikara.

Inona no tian’ny Salamo 23:4 holazaina? a

 Arovan’Andriamanitra sy karakarainy izay olona manompo azy, na dia rehefa miatrika olana aza. Ampitovin’ilay andinin-teny amin’ny mpiandry ondry mikarakara ny ondriny Andriamanitra rehefa mikarakara ny mpanompony. b Resahin’ilay andininy hoe mety ho sendra aloka maizina be na haizim-pito na mety hatahorana ho faty ny mpanompony, izany hoe mety hiatrika olana faran’izay mafy. Tsy miady irery anefa izy ireo. Mahatsiaro ho voaro izy ireo satria hoatran’ny hoe eo anilan’izy ireo eo mihitsy Andriamanitra.

 Nampiasa tsorakazo ny mpiandry ondry taloha mba hiarovana ny ondry tamin’ny bibidia. Nampiasa ny tehiny koa izy, izany hoe hazo lavalava misy lohany miolaka, mba hitarihana ny ondriny na hisintonana azy ireo hiala amin’ny loza. Miaro sy mitari-dalana ny mpanompony hoatr’izany koa i Jehovah, ilay Mpiandry Ondry be fitiavana. Mahita fomba isan-karazany hikarakarana azy ireo izy, na dia amin’ny fotoana mangidy indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo aza.

  •   Mampianatra sy mampionona azy ireo izy amin’ny alalan’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly.​—Romanina 15:4.

  •   Mihaino ny vavaka ataon’izy ireo izy, dia manampy azy ireo ho tony sy hiadan-tsaina.​—Filipianina 4:6, 7.

  •   Mampiasa ny mpanompony hafa izy mba hampaherezana azy ireo.​—Hebreo 10:24, 25.

  •   Omeny fampanantenana azo antoka izy ireo hoe hihatsara ny hoavy. Hesoriny daholo amin’izay izay rehetra mampijaly azy ireo.​—Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3-5.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Salamo 23:4?

 I Davida no nanoratra ny Salamo 23. Mpiandry ondry izy tamin’izy tanora, ary avy eo lasa mpanjakan’ny firenen’Israely. (1 Samoela 17:34, 35; 2 Samoela 7:8) Resahin’ny andininy voalohandohany amin’io salamo io hoe Mpiandry i Jehovah, dia mitarika sy manome sakafo ary mamelombelona ny mpanompony, tsy misy hafa amin’ny ataon’ny mpiandry ondry ara-bakiteny.​—Salamo 23:1-3.

 Manasongadina ny fiarovan’Andriamanitra i Davida eo amin’ny Salamo 23:4. Tsy nataony hoe “izy” intsony Andriamanitra eo fa nantsoiny hoe “ianao.” Hita avy amin’izany fa tena akaiky be an’i Jehovah i Davida. Fantany fa niahy azy Andriamanitra sady nahafantatra tsara ny zavatra niaretany. Noho izany, dia tsy nisy loza natahorany mihitsy.

 Tsy miresaka momba ny mpiandry ondry sy ny ondriny intsony ny andininy roa manaraka, izany hoe ny andininy faha-5 sy faha-6, fa miresaka momba ny tompom-panasana iray sy ny olona asainy. Hoatran’ny tompom-panasana malala-tanana i Jehovah, dia nataony hoatran’ny olona manan-kaja nasainy i Davida. Na ny fahavalon’i Davida aza tsy afaka nanakana an’i Jehovah tsy hikarakara azy. Resahin’i Davida eo amin’ny faran’ilay salamo fa matoky izy hoe ho tsara toetra aminy foana Andriamanitra sady ho tia azy mandritra ny androm-piainany.

 Asehon’ireo fanoharana ao amin’ny Salamo 23 ireo fa tian’i Jehovah foana sady karakarainy foana ny mpanompony.​—1 Petera 2:25.

a Salamo 22 izy io any amin’ny Baiboly sasany. Marina fa 150 ny isan’ny Salamo, nefa ny Baiboly sasany manisa azy ireo araka ny Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta, fa ny hafa kosa nanaraka ny fanisana ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, izay dikan-tenin’ny Soratra Hebreo vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. tany ho any.

b Matetika no ampitahain’ny Baiboly amin’ny Mpiandry be fitiavana Andriamanitra, izay manana anarana hoe Jehovah. Ampitovina amin’ny ondry kosa ny mpanompony satria miantehitra aminy mba hanampy sy hiaro azy ireo.​—Salamo 100:3; Isaia 40:10, 11; Jeremia 31:10; Ezekiela 34:11-16.