Hijery ny anatiny

Telo Izay Iray ve Andriamanitra?

Telo Izay Iray ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Maro ny antokom-pivavahana kristianina mampianatra fa telo izay iray Andriamanitra. Mariho anefa izay lazain’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe Trinite, na io foto-pinoana io . . . Nipoitra tsikelikely tao anatin’ny taonjato maromaro ilay foto-pinoana sady niadian-kevitra be.”

 Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe anisan’ny Andriamanitra telo izay iray ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Diniho ireto:

 “I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”—Deoteronomia 6:4.

 “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Salamo 83:18.

 “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

 “Andriamanitra dia iray ihany.”—Galatianina 3:20, Fandikan-teny Protestanta.

 Nahoana no maro ny antokom-pivavahana milaza fa telo izay iray Andriamanitra?