Hijery ny anatiny

Inona moa ny Fanahy Masina?

Inona moa ny Fanahy Masina?

Valiny ara-baiboly

 Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. (Mika 3:8; Lioka 1:35) Azony alefa hatraiza hatraiza izy io mba hanatanterahany ny sitrapony.—Salamo 104:30; 139:7.

 Teny hebreo hoe roah sy teny grika hoe pneoma no nadika hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly. Ny hery ampiasain’Andriamanitra na ny fanahy masina matetika no tiana holazaina amin’ireo teny ireo. (Genesisy 1:2) Tsy izay ihany anefa no dikan’ireo ao amin’ny Baiboly, fa misy hafa koa, ohatra hoe:

 Tsy hita maso daholo ireo, nefa misy heriny na misy vokany hita maso. Mitovy amin’izany koa ny fanahy masin’Andriamanitra. “Toy ny rivotra izy io, ka tsy hita maso sy tsy manana vatana nefa mahery.”—An Expository Dictionary of New Testament Words, nosoratan’i W. Vine.

 Antsoina hoe ‘tanan’Andriamanitra’ sy ‘rantsantanany’ koa ny fanahy masina, ao amin’ny Baiboly. (Salamo 8:3; 19:1; Lioka 11:20; ampitahao amin’ny Matio 12:28.) Mampiasa ny tanany sy ny rantsantanany ny mpanao asa tanana rehefa manao ny asany. Toy izany koa fa mampiasa ny fanahiny Andriamanitra rehefa manao zavatra. Ireto avy, ohatra, no ampiasany ny fanahiny:

Tsy olona ny fanahy masina

 Tsy olona ny fanahy masina matoa ny Baiboly milaza hoe ‘tanan’Andriamanitra’ ilay izy, na ‘rantsantanany’ na ‘fofonainy.’ (Eksodosy 15:8, 10) Tsy afaka mihetsika ny tanan’ny mpanao asa tanana raha tsy miasa ny vatany sy ny sainy. Toy izany koa fa tsy afaka miasa ny fanahy masina raha tsy ampiasain’Andriamanitra. (Lioka 11:13) Ampitovina amin’ny rano koa ny fanahy masina ao amin’ny Baiboly, sady ampifandraisina amin’ny finoana sy ny fahalalana. Tsy olona àry ny fanahy masina, rehefa jerena ireo rehetra ireo.​—Isaia 44:3; Asan’ny Apostoly 6:5; 2 Korintianina 6:6.

 Hita ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Hita ao koa hoe Jesosy Kristy no anaran’ny Zanany. Tsy misy anaran’ny fanahy masina anefa ao. (Isaia 42:8; Lioka 1:31) Nahazo fahitana avy any an-danitra koa ilay Kristianina atao hoe Stefana, indray mandeha, ary Andriamanitra sy Jesosy ihany no hitany tamin’izay, fa tsy nahita ny fanahy masina izy. Hoy ny Baiboly: ‘Feno fanahy masina i Stefana ary nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sady nahita an’i Jesosy nijoro teo ankavanan’Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 7:55) Hery ampiasain’Andriamanitra àry ny fanahy masina, ary izy io no nahafahan’i Stefana nahita an’io zava-mahagaga io.

Hevi-diso momba ny fanahy masina

 Hevi-diso: Olona ny fanahy masina sady anisan’ny Andriamanitra telo izay iray, araka ny 1 Jaona 5:7, 8, ao amin’ny Baiboly Fandikan-teny Katolika.

 Inona no tena marina? Misy an’ireto teny ireto tokoa ao amin’ny 1 Jaona 5:7, 8, raha araka ny Fandikan-teny Katolika: “Any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany.” Hitan’ny mpikaroka anefa fa tsy ny apostoly Jaona no nanoratra an’ireo teny ireo, ka tsy tokony ho hita ao amin’ny Baiboly ireo. Hoy i Bruce Metzger, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Tena marina ilay hoe teny nasisika tao amin’ny Testamenta Vaovao ireo, ka tsy tokony ho ao mihitsy.”​—A Textual Commentary on the Greek New Testament.

 Hevi-diso: Ampitovina amin’ny olona ny fanahy masina, ao amin’ny Baiboly, ka midika izany fa olona izy io.

 Inona no tena marina? Oharina amin’ny olona tokoa ny fanahy masina indraindray, ao amin’ny Baiboly. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny olona, ohatra, ny fanahy masina. Nilaza izy hoe “mpanampy” izy io, ka manome porofo, mitari-dalana, miteny, mahare, manambara, manome voninahitra, ary mahazo zavatra. (Jaona 16:7-15) Tsy midika anefa izany hoe olona ny fanahy masina. Ampitovina amin’ny olona koa mantsy ny fahendrena sy ny fahafatesana ary ny ota, ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 1:20; Romanina 5:17, 21) Voalaza ao, ohatra, hoe manan-janaka ny fahendrena. Hita ao koa fa mamitaka sy mamono ary mitady hirika hampisy fitsiriritana ao amintsika ny ota.—Lioka 7:35; Romanina 7:8, 11.

 Hevi-diso: Olona ny fanahy masina matoa isika tokony hatao batisa amin’ny anaran’izy io.

 Inona no tena marina? Entina hilazana fahefana indraindray ny hoe ‘anarana’, ao amin’ny Baiboly. (Deoteronomia 18:5, 19-22; Estera 8:10) Matetika koa ny manam-pahefana no miteny hoe “amin’ny anaran’ny lalàna”, nefa tsy midika izany hoe olona ny lalàna. Inona àry no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina? Midika izy io fa eken’ilay olona atao batisa hoe hery avy amin’Andriamanitra ny fanahy masina, ary ampiasainy hanatanterahana ny sitrapony.—Matio 28:19.

 Hevi-diso: Nino ny apostolin’i Jesosy sy ny Kristianina voalohany fa olona ny fanahy masina.

 Inona no tena marina? Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Tsy marina koa izany, raha ny tantara no jerena. Hoy ny Encyclopædia Britannica: ‘Tany amin’ilay Konsilin’i Constantinople tamin’ny taona 381 no nanambarana voalohany fa Olona sady andriamanitra ny Fanahy Masina.’ Efa 250 taona mahery taorian’ny nahafatesan’ny apostoly farany izany.