Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?

Valiny ara-baiboly

 Ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany no nahay “niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra.” Lasa nahay niteny tamin’ny fiteny hafa izy ireo tamin’izany, na dia fiteny mbola tsy nianarany aza ilay izy. (Asan’ny Apostoly 10:46, Fandikan-teny Protestanta) Tonga dia azon’izay nahay an’ilay fiteny izay notenenin’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 2:4-8) Nomen’Andriamanitra fanahy masina ireo Kristianina ireo, dia lasa nahay zavatra isan-karazany, anisan’izany ilay hoe miteny amin’ny fiteny samihafa.—Hebreo 2:4; 1 Korintianina 12:4, 30.

 Oviana ary taiza no nisy niteny voalohany tamin’ny fiteny tsy fantatra?

 Tany Jerosalema, tamin’ilay fety jiosy atao hoe Pentekosta, tamin’ny taona 33. Maraina tamin’izay. Niara-nivory ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo, ary “samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa.” (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:1-4) Nisy olona be dia be “avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra” nirohotra nanatona an-dry zareo tao Jerosalema, ary “samy nandre an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo.”​—Asan’ny Apostoly 2:5, 6.

 Nahoana no nataon’Andriamanitra nahay niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ny Kristianina sasany taloha?

  1.   Tiany ho hitan’ny olona hoe nanohana ny Kristianina izy. Nanao fahagagana Andriamanitra taloha, mba hahafantaran’ny olona hoe nanohana ny mpanompony izy. Hoatran’izany, ohatra, no nataony tamin’i Mosesy. (Eksodosy 4:1-9, 29-31; Nomery 17:10) Nataon’Andriamanitra afaka niteny tamin’ny fiteny samihafa koa ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, satria tiany haseho hoe nanohana azy ireo izy. Vao niforona io fiangonana io tamin’izany. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa dia famantarana ho an’ny tsy mpino, fa tsy ho an’ny mpino.”—1 Korintianina 14:22.

  2.   Te hanampy ny Kristianina hitory ny vaovao tsara izy. Be dia be no naheno ny mpianatr’i Jesosy niteny tamin’ny fiteny samihafa tamin’io andro io. Nilaza ireo olona ireo hoe: ‘Rentsika ry zareo miteny amin’ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 2:11) Hita avy amin’izany fa lasa afaka ‘nanazava tsara’ ny tenin’Andriamanitra ny Kristianina satria nahay niteny tamin’ny fiteny samihafa. Lasa afaka ‘nanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’ koa izy ireo, araka ny nandidian’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 10:42; Matio 28:19) Olona 3 000 teo ho eo tamin’izay no lasa mpianatr’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 2:41.

 Mbola hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra foana ve ny Kristianina?

 Tsia. Nahazo fanahy masina ny Kristianina tamin’izany, dia lasa nanana fahaizana manokana, anisan’izany ilay hoe niteny tamin’ny fiteny samihafa. Tsy hoe nanana an’izany fahaizana izany foana anefa ny Kristianina. Vetivety ihany ilay izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany.”—1 Korintianina 13:8.

 Oviana no nisy farany ny hoe olona niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra?

 Matetika no teo ny apostoly rehefa nahazo fahaizana manokana avy tamin’ny fanahy masina ny Kristianina hafa. Ny apostoly mihitsy aza matetika no nametra-tanana tamin-dry zareo, dia izay no nahazoany an’ilay fahaizana. (Asan’ny Apostoly 8:18; 10:44-46) Toa tsy azon’ireny Kristianina ireny nafindra tamin’olon-kafa anefa izay fahaizana manokana nomena azy. (Asan’ny Apostoly 8:5-7, 14-17) Andao hatao hoe nomen’ny manam-pahefana fahazoan-dalana hitondra fiara ianao. Tsy midika anefa izany hoe mahazo manome fahazoan-dalana ho an’olon-kafa ianao. Dia hoatran’izany mihitsy ireo Kristianina tamin’izany. Nahazo fahaizana manokana avy tamin’ny apostoly ry zareo, nefa tsy hoe afaka nanome an’ilay izy ho an’olon-kafa. Azo antoka àry fa tsy nisy niteny tamin’ny fiteny samihafa intsony, rehefa maty ny apostoly sy izay Kristianina nomen’izy ireo fahaizana manokana.

 Dia ahoana ireny olona milaza hoe mahay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra amin’izao ireny?

 Azo antoka fa tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany no nisy farany ilay hoe miteny amin’ny fiteny samihafa. Tsy misy afaka milaza intsony àry amin’izao hoe nomen’Andriamanitra hery izy, dia lasa mahay miteny amin’ny fiteny samihafa. a

 Ahoana no amantarana ny tena Kristianina?

 Nilaza i Jesosy hoe ho be fitiavana sy hahafoy tena ho an’ny hafa ny tena mpanara-dia azy. Izay no hamantarana azy ireo. (Jaona 13:34, 35) Nampianatra koa ny apostoly Paoly fa mifankatia ny tena Kristianina, ary izay foana no hamantarana azy ireo. (1 Korintianina 13:1, 8) Nilaza izy fa hahazo fanahy masina ny Kristianina, dia lasa hanana toetra tsara. Antsoina hoe “vokatry ny fanahy” ireo toetra ireo, ary ny fitiavana no voalohany indrindra amin’izany.—Galatianina 5:22, 23.