Hijery ny anatiny

Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hamono Olona Tambabe ny Nazia?

Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hamono Olona Tambabe ny Nazia?

 Maro no namoy havana tamin’iny loza iny ka mametraka an’io fanontaniana io. Tsy ny valin’izany fotsiny no tadiaviny fa fampiononana ihany koa. Ny hafa indray mieritreritra hoe iny no zavatra ratsy indrindra nataon’olombelona, ka sarotra aminy ny hino hoe misy Andriamanitra.

Hevi-diso momba an’Andriamanitra sy ilay Famonoana Tambabe

Hevi-diso: Tsy azo atao ny manontany hoe nahoana no navelan’Andriamanitra hamono olona tambabe ny Nazia.

 Ny marina: Na ny olona nanam-pinoana aza nanontany hoe nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny ratsy. Nanontany azy, ohatra, i Habakoka mpaminany hoe: “Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako?” (Habakoka 1:3) Tsy nibedy an’i Habakoka Andriamanitra. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly kosa ny fanontaniany mba ho hitantsika.

Hevi-diso: Tsy miraharaha ny fijalian’ny olona Andriamanitra.

 Ny marina: Halan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana aterak’izany. (Ohabolana 6:16-19) “Nalahelo ny fony” tamin’ny andron’i Noa, satria feno herisetra teto an-tany. (Genesisy 6:5, 6) Azo antoka àry fa nalahelo be Andriamanitra tamin’ilay Famonoana Tambabe.—Malakia 3:6.

Hevi-diso: Fomba nanasazian’Andriamanitra ny Jiosy ny Famonoana Tambabe.

 Ny marina: Ekena aloha fa navelan’Andriamanitra horavan’ny Romanina i Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany. (Matio 23:37–24:2) Taorian’izay anefa dia tsy nanasazy na nankasitraka foko iray manokana Andriamanitra. Aminy dia “tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa.”—Romanina 10:12, Fandikan-teny Protestanta.

Hevi-diso: Raha misy izany Andriamanitra be fitiavana sy mahery indrindra izany, dia tsy ho navelany hisy mihitsy ny Famonoana Tambabe.

 Ny marina: Tsy avy amin’Andriamanitra ny fijaliana, fa avelany hitranga ilay izy indraindray. Tsy havelany hitohy mandrakizay anefa izany.—Jakoba 1:13; 5:11.

Nahoana no navelan’Andriamanitra nitranga ny Famonoana Tambabe?

 Nisy adihevitra momba ny tsara sy ny ratsy fahiny ela be ary te handamina an’izany Andriamanitra. Izany no nahatonga azy namela ny fijaliana hisy sy tsy nisakana ny Famonoana Tambabe. Resahin’ny Baiboly mazava tsara fa ny Devoly izao no mitondra ny tany fa tsy Andriamanitra. (Lioka 4:1, 2, 6; Jaona 12:31) Misy lahatsoratra ampifandraisina amin’ity lahatsoratra ity manazava tsara hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana. Hiresaka antony roa namelan’Andriamanitra ny Famonoana Tambabe hitranga kosa isika ato amin’ity lahatsoratra ity.

  1.   Sitrapon’iza moa no nahatonga ny Famonoana Tambabe? Nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany, ny zavatra tiany hataon’izy ireo. Tsy nanery azy ireo hankatò azy anefa izy. Nifidy samirery ny amin’izay tsara sy ratsy izy mivady. Ratsy ny safidy nataony, toy ny nataon’ny olona maro tatỳ aoriana, ka fahoriana mangidy no naterak’izany ho an’ny taranak’olombelona. (Genesisy 2:17; 3:6; Romanina 5:12) Hoy ny Toro Lalan’ny Fivavahana Jiosy (anglisy): “Ny safidy ratsy ataontsika no mahatonga ny ankamaroan’ny fijaliana eto an-tany.” Tsy hoe tsy navelan’Andriamanitra hisafidy intsony anefa ny olombelona. Nomeny fotoana kosa izy ireo mba hamahany samirery ny olana mahazo azy.

  2.   Vitan’Andriamanitra ny manafoana ny voka-dratsin’ny Famonoana Tambabe ary hanao izany izy. Mampanantena Andriamanitra fa hatsangany ireo olona an-tapitrisany efa nodimandry, anisan’izany ireo maty tamin’ny Famonoana Tambabe. Mety hijaly be koa amin’izao ireo tsy maty tamin’izy iny rehefa mahatadidy ny fampijaliana azy. Hesorin’Andriamanitra ao an-tsain’izy ireo anefa izany. (Isaia 65:17; Asan’ny Apostoly 24:15) Tena tian’Andriamanitra ny olombelona, ka azo antoka fa hanatanteraka an’ireo fampanantenana ireo izy.—Jaona 3:16.

 Maro tamin’ireo niharan’ilay Famonoana Tambabe no tsy nivadika tamin’Andriamanitra sady tsy kivy be. Fantany mantsy hoe nahoana Andriamanitra no namela ny fijaliana hisy. Fantany koa hoe hanafoana ny vokatr’izany izy.