Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Mamela Heloka?

Inona no Atao hoe Mamela Heloka?

Valiny ara-baiboly

 Ny hoe mamela heloka dia mamindra fo amin’izay nanao zavatra tsy nety. Midika ara-bakiteny hoe “mamela handeha” na “mahafoy” ilay teny grika nadika hoe “mamela heloka.” Toy ny olona mahafoy ny trosa tokony haloa aminy ny olona iray mamela heloka. Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Mamelà ny helokay, fa izahay koa mba mamela izay nanota [mpitrosa, fanamarihana ambany pejy] taminay.” (Lioka 11:4) Nampitovin’i Jesosy tamin’ny olona mahafoy trosa koa ny olona mamela heloka, tao amin’ilay fanoharany momba ny mpanompo iray tsy namindra fo.—Matio 18:23-35.

 Mamela heloka isika rehefa manadino an’izay zavatra mahatezitra nataon’ny hafa tamintsika, sady tsy mitaky hoe tsy maintsy sazina ilay olona na tsy maintsy onerany izay nafointsika. Milaza ny Baiboly fa ho vitantsika ny hamela ny heloky ny hafa raha be fitiavana sy tsy tia tena isika. Ny fitiavana mantsy “tsy mitana lolompo.”—1 Korintianina 13:4, 5.

Tsy azo lazaina hoe mamela heloka ianao raha...

  •   Manamaivana an’ilay fahadisoana. Resahin’ny Baiboly fa tsy tian’Andriamanitra ny olona mankasitraka zavatra efa hita fa ratsy, na milaza fa tsy mampaninona ny manao izany.—Isaia 5:20.

  •   Mody tsy mahita an’ilay fahadisoana. Nanao fahotana lehibe i Davida. Namela ny helony Andriamanitra, nefa namela azy hizaka ny vokatry ny nataony. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny fahotan’i Davida, mba hotsaroana hatramin’izao.—2 Samoela 12:9-13.

  •   Mamela an’ilay olona hanararaotra anao. Eritrereto hoe nampindrana vola olona iray ianao. Nolanilaniny fotsiny anefa ilay izy ary tsy voaveriny taminao. Nanenina be izy ka niala tsiny taminao. Azonao atao ny mamela ny helony ka tsy hitana lolompo aminy. Mety tsy hiresaka an’ilay olana aminy intsony koa ianao, ary mety tsy hitaky an’ilay vola intsony mihitsy aza. Azo inoana anefa fa tsy hampindrana vola azy intsony ianao.—Salamo 37:21; Ohabolana 14:15; 22:3; Galatianina 6:7.

  •   Mamela an’izay olona tsy tokony havela heloka. Misy olona manao fanahy iniana manota mba hanisiana ratsy ny hafa, nefa tsy miaiky ny fahadisoany. Tsy mety miova koa izy sady tsy miala tsiny amin’izay nanaovany ratsy. Tsy mamela ny olona toy izany Andriamanitra. (Ohabolana 28:13; Asan’ny Apostoly 26:20; Hebreo 10:26) Lasa fahavalon’Andriamanitra ilay olona satria tsy mibebaka. Tsy voatery hamela ny helony koa àry isika.—Salamo 139:21, 22.

     Ahoana raha nisy olona ratsy fanahy taminao nefa tsy mety miala tsiny izy na tsy miaiky ny fahadisoany? Hoy ny Baiboly: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.” (Salamo 37:8) Marina fa tsy tokony hanamaivana ny fahadisoany ianao, nefa miezaha mba tsy ho tezitra be aminy. Matokia fa mbola hampamoahin’Andriamanitra izy. (Hebreo 10:30, 31) Tadidio koa fa mbola hesorin’Andriamanitra ny zavatra mampijaly sy mampalahelo antsika.—Isaia 65:17; Apokalypsy 21:4.

  •   Tsy manaiky raha tsy miala tsiny aminao foana ny olona. Tsy voatery hiandry ny olona hiala tsiny aminao foana ianao. Diniho kosa sao dia mba zavatra tsy tokony hampahatezitra akory ny nataony. Hoy mantsy ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.”—Mpitoriteny 7:9.

Inona no hanampy anao hamela heloka?

  1.   Ovao ny fisainanao. Tsy hoe manamaivana an’ilay fahadisoana na mody tsy mahita an’ilay izy ianao raha mamela heloka. Avelanao amin’izao kosa ilay izy fa tsy eritreretinao intsony.

  2.   Tadidio fa mahasoa ny mamela heloka. Ho tony sy ho salama kokoa ary ho sambatra kokoa ianao raha tsy mitana lolompo. (Ohabolana 14:30; Matio 5:9) Tena mila mamela heloka koa ianao, raha tianao havelan’Andriamanitra ny helokao.—Matio 6:14, 15.

  3.   Aza mitady ny tonga lafatra. Tsy lavorary isika rehetra. (Jakoba 3:2) Tiantsika raha mamela ny fahadisoantsika ny hafa, ka tokony mba hamela ny fahadisoany koa isika.—Matio 7:12.

  4.   Mahaiza mandefitra. Raha fahadisoana madinidinika ilay izy, dia ampiharo ilay torohevitra ao amin’ny Kolosianina 3:13 hoe: “Mahaiza foana mifampizaka.”

  5.   Aza miandry ela vao mamela heloka. Aza miandry ho lasa tezitra be, fa tonga dia miezaha hamela heloka.—Efesianina 4:26, 27.