Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?

Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?

 “Nitebiteby loatra aho indray taona izay. Hoatran’ireny miezaka mamono afo miredareda be ireny foana aho isan’andro. Imbetsaka aho tamin’ireny no te hamono tena. Tsy hoe tena te ho faty anefa aho, fa tsy te hijaly intsony fotsiny.”​—Jonathan, 17 taona.

 Nisy tatitra natao, indray mandeha, tamin’ny mpianatra 14 000 teo ho eo teny amin’ny lise. Efa ho iray isaky ny mpianatra dimy no nieritreritra hoe hamono tena tamin’iny taona lasa iny. a Ianao koa ve mieritreritra hoe tsy te ho velona intsony? Inona no azonao atao?

  •   Andraso aloha. Reseo lahatra ny tenanao amin’ireny fotoana ireny hoe tsy tonga dia hanao an’izay tonga ao an-tsainao fotsiny. Mety hoe tena tsy zakanao intsony ny olana mahazo anao, kanefa mbola misy azo atao ihany. Afaka mianatra miatrika an’ireny ianao.

 Mieritreritra angamba ianao hoe voafandrika dia tsy ho tafavoaka intsony. Zavatra tsapanao fotsiny anefa izany, fa tsy voatery hoe tena izay no zava-misy. Betsaka ny vahaolana azo iatrehana ny mahazo anao. Efa kely sisa dia ho tafavoaka ianao fa tsy araka ny eritreretinao, saingy mila an’ilay tena fanampiana fotsiny.

  •  Toro lalan’ny Baiboly: “Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.”​—2 Korintianina 4:8.

     Soso-kevitra: Raha mitady tsy ho voatohitrao ilay hoe te hamono tena, dia mitadiava fanampiana, ohatra hoe miantso na manatona dokotera. Efa nampiofanina mba hamonjy ain’olona mantsy izy ireny, sady tena te hanampy anao.

  •   Miresaha amin’olona. Misy olona tia anao sady te hanampy anao, ohatra hoe ny namanao, na ny fianakavianao. Tsy ho fantatr’izy ireo mihitsy izay mahazo anao raha tsy teneninao aminy.

 Tsy mahita tsara ny olona sasany raha tsy manao solomaso. Afaka manampy anao hahita tsara koa ny namana, izany hoe hanampy anao hisaina tsara rehefa misy olana, sady ho tonga saina indray hoe mahafinaritra ny miaina.

  •  Toro lalan’ny Baiboly: “Ny tena namana ... natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

     Soso-kevitra: Izao, ohatra, no azonao anombohana ny resaka: “Hoatran’ny kivikivy izany foana ho’aho izaho tato ato e. Dia te hiresaka an’ilay izy aminao. Tsy maninona ve?” Na hoe: “Misy zavatra mampiady saina be an’ahy izay, dia tena hoatran’ny mitady tsy zakako intsony ilay izy. Afaka manampy an’ahy ve ianao?”

  •   Manatòna dokotera. Lasa tsy te hiaina intsony ny olona rehefa marary, ohatra hoe mitebiteby loatra na kivy loatra. Soa ihany fa azo tsaboina tsara ireny aretina ireny.

 Tsy te hisakafo ianao rehefa voan’ny gripa. Dia hoatr’izany koa fa tsy te hiaina intsony ianao rehefa kivy loatra ka efa aretina mihitsy ilay izy. Samy azo tsaboina tsara anefa ireo aretina roa ireo.

  •  Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”​—Matio 9:12.

     Soso-kevitra: Manaova ampy torimaso tsara, manaova fanatanjahan-tena, ary mihinàna sakafo mahasalama. Raha vao tsy salama mantsy ianao, dia misy vokany amin’ny fihetseham-ponao izany ka mety lasa tsy te hiaina intsony ianao.

  •   Mivavaha. Milaza ny Baiboly fa “lehibe noho ny fontsika” ilay Mpamorona antsika “sady mahalala ny zava-drehetra.” (1 Jaona 3:20) Maninona raha miresaka aminy androany? Antsoy amin’ny anarany hoe Jehovah izy, dia resaho aminy daholo izay ao am-ponao.

 Mavesatra loatra ny entana sasany dia tsy ho zakanao mihitsy. Vonona hanampy anao hitondra an’ilay izy anefa i Jehovah, ilay Mpamorona anao.

  •  Toro lalan’ny Baiboly: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”​—Filipianina 4:6, 7.

     Soso-kevitra: Resaho amin’i Jehovah ny olana mahazo anao, kanefa mieritrereta koa zavatra tsara hisaorana azy androany, fara fahakeliny anankiray. (Kolosianina 3:15) Rehefa tia misaotra mantsy ianao, dia ho hitanao hoe hay be dia be ny zavatra tsara azo ankafizina eo amin’ny fiainana.

 Mitadiava fanampiana raha mieritreritra ianao hoe te ho faty. Izany no nataon’i Jonathan, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Tena nanampy an’ahy ilay niresaka foana tamin’ny dadanay sy mamanay. Nanatona dokotera koa aho. Efa mba tsy dia maninona intsony aho izao. Indraindray aloha izaho mbola kivy kanefa tsy hoe te hamono tena intsony.”

a Tamin’ny 2019 no natao io tatitra io, ary ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia, no nanao an’ilay tatitra.