Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Nahoana Aho no Mila Manao ny Marina?

Nahoana Aho no Mila Manao ny Marina?

 Nahoana ny olona sasany no tsy manao ny marina?

 Maro ankehitriny no mieritreritra hoe maty antoka izy raha manao ny marina. Mety hisy hieritreritra hoe:

  •   ‘Raha tsy mandainga amin’ny dadanay sy mamanay aho dia ho voasazy.’

  •   ‘Tsy ho afa-panadinana aho raha tsy mifraody.’

  •   ‘Raha tsy mangalatra an’ity aho, dia tsy maintsy manangom-bola vao hahazo azy.’

 Mety hisy koa hiteny hoe: ‘Tsy hitako izay olana amin’izany. Ny olon-drehetra ange tsisy manao ny marina daholo e!’

 Tsy marina anefa izany. Be dia be no mino fa mahasoa ny manao ny marina, ary anisan’izany ny tanora maro. Milaza ny Baiboly fa “izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Misy vokany foana àry izay ataontsika, ary mety ho tsara izany na mety ho ratsy.

 Diniho, ohatra, ny sasany amin’ny voka-dratsin’ny lainga.

  “Niresaka tamin’izay ankizilahy izay aho nefa nandainga tamin’ny mamanay hoe tsy niresaka taminy. Fantany tsara hoe tsy nilaza ny marina aho. Tezitra be izy tamin’izaho nandainga fanintelony. Tsy nahazo nandehandeha aho nandritra ny tapa-bolana, sady tsy nahazo nampiasa telefaonina sy nijery tele nandritra ny iray volana. Fay aho dia tsy nandainga tamin’ny dadanay sy mamanay intsony.”—Anita.

 Eritrereto izao: Nahoana no mety ho elaela indray i Anita vao hatokisan’ny mamany?

 Hoy ny Baiboly: ‘Koa satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.’—Efesianina 4:25.

  “Nandainga tamin’ny dadanay sy mamanay aho sady nieritreritra hoe tsy ho tratra mihitsy. Kanjo nasain-dry zareo naveriko notantaraina ilay zava-nitranga, tatỳ aoriana. Namoron-dainga be mihitsy anefa aho tamin’iny dia tsy tadidiko ny tsipiriany rehetra. Tsy hahita olana hoatr’izany ianao raha milaza ny marina hatrany am-boalohany.”—Anthony.

 Eritrereto izao: Inona no tokony ho nataon’i Anthony mba hisorohana an’ilay olana nahazo azy?

 Hoy ny Baiboly: “Maharikoriko an’i Jehovah ny molotra mandainga, fa mahafinaritra azy kosa ny olona tsy mivadika.”—Ohabolana 12:22.

  “Misy namako iray izay tena tia mampitombo resaka. Manitatra be izy sady manampy zavatra hafa mihitsy. Tiako izy dia miezaka tsy hiditra lalina amin’izay lazainy aho. Lasa sarotra be amiko anefa ny hino azy na hatoky azy.”—Yvonne.

 Eritrereto izao: Nahoana no mety hahatonga an’ilay naman’i Yvonne ho ratsy laza ilay izy manitatra sy mandaingalainga “kely”?

 Hoy ny Baiboly: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.

Mety ho simba ny trano iray raha misy triatra ny fototra. Mety ho simba koa ny lazanao raha tsy manao ny marina ianao

 Mahasoa ve ny manao ny marina?

 Diniho indray ny vokany raha manao ny marina ianao.

  “Latsaka ny volan’ilay ramatoa nandeha teo alohako. Nantsoiko izy dia nomeko azy ilay vola. Nisaotsaotra be izy sady niteny hoe: ‘Tena tsara fanahy ianao. Vitsy ny olona manao hoatr’izao.’ Faly erỳ ianao rehefa voamariky ny olona hoe nety ny nataonao.”—Vivian.

 Eritrereto izao: Nahoana no gaga ilay vehivavy rehefa nahita olona nanao ny marina? Inona ny soa azon’i Vivian noho izy nanao ny marina?

 Hoy ny Baiboly: ‘Sambatra izay manao ny marina foana.’—Salamo 106:3.

  “Manadio no asanay mianakavy, dia indraindray izahay mahita vola madinika eny amin’ny tany rehefa manadio birao. Apetrakay eo amin’izay latabatra akaiky indrindra eo ilay izy. Nisy mpiasa iray somary sorena satria manao ny marina loatra izahay. ‘Izay vola kely iny avy ve!’, hozy izy. Lasa matoky anay foana anefa izy.”—Julia.

 Eritrereto izao: Nahoana no mety hahasoa an’i Julia ilay izy malaza hoe manao ny marina rehefa hitady asa hafa izy?

 Hoy ny Baiboly: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.”—2 Timoty 2:15.

  “Karama ho an’ny asa nandritra ny 80 ora no azoko nefa tokony ho 64 ora. Mety ho tsara aloha raha notazoniko ilay izy, nefa tsy vitako izany. Noresahiko tamin’ilay mpikarakara kaonty ilay izy, dia nisaotsaotra be izy. Marina fa mandeha tsara ny orinasanay, nefa tsy haka vola nangalarina mihitsy aho.”—Bethany.

 Eritrereto izao: Tsy dia maninona ve ny mangalatra amin’ny orinasa raha oharina amin’ny hoe mangalatra amin’olona?

 Hoy ny Baiboly: “Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ny olo-mahitsy kosa no manana fifandraisana akaiky aminy.”—Ohabolana 3:32.