Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko mba Tsy Hidikiditra Be Amin’ny Fiainako ry Zareo?

Inona no Hataoko mba Tsy Hidikiditra Be Amin’ny Fiainako ry Zareo?

 Fa maninona ny ray aman-dreny no tia midikiditra amin’ny fiainan’ny zanany?

 Milaza ny ray aman-dreninao hoe manahy fotsiny, hono, ry zareo. Ianao anefa mahita hoe midikiditra be loatra amin’ny fiainanao ry zareo. Ireto misy ohatra:

  •   Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Erin: “Tian’ny dadanay halaina ny telefaoniko, dia anontaniany koa ny teny miafina ampiasaiko. Jereny daholo avy eo ny mesaziko. Raha vao tsy manaiky anefa aho, dia lazainy fa misy zavatra tiako hafenina.”

  •   Roapolo taona mahery kely i Denise, ary tadidiny hoe nojeren’ny mamany tsara foana ny faktioran’ny telefaonin-dry zareo. Hoy izy: “Jereny tsirairay daholo izay nomerao tao, dia anontaniany aho avy eo hoe an’iza ilay izy, dia inona no resakay sy ilay olona.”

  •   Nilaza toy izao ny ankizivavy iray atao hoe Kayla: ‘Novakin’ny mamanay ny diariko anankiray. Nosoratako tao daholo anefa ny ankamaroan’izay zavatra tsapako. Nisy zavatra momba an’azy mihitsy aza tao. Lasa tsy nanoratra diary intsony aho, taorian’izay.’

 Tadidio izao: Ny ray aman-dreninao no tompon’andraikitra amin’izay hahasoa sy hahasambatra anao. Tsy ho afaka hibaikobaiko azy ireo mihitsy àry ianao hoe ahoana no tokony hanaovany an’izany andraikiny izany. Tafahoatra loatra angamba ny ataon’izy ireo indraindray. Soa ihany anefa fa misy zavatra azonao atao, mba hahatonga anao tsy hieritreritra be hoe midikiditra loatra amin’ny fiainanao ry zareo.

 Ny azonao atao

 Aza manafinafin-javatra amin’ny ray aman-dreninao. Milaza ny Baiboly hoe ‘manaova ny marina amin’ny zava-drehetra.’ (Hebreo 13:18) Miezaha mba hanao hoatr’izany amin’ny ray aman-dreninao. Raha manao ny marina sy tsy manafinafin-javatra amin-dry zareo ianao, dia tsy hidikiditra be amin’ny fiainanao ry zareo.

 Eritrereto izao: Malaza ho azo itokisana ve ianao? Hajainao tsara ve ny ora asaina hodianao ao an-trano? Afenimpeninao ve hoe iza avy ny namanao? Tsy tena lazainao an-dry zareo ve ny zavatra ataonao?

  “Tsy maintsy nifanaraka tamin’i Dada sy Neny aho. Teneniko an-dry zareo daholo izay zava-mitranga eo amin’ny fiainako. Lazaiko an-dry zareo daholo koa izay zavatra tiany ho fantatra, dia lasa atokisan-dry zareo aho, sady tsy midikiditra be amin’ny fiainako ry zareo.”​—Delia.

 Miezaha hanam-paharetana. Hoy ny Baiboly: “Zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Korintianina 13:5) Marina aloha fa elaela vao ho hitan’ny ray aman-dreninao hoe azo itokisana ianao, nefa tena ilaina izany.

 Eritrereto izao: Efa mba tanora koa ny ray aman-dreninao. Tsy hitanao hoe ara-dalàna àry ve raha te hahafantatra ny fiainanao ry zareo?

 “Tadidin’ny ray aman-dreny ny zavatra tsy nety nataony taloha, dia tsy tiany hahavoa ny zanany intsony ilay izy.”​—Daniel.

 Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo. Miezaha hipetraka eo amin’ny toeran’ny ray aman-dreninao. Milaza ny Baiboly fa “manara-maso izay mitranga ao an-tokantranony” ny vady tsara, ary ‘mitaiza ny zanany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah’ ny ray mahay mitaiza. (Ohabolana 31:27; Efesianina 6:4) Tsy ho tanteraka mihitsy anefa izany, raha tsy mahafantatra ny fiainanao ny ray aman-dreninao.

 Eritrereto izao: Fantatrao tsara ny fanaon’ny tanora. Raha ianao àry no Dada na Neny, dia havelanao hanana ny fiainany amin’izao fotsiny ve ny zanakao, fa tsy mba hanontany an’azy akory ianao?

  “Rehefa mbola tanora ianao, dia hoatran’ny hoe ‘midikiditra be loatra’ amin’ny fiainanao ny ray aman-dreninao. Efa lehibe anefa aho izao, dia hitako hoe tena tia an’ahy ry zareo matoa nanao an’ireny.”​—James.