Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Hanomezana Fitsipika ny Tanora?

Ahoana no Hanomezana Fitsipika ny Tanora?

OLANA

Ny zanakao milaza fa hentitra loatra ianao. Ianao anefa mieritreritra hoe: ‘Hahita loza izy raha tsy mifehy azy tsara aho.’

Afaka manome fitsipika voalanjalanja tsara ho an’ny zanakao ianao. Tokony ho fantatrao anefa aloha hoe nahoana ny zanakao no tonga dia sosotra rehefa omena fitsipika.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Hevi-diso: Tsy manaiky fehifehezina ny tanora rehetra. Efa izany mihitsy ry zareo.

Ny tena marina: Tsy dia atahorana hikomy ny ankizy raha voalanjalanja ny fitsipika omena azy, ary hazavaina tsara.

Maro ny antony mahatonga ny tanora hikomy. Mety ho ny ray aman-dreny koa no mahatonga izany, raha henjana loatra ny fitsipika omeny na tsy mifanaraka amin’ny taonan’ilay ankizy intsony. Diniho ireto:

  • Henjana loatra. Raha tsy azo iadian-kevitra mihitsy ny fitsipika omen’ny ray aman-dreny, dia hanjary haneritery toy ny rojo vy, fa tsy hiaro amin’ny loza toy ny fehikibo amin’ny fiara. Mety hanao an’ilay zavatra nandraran’ny ray aman-dreniny azy àry ilay tanora, rehefa tsy hitan’izy ireo.
  • Tsy mifanaraka amin’ny taonany intsony. “Efa niteny aho hoe tsy mahazo!” Mety ho ampy izany teny izany, raha ho an’ny ankizikely. Ny tanora kosa mila fanazavana fanampiny. Efa hahaleo tena mantsy izy, ka tsy maintsy handray fanapahan-kevitra lehibe. Izao mbola ao an-trano izao àry izy no mila mianatra mandinika tsara sy mandray fanapahan-kevitra.

Inona anefa no azonao atao raha hoatran’ny sosotra amin’izay fitsipika omenao foana ny zanakao?

 INONA NO AZONAO ATAO?

Voalohany, fantaro fa mila fitsipika ny tanora, ary tiany mihitsy aza izany. Omeo fitsipika àry izy, ary ataovy mazava tsara aminy izany. Hoy ny boky iray momba ny fitaizana: “Tsy dia atahorana haditra ny tanora raha omena fitsipika mazava tsara sady mahalala fa hanara-maso azy ny ray aman-dreniny.” Toy ny hoe tsy raharahain’ny ray aman-dreniny kosa ny ankizy rehefa avela hanao izay tiany, ary mety hikomy.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 29:15.

Ahoana àry no ahaizanao mandanjalanja? Avelao izy hilaza ny heviny momba ireo fitsipika nomena azy. Henoy, ohatra, izay lazainy, raha tiany hovana ny ora fodiany. Azo inoana kokoa hoe hanaiky ny fanapahan-kevitrao ny tanora iray, na dia tsy mitovy hevitra aminao aza, raha hitany hoe nihaino tsara ny fanazavany ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 1:19.

Tadidio izao alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra: Rehefa te hahazo fahalalahana mihoatra noho ny tokony ho izy ny tanora, dia vao mainka te hifehy azy kokoa ny ray aman-dreny. Eritrereto tsara àry ilay zavatra tian’ny zanakao hatao. Efa hita hoe mahay mandray andraikitra ve izy? Tokony hilefitra kely ve ianao rehefa jerena ny zava-misy? Tsara raha mba milefitra ianao raha azo atao.—Toro lalan’ny Baiboly: Genesisy 19:17-22.

Henoy ny vetsovetsom-pon’ny zanakao, nefa koa ataovy fantany izay mampanahy anao. Amin’izay ianao hampianatra azy hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa, fa tsy hifantoka amin’izay tiany fotsiny.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Korintianina 10:24.

Farany, mandraisa fanapahan-kevitra ary hazavao ny antony andraisanao an’ilay izy. Mety tsy hahafaly azy ilay izy, nefa azo inoana hoe ho faly izy fa nihaino azy ianareo mivady. Tadidio fa miofana ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra ny tanora. Hanampy azy amin’izany ianao raha manome fitsipika voalanjalanja ary manazava izany.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 22:6.