Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?

Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?

 Misy ankizy sasany tsy manaja ny ora fodiana, dia tara be vao miditra ny trano. Ny hafa indray mandainga amin’ny ray aman-dreniny, na mivoaka ny trano dia lasa miaraka amin’ny namany nefa tsy niera akory. Inona no hataonao raha lasa tsy atokisanao intsony ny zanakao?

 Lasa maditra ve ilay zanakay?

 Tsy voatery ho izany. Hoy ny Baiboly hoe: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15) Hita amin’ny zavatra ataon’ny tanora hoe tena marina izany. Hoy ny Pr. Laurence Steinberg: “Matetika no mandray fanapahan-kevitra adaladala sady maimaika ny tanora. Dia mazava ho azy fa tsy maintsy hanao fahadisoana izy izany.” a

 Tsy te hankatò ahy fotsiny ve izy?

 Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy te hankatò anao ny zanakao. Hita tamin’ny fanadihadiana fa tena zava-dehibe amin’ny tanora ny mahafantatra hoe ahoana no mba fiheveran’ny ray aman-dreniny azy, na dia mody tsy asehony aza ilay izy. Na dia tsy asehon’ny zanakao aminao aza hoe nandiso fanantenana anao izy, dia tena izany mihitsy no tsapany. Ankoatra izay, dia kivy sady diso fanantenana tamin’ny zavatra nataony koa izy. b

Mbola azo averina amin’ny laoniny ny taolana tapaka. Dia hoatr’izay koa fa mbola azo atao tsara indray ny mifampatoky raha nisy olana izany teo aloha.

 Iza no tokony homena tsiny?

  •    Ny manodidina azy ve? Milaza ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tena misy vokany amin’ny tanora tokoa ny namany. Dia hoatr’izany koa ny Internet, tele, radio, ary ny dokam-barotra. Tsy mbola nandia fiainana koa ny tanora, dia tsy mahagaga izy raha mandray fanapahan-kevitra adaladala. Raha ekeny anefa hoe misy vokany ny fanapahan-kevitra raisiny, dia ho lasa olon-dehibe matotra izy any aoriana any.

  •    Sao dia mba fahadisoako àry ilay izy? Mety hieritreritra ianao hoe hentitra be loatra angamba ianao, dia izay no nahatonga ny zanakao hanaonao foana. Na mety hoe nandefitra loatra taminy ianao, dia lasa nanao izay tiany izy. Aleo tsy mifantoka amin’ny hoe inona no nahatonga an’ilay olana fa aleo mieritreritra hoe inona no vahaolana.

 Ahoana no hanampiako azy?

  •   Mahaiza mifehy ny fihetseham-ponao. Mieritreritra izao ny zanakao hoe ho tezitra be aminy ianao. Maninona raha anontaniana tsotra fotsiny izy hoe inona no nahatonga an’ilay olana fa tsy tezitra aminy? Sao dia mba te hahalala zavatra fotsiny izy? Sa leo be? Sa manirery dia mila namana? Marina aloha fa tsy fialan-tsiny ireo, nefa mety hanampy anareo mianaka hahafantatra hoe inona no tena nahatonga an’ilay olana.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—Jakoba 1:19.

  •   Ampio izy mba ho tonga saina. Anontanio, ohatra, izy hoe: Inona izany izao no nianaranao tamin’iny? Dia ahoana no hataonao amin’ny manaraka raha mbola mitranga ny hoatran’iny? Mety hanampy ny zanakao hampiasa ny sainy sy hieritreritra tsara ireo fanontaniana ireo.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany.”—2 Timoty 4:2.

  •   Sazio izy. Ataovy mifandray amin’ilay zavatra tsy nety nataony ihany ny sazy omenao azy. Ho tsapany amin’izay hoe diso izy, dia tsy mamerina an’ilay izy intsony amin’ny manaraka. Raha nitondra ny fiaranao, ohatra, izy nefa tsy niera taminao, dia aza avela mitondra fiara mandritra ny fotoana elaela izy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

  •   Ataovy takany hoe mbola afaka ny hatoky azy indray ianao. Tsy maintsy mila fotoana aloha izany e! Na izany aza anefa dia tokony ho tsapan’ny zanakao hoe mbola afaka ny hatoky azy indray ianao, rehefa mandeha ny fotoana. Raha ohatra mantsy ka mieritreritra ny zanakao hoe tena tsy hatoky azy intsony ianao, dia ho kivy izy, dia tsy hiezaka intsony.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe You and Your Adolescent.

b Na dia ankizilahy aza no tena resahina ato, dia natao ho an’ny ankizivavy koa ity lahatsoratra ity.