Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

GÉORGIE

Niandry ny Tari-dalan’i Jehovah Aho

Tamazi Biblaia

Niandry ny Tari-dalan’i Jehovah Aho
  • TERAKA 1954

  • BATISA 1982

  • TANTARANY Anisan’ny nanao pirinty miafina. Mpiandraikitra mpitety faritany voalohandohany teto Géorgie koa izy, sady nitaiza zanaka efatra.

TEZITRA be i Neny rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah izaho sy Tsitso vadiko. Novoriny daholo ny havanay, indray andro, satria nihevitra izy hoe ho vitan’izy ireo ny handresy lahatra ahy tsy hiaraka amin’ny Vavolombelona intsony. Harian’izy ireo tsy ho havany intsony, hono, aho raha tsy miova hevitra.

Nanapa-kevitra ny hiala tao an-tanànanay aho. Mpanefy aho ka nieritreritra ny hifindra any Koutaïssi, tanàna faharoa lehibe indrindra eto Géorgie. Mora nahitana asa mantsy tany. Fantatro koa hoe tena nila mpitory tany, ka niandry ny tari-dalan’i Jehovah aho.

Nihaona tamin’ny olona iray nampianariko Baiboly aho, tsy ela taorian’izay. Nipetraka tao amin’ny tanàna kely iray atao hoe Djvari izy. Henony hoe nieritreritra ny hifindra any Koutaïssi aho, ka niangaviany hifindra any amin-dry zareo. Hoy izy: “Misy efitra telo ny tranonay. Hifindra ao amin’ny efitra iray izahay mianakavy, dia ianareo mivady ao amin’ny efitra ilany.”

Nitady ny tari-dalan’i Jehovah aho ka nilazako ilay mpianatro hoe hekeko ny fangatahany, raha vetivety aho dia mahita asa sy trano hofana any Djvari. Gaga be aho fa ny harivan’iny izy dia niverina, ary nitondra lisitra misy tolotr’asa be dia be.

Nifindra tany Djvari izahay mianakavy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Tonga aho dia nahita asa be karama. Nasain’ilay mpampiasa hipetraka tao amin’ny tranobe iray an’ilay orinasa koa izahay. Tsy ela taorian’izay, dia niangavian’ireo rahalahy aho mba hanampy an-dry zareo hanao pirinty miafina. Nalalaka be ny tranonay ka navelanay mivady hanaovana an’ilay izy.

Tao an-tranonay no natao ny Fahatsiarovana sy ny fivoriambe nandritra ny taona maro. Nisy 500 mahery no natao batisa tao aminay. Faly aho fa nitari-dalana ahy i Jehovah ary nanaraka an’izany aho.