Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Warwick, New York: Foibe

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

MISY loza mitranga foana eto amin’ny tontolon’i Satana. Ny tena mpanompon’i Jehovah kosa “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Kor. 15:58) Asehon’ireto tatitra manaraka ireto fa miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba ‘hatoky an’i Jehovah, hanao ny tsara, ary ho mendri-pitokisana amin’izay ataony.’—Sal. 37:3.

Nafindra ny foibe sy ny biraon’ny sampana

Vita tamin’ny 1 Febroary 2016 ny fanitarana an’ireo trano any Wallkill, any New York, ka afaka nifindra tany ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia sy ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ary ny sampan-draharaha hafa any amin’ny sampan’i Etazonia. Efa ho vita koa izao ilay foibe vaovao any Warwick. Manomboka mifindra àry ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn ka miala ao amin’ny tanàn-dehiben’i New York.

Manomboka amin’ny 3 Aprily 2017 no azo tsidihina ny foibe any Warwick ka fampirantiana telo no azo jerena samirery, ary misy fitsidihana miaraka amin’ny mpitarika koa.

  1. Ahitana Baiboly vitsy mpanana ilay hoe “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra”, ary manasongadina hoe tokony ho ao amin’ny Soratra Masina ny anaran’Andriamanitra.

  2. Ahitana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay hoe “Vahoaka Mitondra ny Anaran’i Jehovah.” Asehon’izy io fa nitarika sy nampianatra ary nandamina ny vahoakany tsikelikely i Jehovah, mba hanaovan’izy ireo ny sitrapony.

  3. Manazava an’izay ataon’ireo komity eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana ilay hoe “Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah: Finoana Aseho Amin’ny Atao.” Manampy ny vahoakan’i Jehovah hivory, hanao mpianatra, hahazo sakafo ara-panahy, ary hifankatia ireo komity ireo.

Misokatra ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 8.00 maraina ka hatramin’ny 4.00 tolakandro ireo fampirantiana ireo ary tsy misy mpitarika. Afaka mitsidika ny ampahany amin’ny trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa koa ny mpitsidika ary mijery ny toerana ao Warwick, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 8.00 ka hatramin’ny 11.00 maraina sy amin’ny 1.00 ka hatramin’ny 4.00 tolakandro. Maharitra 20 minitra io fitsidihana io ary misy mpitarika.

Alohan’ny hanomananao ny fitsidihanao dia jereo ny jw.org, ao amin’ny MOMBA ANAY > BIRAO & FITSIDIHANA > Etazonia.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

Ny Fitoriana eny Amin’ny Saha no Loha Laharana

Inona no fiovana nataon’ny Betelita taloha voatendry ho eny amin’ny saha?

“Ianareo no Mpiray Tanàna Mahafinaritra Indrindra”

Fitoriana nety tsara ho an’ny mponin’i Brooklyn eo akaikin’ny Betela ilay fampirantiana Baiboly tamin’ny 7 sy 8 Mey 2016.

Fivoriana Vaovao Manatsara ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Novana ny fizotran’ny fivoriana andavanandro maneran-tany, tamin’ny Janoary 2016.

“Mampahery sy Mamelombelona Anay” ny Tele JW

Tamin’ny 2014 no nanomboka nandeha ny Tele JW, ary efa misy amin’ny fiteny 90 mahery izy izao. Ahoana ny fihetseham-pon’ny mpijery?

Fitokanana Betela

Fotoana miavaka ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan sy Armenia ny fitokanana ny tranon’ny sampana vaovao any.

Raharaha Ara-pitsarana 2016

Niatrika olana maro mifandray amin’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2016. Inona avy izany?

Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro

Vaovao farany momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, Arzantina, Belize, Burundi, Congo (Kinshasa), Italia, Népal, Ogandà, ary Papouasie-Nouvelle-Guinée.