Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Raharaha Ara-pitsarana 2016

Raharaha Ara-pitsarana 2016

Tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra ny rahalahy sy anabavintsika na dia niakatra fitsarana sy niatrika olana maro aza. Mampirisika antsika izany mba tsy hivadika fa hatoky hoe “miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah ny olony tsy mivadika.”—Sal. 4:3.

ARZANTINA | Zo Hampianatra ny Zanaka Momba ny Resaka Fivavahana

Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’i Ruth fa tsy nanaraka azy ireo izy rehefa nihalehibe. Nisy lehilahy niaraka taminy avy eo, ary niteraka vavikely izy ireo. Nahatsiaro ny zavatra nampianarina azy taloha izy, indray mandeha, rehefa nahita Vavolombelon’i Jehovah nanao fampirantiana tao La Plata. Lasa te hivory indray izy ary nanomboka nampianariny Baiboly ilay zanany. Tsy tian’ilay rain-janany ny fivavahana arahin’i Ruth ka notoriny tany amin’ny fitsarana izy, amin’izay i Ruth tsy mampianatra Baiboly an’ilay zaza sy tsy mitondra azy mivory.

Nanazava ny mpisolovavan’i Ruth fa zon’ny ray sy ny reny ny mampianatra ny zanany an’izay zavatra inoany, ary tsy tokony hanakantsakana an’izany ny fitsarana raha tsy hoe mahita porofo fa mampidi-doza an’ilay zaza ilay fampianarana. Namoaka didy ilay fitsarana ambaratonga voalohany fa tokony hohajain’ny ray aman-dreny ny zon’ilay zaza hanaraka an’izay fivavahana tiany, na dia vao efa-taona aza ilay zaza tamin’izay. Nohazavain’ny fitsarana ambony hoe mbola kely loatra ilay zaza ary tsy afaka misafidy an’izay fivavahana tiany, ka mitovy ny zo ananan’ny rainy sy ny reniny amin’ny fampianarana azy mifandray amin’ny fivavahana.

Mamaky Baiboly isan’alina izao ny zanak’i Ruth ary mivory miaraka aminy. Efa tsy andriny izay hitsidihana ny Betela any Buenos Aires.

AZERBAÏDJAN | Zo Hanaraka ny Fivavahana

Hitan’ny apostoly Paoly hoe eo anivon’ny tena Kristianina, “raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:26) Marina izany satria nalahelo be an’i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova any Azerbaïdjan ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany rehefa niaritra ny mafy izy roa vavy ireo. Nampangaina ho nanao asa ara-pivavahana tsy ara-dalàna izy ireo tamin’ny Febroary 2015, ary nasain’ny mpitsara notanana am-ponja vonjimaika. Nahemotra foana ilay fitsarana ka efa ho herintaona ny fijanonany tany am-ponja. Nampijalina izy ireo tany ary tsy navela hanao na hahazo zavatra maro.

Azerbaïdjan: Valida Jabrayilova sy Irina Zakharchenko

Notsaraina ihany izy ireo tamin’ny Janoary 2016. Nilaza ilay mpitsara fa meloka izy roa vavy ary nasainy nandoa lamandy. Nofoanany anefa ilay lamandy satria hoe efa notanana elaela izy ireo, ka navelany niverina nody. Nangataka ny hampakarana ny raharaha any amin’ny Fitsarana Ambony ao Bakou izy ireo satria tsy nanaiky hoe meloka ho nanao heloka bevava. Nolavin’io fitsarana io anefa izany ka nampakarin’izy ireo tany amin’ny Fitsarana Tampony ilay raharaha. Nandefa fitarainana tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona koa izy ireo satria nampijalina sady voahitsakitsaka ny zony hanaraka ny fivavahany.

Mandra-piandry ny valiny, dia efa miarina tsikelikely izy roa vavy. Tena ankasitrahan’izy ireo ny vavaka nataon’ny olona maro sy ny fiahiana naseho tamin’izy ireo. Izao no nosoratan’ny Ranabavy Jabrayilova ho an’ny Filan-kevi-pitantanana: “Nanampy anay hiaritra ny vavakareo ary tena tsapako ny heriny. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fitiavana sy fiahiana nasehonareo sy Jehovah ary ny mpiara-manompo maneran-tany.”

ÉRYTHRÉE | Gadraina Noho ny Finoany

Tamin’ny Jolay 2016, dia efa Vavolombelon’i Jehovah 55 any Érythrée no migadra noho ny finoany. Efa tamin’ny Septambra 1994 ny rahalahy telo, Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam, no nanomboka nigadra. Misy rahalahy sivy hafa gadrain’ny fanjakana koa, efa folo taona mahery izay.

Nisy zavatra tsara nitranga ihany tamin’ny Janoary 2016, rehefa notsaraina ny Vavolombelon’i Jehovah nosamborina nandritra ny Fahatsiarovana tany Asmara, tamin’ny Aprily 2014. Sambany vao nampangaina ara-dalàna ho nanao “heloka bevava” ny Vavolombelon’i Jehovah ary navela hiaro tena. Efa nampoizina hoe ho meloka ho nanatrika fivoriana “tsy ara-dalàna” ny ankamaroan’izy ireo, hampandoavina lamandy, ary havoaka. Tsy nety nandoa an’ilay lamandy anefa i Saron Gebru, anabavy iray anisan’ireo voaheloka. Nasaina nanefa sazy enim-bolana indray àry izy. Azo tsidihina indray mandeha isan-kerinandro izy. Nilaza izy fa voakarakara tsara izy tao. ‘Mahatsiaro an’ireo mifatotra any am-ponja [isika], toy ny hoe miara-mifatotra aminy’, ka mankasitraka ny vavaka atao ho azy ny Ranabavy Gebru sy ireo Vavolombelona 54 mbola migadra.—Heb. 13:3.

ALEMAINA | Tohanan’ny Lalàna ny Fahalalahana Ara-pivavahana

Nomen’ny tanànan’i Brême, any Alemaina, ihany izay nangatahin’ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Alemaina, tamin’ny 21 Desambra 2015. Nomeny toerana tsara kokoa eo anatrehan’ny lalàna ny fikambanan’izy ireo, taorian’ny ady teny amin’ny fitsarana, izay naharitra efa-taona. Fa inona no nitranga talohan’izay? Nomena ny tombontsoa ananan’ny fivavahana hafa ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny ankamaroan’ireo tanàna 16 any Alemaina, taorian’ny didy iray navoakan’ny Fitsarana any Berlin Mitsara ny Ady Amin’ny Fanjakana. Nanapa-kevitra ny tsy hanome an’izany tombontsoa izany ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny manam-pahefana tao Brême. Ny fanendrikendrehana naelin’ny mpanohitra no anisan’ny antony lehibe tsy nanomezany an’izany.

Nilaza ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana any Alemaina, tamin’ny 2015, fa nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelona ny tanànan’i Brême rehefa tsy nanome an’ilay tombontsoa. Nohamafisin’ilay didy fa afaka miasa malalaka tsara ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brême satria miaro azy ireo ny lalàna momba ny fahalalahana ara-pivavahana. Tsy hampandoavina hetra izao ny fiangonan’ny Vavolombelona any ary manana tombontsoa hafa toa an’ireo fivavahana lehibe any Alemaina.

KIRGHIZISTAN | Zo Hampihatra ny Zavatra Inoana

Nanendrikendrika an’i Oksana Koriakina sy Nadezhda Sergienko reniny ny manam-pahefana any Osh, any Kirghizistan, tamin’ny Martsa 2013. Nampangain’ny mpampanoa lalàna ho nisoloky an’izay olona niresahany momba ny Baiboly izy mianaka. Nasaina nambenana tao an-tranony izy ireo mandra-piandry ny valin’ny fitsarana. Hitan’ny fitsarana, tamin’ny Oktobra 2014, fa tsy marim-pototra ny fiampangana azy ireo, tsy nohajaina ny fomba fiasa, ary tsy meloka izy mianaka. Nanamafy an’izay didy izay koa ny fitsarana ambony, tamin’ny Oktobra 2015.

Mbola nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony any Kirghizistan ilay mpampanoa lalàna any Osh. Nofoanan’ilay Fitsarana ilay didy teo aloha ary nasainy naverina notsaraina ilay raharaha. Nandritra ny fitsarana tamin’ny Aprily 2016, dia nangataka ny mpisolovavan’ireo anabavy mba hofaranana ny fitsarana an’ilay raharaha satria tapitra ny fotoana azo itsarana an’ilay izy. Tsy afa-nanoatra àry ilay mpitsara fa tsy maintsy namarana an’ilay raharaha.

Tsy kivy izy mianaka nandritra an’ireny fotoana ireny. Hoy ny Ranabavy Sergienko: “Matetika ny olona no lasa feno fankahalana rehefa misy mampijaly. Tsapako anefa hoe tsy niady irery mihitsy izahay fa nampiasa ny mpiara-manompo i Jehovah mba hampisehoana hoe tia sy nikarakara anay izy.” Hitan’izy mianaka hoe mbola mitana an’ity teniny ato amin’ny Isaia 41:10 ity i Jehovah: “Aza matahotra. ... Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.”

KIRGHIZISTAN | Tohanan’ny Lalàna ny Fahalalahana Ara-pivavahana

Niditra tampoka tao amin’ny fivoriana iray tany amin’ny tanànan’i Osh, any Kirghizistan, ny polisy folo, tamin’ny 9 Aogositra 2015. Nasain’izy ireo najanona ilay fivoriana “tsy manara-dalàna” ary nandrahona ny hitifitra an’ireo mpanatrika 40 mahery izy ireo. Nentin’ny polisy tany amin’ny biraony ny rahalahy folo. Novonovonoiny ny sivy tamin’izy ireo ary nafahany avy eo. Nisambotra an’i Nurlan Usupbaev, anisan’ireo rahalahy novonovonoina, ny polisy, roa andro tatỳ aoriana, ary nampangaina ho nandika lalàna izy satria nitarika an’ilay fivoriana.

Rehefa nentina tany amin’ny fitsaran’i Osh ilay raharaha, dia nilaza ny mpitsara fa tsy misy porofo hiampangana an’i Usupbaev ka nofaranany ilay raharaha. Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Osh ilay mpampanoa lalàna avy eo. Nolavin’ilay Fitsarana anefa ilay fangatahana ary nohamafisiny hoe tsy meloka ho nanao fotoam-pivavahana tsy ara-dalàna i Usupbaev satria efa voasoratra ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan.

Tsy nanaiky mihitsy anefa ilay mpampanoa lalàna, ka nampakatra an’ilay izy tany amin’ny Fitsarana Tampony any Kirghizistan. Faly erỳ ny Rahalahy Usupbaev fa nanohana ny didim-pitsarana rehetra navoaka teo aloha ny Fitsarana Tampony, tamin’ny Martsa 2016, ary nohamafisina hoe manan-jo hivory ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan. Nandefa fitoriana an’ireo polisy nampijaly azy tao Osh koa ireo rahalahy nampijalina fa mbola tsy nivaly ilay izy.

ROSIA | Fahalalahana Ara-pivavahana

Mbola manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah sy manakantsakana ny asany foana ny fanjakana rosianina, na dia manohitra mafy an’izany aza ny manam-pahaizana momba ny zon’olombelona. Boky 88 amin’ireo navoakantsika izao no ambaran’ny manam-pahefana hoe “mampidi-doza.” Voarara koa ny tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, jw.org. Tsy avelan’ny doanina ampidirina any Rosia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 2015, ary efa dinihin’ny fitsarana ao Vyborg izao hoe “mampidi-doza” ve io fandikan-tenin’ny Baiboly maoderina io sa tsia. Nanao dingana goavana koa ny lehiben’ny mpitsara, tamin’ny Martsa 2016, rehefa nandrahona ny hanakatona ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Solnetchnoïe, any Saint-Pétersbourg, satria, hono, manao “asa mampidi-doza.”

Nisy zavatra tsara nitranga ihany anefa na dia nampirisika ny olona hankahala Vavolombelon’i Jehovah aza ny fanjakana. Nangatahin’ny mpampanoa lalàna iray ny hanafoanana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tioumen, 2100 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Moscou, tamin’ny Oktobra 2015. Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tioumen ilay fikambanana, na dia hita aza fa noforonin’ny polisy fotsiny ireo porofo. Nolavin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ilay didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, tamin’ny 15 Aprily 2016, ka nolazainy hoe “tsy misy antony tokony hanafoanana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tioumen.” Niara-nitsangana sy nitehaka ireo rahalahy sy anabavy 60 tao amin’ilay fitsarana rehefa novakina ilay didim-pitsarana.

Vonona hanompo an’i Jehovah foana ny vahoakany any Rosia na inona na inona “fiadiana amboarina hamelezana” azy ireo.—Isaia 54:17.

RWANDA | Zo Hianatra fa Tsy Havakavahana Noho ny Fivavahana

Voaroaka avy any am-pianarana ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda, tato ho ato, satria tsy mety manao fombafomba mifandray amin’ny fivavahana sy fitiavan-tanindrazana. Te hanafoana ny fanavakavahana fivavahana any an-tsekoly ny fanjakana, ka nisy didy navoaka tamin’ny 14 Desambra 2015 hoe tsy maintsy manaja ny fahalalahana ara-pivavahan’ny mpianatra ny sekoly.

Nivoaka tao amin’ny Vaovao ao amin’ny jw.org ny lahatsoratra hoe “Manohitra ny Fanavakavahana Fivavahana any An-tsekoly i Rwanda”, tamin’ny 9 Jona 2016. Mahaliana fa nasehon’ny gazety malaza iray any Rwanda tao amin’ny Internet ilay lahatsoratra. Vetivety dia nahatratra 3 000 mahery ny olona nitsidika ny tranonkalan’ilay gazety, ary betsaka no nanoratra hoe tiany ilay nataon’ny fanjakana. Mankasitraka an’ilay didim-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda, satria tsy havakavahana noho ny fivavahana ny zanany ka afaka mianatra.

Rwanda: Niverina nianatra izy ireo

KOREA ATSIMO | Zo Tsy Hanao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretana

Efa 60 taona mahery izao no miatrika olana ny rahalahy 19 ka hatramin’ny 35 taona, any Korea Atsimo. Tsy eken’ny fanjakana any mantsy hoe manana zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana ny olona, ka tsy omeny safidy hafa fa tsy maintsy manao miaramila. Tsy maintsy migadra àry ny vatan-dehilahy ao amin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah maro, hatramin’ny raibe ka hatramin’ny zafikely.

Indroa izay ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana no namoaka didy hoe mety ilay Lalàn’ny Raharaha Miaramila. Mbola mandefa raharaha mifandray amin’izany any amin’io Fitsarana io anefa ny fitsarana ambany kokoa sy ny lehilahy voasazy noho io lalàna io. Nihaino ny hevitr’ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany àry io Fitsarana io tamin’ny 9 Jolay 2015. Nigadra herintaona sy tapany, ohatra, ny Rahalahy Min-hwan Kim satria tsy nety nanao miaramila. Hoy izy: “Nogadraina aho dia avy eo nafahana. Manantena anefa aho hoe tsy hosazina ny olon-kafa tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Mba afaka manampy ny fiaraha-monina izy ireo raha avela manao fanompoana sivily.” Tsy ho ela dia hamoaka didim-pitsarana ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana.

TURKMÉNISTAN | Bahram Hemdemov

Manambady ny Rahalahy Hemdemov, 53 taona izy, ary manan-janaka efatra. Lehilahy mazoto, tia an’Andriamanitra, ary nohajain’ny fiaraha-monina izy. Nomelohina hiasa an-terivozona efa-taona any am-ponja anefa izy, tamin’ny Mey 2015, satria nanaovana fivoriana ara-pivavahana “tsy ara-dalàna” tao an-tranony. Any amin’ny toby fiasana an-terivozona malaza ratsy any Seydi izy izao. Alaina am-bavany matetika izy any, sady vonovonoin’ny manam-pahefana. Tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy anefa izy sy ny vady aman-janany. Afaka mitsidika azy tsy tapaka i Gulzira vadiny ary mampahery azy.

Mivavaka ho an’ireny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ireny isika. Vao mainka isika tsy te hivadika amin’i Jehovah rehefa mahita ny ohatr’izy ireny. Matoky isika fa “tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy” i Jehovah, araka ny Salamo 37:28.